- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manaraka Ny Dian'i São Paulo, Mibodo Ny Sekolin'izy Ireo Ihany Koa Ny Mpianatra Breziliana Ao Goiás

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka
Photo by Jornal A Verdade.

Mpianatra mametraka sora-baventy eo amin'ny fefy amin'iray amin'ireo sekoly bodoin'izy ireo ao amin'ny fanjakana Goiás. Sary avy amin'ny Jornal A Verdade.

Nanapa-kevitra ny haka lesona avy any São Paulo, izay nibodo sekoly miisa ho 200 izay niafara tamin'ny fampitsaharana ny drai-pandaminana vaovao saika hanakatonana sekoly 94, ireo mpianatra avy amin'ny fanjakana afovoany andrefana breziliana ao Goiás.

Ao Goiás, toherin'ny mpianatra ny drafitry ny government [1] hanolotra ny fitantanana ny sekoly amin'ny fikambanana tsy miankina sy amin'ny zandarimariam-pirenena [2]. Ao Brezila, maro ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa no tantanin'ny miaramila na zandary na polisy, ilay lazaina ho ‘fampidirana miaramila’ eo amin'ny fampianarana izay tsikerain'ny mpanabe sasantsasany. Tamin'ny Septambra ny Komitin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'ny Ankizy no namoaka tatitra fanahiana amin'i Brezila noho ny fahabetsahan'ny tsy miankina sy ny miaramila eo amin'ny rafi-panabeazana fototra ao amin'ny firenena.

Hatreto ny mpianatra dia nibodo sekoly 23 [3]manerana ny fanjakana ary nisy sarintanim-pifarimbonana napetraka [4]hanaraha-maso ny hetsika.

Nanamarika ny sampam-baovao mahasolo toerana Democratize [5]fa:

Os alunos das escolas ocupadas em Goiás admitem se inspirar na luta dos secundaristas paulistas, que no final acabaram conseguindo conquistar uma vitória parcial sobre o projeto de reorganização do ensino, já que o governador Geraldo Alckimin (PSDB) recuou com o projeto, adiando sua aplicação para 2017 — o que explica a continuidade de algumas escolas ocupadas no estado e também a série de protestos que continuam a acontecer na capital paulista.

Manaiky ny mpianatra mibodo sekoly ao Goiás fa nahazo aingam-panahy avy amin'ny tolon'ny mpianatry ny lisea tao São Paulo, izay niafara tamin'ny fandresena ampahany manoloana ny kinasam-pandaminana vaovao ny sekoly ry zareo rehefa nihemotra tamin'ny fanatontosana ny kinasa ny governoran'i São Paulo Geraldo Alckimin (avy ao amin'ny Antoko Sosialy Demôkraty), ka hanemotra ny fanatontosana azy ho amin'ny 2017 — izay manazava ny mbola itohizan'ny fibodoana ny sekoly sasany ao amin'ny fanjakana sy ny andiam-pihetsiketseham-panoherana mizotra hatrany ao São Paulo.

Hatramin'izao ny governoran'i Goiás Marconi Perillo — izay iray antoko politika amin'ny governemantan'i São Paulo amin'izao fotoana izao — dia tsy vonona loatra ny hifampiresaka [6]. Nanambara izy tamin'ny 15 Desambra fa hametraka fitoriana heloka bevava amin'ny sasantsasany amin'ireo mpitarika ny hetsika. Nanambara izy fa ireo mpitarika ireo dia “voakaraman'ny sendikà sy ny antoko politika avy any amin'ny fanjakana hafa”.

Some of the occupyied schools n Goiânia, capital city of Goiás state.

Some of the occupied schools n Goiânia, capital city of Goiás state. Screenshot image.

Matanjaka indrindra ny hetsika fibodoana ao an-drenivohitry ny fanjakana Goiânia, saingy araka [7] ny lazain'ny mpisera Facebook Desneuralizador, dia miha-mahazo vahana any anivon'ny fanjakana [faritra] izy ity. Nisy ireo mpampianatra sasantsasany [8] naneho fanohanana ny mpianatra.

Tsikerain'ny mpianatra ny famelezana [9] ataon'ny zandary ao an-tanànan'i Aparecida de Goiás sy Anápolís. Ao amin'ny lahatsary iray navoakan'ny pejy Facebook Não Fechem Minha Escola (Aza Akatona ny Sekoliko), tapahin'ny mpiasam-panjakana ny rano hanerena azy ireo hivoaka ny sekoly bodoiny.

TRUCULÊNCIA E SABOTAGEM – NÃO DEU CERTO EM SP, NÃO VAI FUNCIONAR EM GOIÁS!

