- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Milahatra hijery voninkazom-paty maranitra ny Aostraliana tatsimo

Sokajy: Oseania, Aostralia, Mediam-bahoaka, Siansa, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina
Corpse Flower Team [1]

Arahabaina amin'ny fahombiazany ny ekipa ao amin'ny Zaridainan-Javamaniry Mount Lofty! Sary nampindramin'i Tom Chladek

Namelana ny voninkazo vaventy iray tao amin'i Mount Lofty Botanic Garden [2]. ao Aostralia atsimo. Fantatra amin'ny habeny, ny endriny mandona ary ny fofony, ny anarany amin'ny ara-javamaniry dia arôma Titan (Amorphophallus titanum [3]). Ity zavamaniry ity dia avy any amin'ny nosy Sumatra ao Indonezia, izay manana anarana ahafantaran'ny besinimaro azy hoe bibunga bangkai, midika hoe zavamaniry fatim-biby na voninkazom-paty.

Na dia eo aza ny fofony mampandositra, dia anarivony ireo milahatra milamina tsara hijery ny fisokafany vetivety. Mety tsy hitranga intsony izany ao anatin'ny fito taona. Niely vetivety ny lazany :

An'arivony ny olona milahatra hijery voninkazo fofom-paty

Mandray anjara ihany koa na dia ny polisy aza :

Nilazàna ny mpitondra fiara fa somary mitohana ny fifamoivoizana manodidina an'i Piccadilly fa mivorivoy ny olona hijery voninkazo maimbo

Naka lahatsary ireo olona liana hijery i Natalie Whiting:

Anjatony no milahatra hijery voninkazom-paty ato amin'ny Zaridainan-Javamaniry eto Adelaide.

Na ny Telegraph avy any Angletera aza mba nilaza ny vaovao, tahaka izany ihany koa ny BBC News [19]:

Anjatony no milatra hifoka ny fofon'ilay voninkazo manentoento fatin'olona izay mamelana isaky ny 1000 taona.

Nankafy ny fahalianan'ny olona i Tom Chladek, mpakasary ao amin'ny @botgardenssa :

Can't believe the attention this is getting. @botanicgardenssa #titanarum [23]

A photo posted by Tom Chladek (@chladey) on

Tsy mampino ny fahalianan'ny olona aminy.

Indrisy moa fa nosimbain'ny fotoanan'ny doro tanety amin'ny asara (andro mafana) ny fahafahany misokatra ho amin'ny andro faharoa:

Hikatona ny zaridainan-javamaniry amin'ny Alarobia 30 desambra noho ny “habetsaky ny” doro tanety. Antsipiriham-baovao ao amin'ny habaka.