- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Te-hamelona indray ny fombafomban'ny vazimba teratany ao Meksika ny Voces Étnicas

Sokajy: Meksika, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Teratany, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
nuestro mundo y nuestras palabras

Sary nosintonina nahazoana alalana avy amin'ny haban-tranonkala ofisialin'ny Voces Étnicas. Nalaina avy amin'ny lahatsoratra “Nuestro mundo y nuestras palabras” (Ny Tontolontsika sy ny kabarintsika) nataon'i Sergio Abraham Barrera.

Ao Meksika, fomba amam-panao ahiana hanjavona no nahazo fialokalofana tamin'ny fikambanana ara-kolontsaina Voces Étnicas [1], izay nahavita dingana lehibe tamin'ny fikajiana ireo riba amin'ny alalan'ny fankatoavana sy ny fampielezana izany.

Ka izany no nivoahan'ny Voces Étnicas ho lasa fampitam-baovao ara-kolontsaina mitady ny :

[…] rescatar y difundir, mediante la aplicación de diversas técnicas de investigación las tradiciones y costumbres de las comunidades indígenas de México, a través de una visión humanística y perceptiva, con el fin de informar y sensibilizar a la sociedad sobre estos temas de arraigo nacional.

[…] hanavotana sy hampielezana, amin'ny alalan'ny teknikam-pamotopotorana isan-karazany, ny riba sy ny fomban'ny fokonolona teratany ao Meksika, ao anatin'ny vina mandala ny maha olona sy ny fomba fijery, ahafahana mampahafantatra sy manaitra ny fiarahamonina amin'ireo lohahevitra fampifikirana nasionaly ireo.

Amin'ny alalan'ny pejy aterineto [1] isika afaka miditra amin'ny lovan-tsofina [2], arira, fitantarana, tantara foronina hakana lesona, anganongany, fotoana malaza, poezia [3] ary ireo fihetsika teratany mijoro vavolombelona amin'ny fomba fandikan'ireo vondrona ara-poko isan-karazany mameno ny Repoblika Meksikana ireo an'izao tontolo izao. Tahaka ny asehon'ny sombin'ny Anganon'ny namoronana ny Vorona Colibrí  [4]:

Cuentan que los Dioses mayas crearon todas las cosas en la Tierra; cada animal, cada árbol y cada piedra. Pero cuando ya habían terminado, notaron que no había nadie encargado de llevar sus deseos y pensamientos de un lugar a otro.

Como ya no tenían barro ni maíz para hacer otro animal, tomaron una piedra de jade y con ella tallaron una flecha muy pequeña, y cuando estuvo lista, soplaron sobre ella y la pequeña flecha salió volando. Ya no era más una simple flecha, ahora tenía vida, los dioses habían creado al X ts’unu’um. […]

Voalaza fa namorona ny zavatra rehetra ambonin'ny tany ny Andriamanitra mayas: ny biby tsirairay, ny hazo tsirairay ary ny vato tsirairay. Fa rehefa nahavita ry zareo dia nahatsikaritra fa tsy misy ny hitondra ny faniriany sy ny fisainany avy amin'ny toerana iray mankany amin'ny toerana hafa.

Koa satria tsy nisy fotaka, tsy nisy katsaka ahafahana manamboatra biby hafa, dia nandray vatosoa maitso ry zareo ary nanao sokitra tsipìka bitika dia bitika avy amin'io vatosoa io, ka vantany vao vonona io dia nitsoka azy izy ireo ary dia nanidina ny tsipìka. Tsy tsipìka tsotra intsony io fa efa mananaina, noforonin'ireo andriamanitra ny x ts'unu'um.  […]

Nahita ny vata sarobidy itehirizana azy ny zavakanto, ny mozika sy ny dihy nentin-drazana ao amin'ny sokajy fampitam-baovao marolafy. [5]Ny fantsona Vimeo [6]dia maneho indrindra ireo lahatsary fohy natao hahitana indray sy ampianarana ireo fiteny teratany.

Miely amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy ihany koa ny asa mahafinaritra vitan'izy ireo, tononina manokana amin'izany ny pejy Facebook [7], izay amoahan'izy ireo isan'andro ny vaovao, ny sary, ny boky ary ny ango-kevitra nomerika azo afindra miresaka na momba ireo vahoaka sy fokonolona teratany ao amin'ny faritra.

zapoteco

Sary nahazoana alalana hita ao amin'ny pejy Facebook an'ny Voces Étnicas.

Lavitra azy ireo ny hamoaka indray ireo fitsarana an-tendrony sy ny fomba fandika zavatra mitondra mankany amin'ny fanambaniana izay miafara amin'ny fanitsakitsahana ny zon'ny vahoaka teratany, manoka-tena indrindra ny Voces Étnicas hanome feo ireo mpikambana isan-karazany ao amin'ny fiarahamonina teratany ahafahany mamokatra sy mamerina mamokatra indray ireo vaovao miresaka ny momba azy ireo. Rehefa azon'ny besinimaro jerena izany dia mampiroborobo ny fifanakalozana ara-kolontsaina mivaingana sy ahazoana tombontsoa ary avy amin'izany no niavian'ny “mpitondra teny” ny kolontsaina teratany, araka ny ilazan-dry zareo azy ireo ihany. Ary izay no maha zava-dehibe ny oces Étnicas amin'ny maha fampitam-baovao nomerika fanangonana sy fampahatanjahana azy ireo indray.

Araho ny zava-bitan-dry zareo indrindra fa ao amin'ny pejy ofisialy [1], ao amin'ny horirana Facebook. [7] Hita ihany koa ry zareo ao amin'ny Vimeo [6], YouTube [8] ary Twitter [9].