O governador Perillo de Goiás está usando as mesmas armas que o governador Alckmin usou em São Paulo – Intimidação, manipulação da mídia e sabotagem. Cortar água das escolas ocupadas é uma violação aos direitos humanos e ao estatuto da criança e do adolescente! O que vemos no vídeo é absurdo e criminoso.

#NãoTemArrego [10]

FAMELEZANA SY FANIMBAN-JAVATRA — TSY NAHOMBY TANY SÃO PAULO, TSY HAHOMBY INDRAY ANY GOIÁS!

Mampiasa ny fitaovam-piadiana efa nampiasain'ny governora [Geraldo] Alckmin tao São Paulo ny governoran'i Goias, [Marconi] — fampitahorana, fanodikodinan-dresaka amin'ny alalan'ny fampitam-baovao ary fanimban-javatra. Fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny kilonga sy ny tanora [ao amin'ny lalàna breziliana] ny fanapahan-drano amin'ny sekoly voabodo! Fahadalàna sy heloka bevava ny hitantsika ao amin'ny lahatsary.

#RosoToyTsaMimpody

Screenshot from a Facebook video allegedly showing state employees shutting off the water supply to an occupied school. Click the image to watch the video on the Facebook page Não Fechem Minha Escola. [11]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary Facebook nolazaina fa nanapahan'ny mpiasam-panjakana ny ranon'ilay sekoly voabodo. Tsindrio ny sary raha hijery ny lahatsary ao aminn'y pejy Facebook Não Fechem Minha Escola.

Tahaka ny tao São Paulo, miantso ny olompirenena hanolotra [12]sakafo sy fitaovam-panadiovana ny mpianatra, ary tahaka izany ihany koa eo amin'ny hetsika ara-kolontsaina sy fampianarana ao an-dakilasy mba hitazonana ny lamina mahafinaritra misy ao an-tsekoly. Nanomana dinidinika [13] momba ny fiantraikan'ny fanomezana ho an'ny tsy miankina ny fanabeazana ihany koa ry zareo, ary indraindray manasa mpikambana ao amin'ny fiarahamonina ivelan'ny sekoly. [14] Ataon-dry zareo ihany koa ny fanadiovana [15]ny sekoly ary ampangain-dry zareo ireo toetran-javatra tsizarizary [16] any amin'ny toerana sasantsasany.

Students cleaning occupied state school Ismael Silva, in Goias state capital Goiania. [15]

Mpianatra manadio ny sekolim-panjakana Ismael Silva, ao an-drenivohitry ny fanjakana Goias ao Goiania. Avy amin'ny pejy Facebook “Secundaristas em Luta – GO”.

Tao amin'ny lahatsoratra iray [17] ho an'ny New York Times, i Pablo Ortellano, mpampianatra, nametraka ny hetsika bodoy ao São Paulo, Goiás ary ao Espírito Santo ihany koa ho karazam-pitohizan'ny fihetsiketseham-bahoaka an-tapitrisany nidina an-dalambe nanerana an'i Brezila tamin'ny Jona 2013. nanamarika [18] tao amin'ny Facebook-ny ihany koa i Mauricio Caleiro, izay mpampianatra ihany koa :

Assim como vivenciado em São Paulo em reação ao fechamento de escolas – que Alckimin tentou impor à força -, os estudantes de Goiás reagem à tentativa autoritária de privatização e militarização do ensino público.
Mais uma evidência de que há vida inteligente e disposição para a luta política entre parcelas da juventude, exemplo para a UNE e demais entidades pelegas, que hoje negam sua história, se transformando em mera corrente de transmissão do governo federal;
O espírito de combate que animou 2013 mantém-se vivo.

Araka ny efa niainana tao São Paulo mifandraika amin'ny fikatonan'ny sekoly — izay niezahan'ny Alckimin natao an-katerena — di anamaly ny fikasan'ny manampahefana hanome ho an'ny tsy miankina sy hampidirana ny miaramila ao amin'ny fanabeazam-bahoaka ny mpianatr'i Goiás.

Porofo hafa fanampiny milaza fa misy ny fiainana entina am-pisainana sy fahazotoana amin'ny tolona politika ao amin'ny hetsiky ny mpianatra, ohatra iray ho an'ny UNE [fikambanan'ny mpianatra tsy dia fantatra loatra amin'ny vanim-potoana ankehitriny] sy ireo andrim-piarahamonina hafa, izay mitsipaka ny tantarany amin'izao fotoana izao, fa mivadika ho fitaovam-pamindram-baiko avy amin'ny governemanta federaly fotsiny.

Mbola velona ny fikirizam-pitolomana nanetsika ny 2013.