Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Milahatra hijery voninkazom-paty maranitra ny Aostraliana tatsimo

Corpse Flower Team

Arahabaina amin'ny fahombiazany ny ekipa ao amin'ny Zaridainan-Javamaniry Mount Lofty! Sary nampindramin'i Tom Chladek

Namelana ny voninkazo vaventy iray tao amin'i Mount Lofty Botanic Garden. ao Aostralia atsimo. Fantatra amin'ny habeny, ny endriny mandona ary ny fofony, ny anarany amin'ny ara-javamaniry dia arôma Titan (Amorphophallus titanum). Ity zavamaniry ity dia avy any amin'ny nosy Sumatra ao Indonezia, izay manana anarana ahafantaran'ny besinimaro azy hoe bibunga bangkai, midika hoe zavamaniry fatim-biby na voninkazom-paty.

Na dia eo aza ny fofony mampandositra, dia anarivony ireo milahatra milamina tsara hijery ny fisokafany vetivety. Mety tsy hitranga intsony izany ao anatin'ny fito taona. Niely vetivety ny lazany :

An'arivony ny olona milahatra hijery voninkazo fofom-paty

Mandray anjara ihany koa na dia ny polisy aza :

Nilazàna ny mpitondra fiara fa somary mitohana ny fifamoivoizana manodidina an'i Piccadilly fa mivorivoy ny olona hijery voninkazo maimbo

Naka lahatsary ireo olona liana hijery i Natalie Whiting:

Anjatony no milahatra hijery voninkazom-paty ato amin'ny Zaridainan-Javamaniry eto Adelaide.

Na ny Telegraph avy any Angletera aza mba nilaza ny vaovao, tahaka izany ihany koa ny BBC News:

Anjatony no milatra hifoka ny fofon'ilay voninkazo manentoento fatin'olona izay mamelana isaky ny 1000 taona.

Nankafy ny fahalianan'ny olona i Tom Chladek, mpakasary ao amin'ny @botgardenssa :

Can't believe the attention this is getting. @botanicgardenssa #titanarum

A photo posted by Tom Chladek (@chladey) on

Tsy mampino ny fahalianan'ny olona aminy.

Indrisy moa fa nosimbain'ny fotoanan'ny doro tanety amin'ny asara (andro mafana) ny fahafahany misokatra ho amin'ny andro faharoa:

Hikatona ny zaridainan-javamaniry amin'ny Alarobia 30 desambra noho ny “habetsaky ny” doro tanety. Antsipiriham-baovao ao amin'ny habaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.