Mpivady Ao Singapaoro Notsaraina Fa Toa Hoe Nahamosarena Vehivavy Filipina Mpiasa An-trano Nandritra ny 15 volana
Nabaribarin'ny fitsarana iray eo dalam-panatanterahana, nahavoaroiroy mpivady Singapaoreana sy ny fitondràny ny mpiasa an-trano mpifindra monina izay nampiasain'izy ireo, ny fanararaotana sy ny fanilikilihana izay atrehan'ny mpiasa vavy mpifindra monina maro ao amin'ilay tanàna-firenena manankarena.
Lim Choon Hong, mpivarotra, dia voampanga ho nanitsakitsaka ny fitsipiky ny Fampiasàna Mpiasa Vahiny 2012 (Fahazoandalana Hiasa) , tsy nanome an'i Thelma Oyasan Gawidan sakafo sahaza. Voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ilay heloka bevava i Foon Chong Sui, vadiny.
Milaza i Gawidan fa tsy nanome azy afa-tsy mofo tsotra sy paty mora ahandroina ny mpampiasa azy, ary ny lanjany izay 49kg dia nihena ho 29kg tao anatin'ny 15 volana fotsiny.
Efa ela i Singapore no noraisina ho toerana tsara aleha ho an'ny maro any amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina mitady anjara mba hahazoana fidiram-bola tsaratsara kokoa ho an'ny fianakaviany. Tamin'ny Jona 2015, misy olona 993.900 no manana fahazoan-dalana hiasa any Singapaoro, anisan'izany ireo miasa toy ny mpiasa an-trano sy ny mpiasa amin'ny fanorenan-trano amin'ny toerana manerana ny firenena. Maro amin'ireo lehilahy sy vehivavy ireo no avy amin'ny firenena toa an'i Bangladesy, India, Filipina, Indonezia ary Myanmar.
Ankoatra ny fandàvana tsy hanome sakafo ampy ho azy, nijoro ho vavolombelona teo anatrehan'ny fitsarana ihany koa i Gawidan fa anaovan'ny mpampiasa azy fanaraha-maso foana izy, ka na ny fandroany aza dia arahan'i Chong maso. Na dia mipetraka amin'ny tranobe avo lenta iombonana aza ny fianakaviana, akaikin'ny faritra tena fanaovana raharaham-barotra ao Singapore, nilaza izy fa indray mandeha na indroa isan-kerinandro ihany no navela handro, any amin'ny trano fidiovam-bahoaka ao anatin'ilay fonenana iombonana.
Notazonin'ireo mpivady ihany koa ny findainy sady nohidiny, mba tsy nahafahany nifandray tamin'ny fianakaviany any Filipina. Nanasorana taminy ny ampahany betsaka ny karamany, hoy i Gawidan; nilaza ny mpampiasa azy fa amin'ny toerana azo antoka ilay izy.. Mitarika fibedesana ny fiezahana hifandray amin'ny hafa.
“Jereny foana aho amin'ny hetsika rehetra ataoko ao an-trano, bedesiny raha manao hadisoana,” hoy izy tamin'ny fitsarana.
Mety handoa sazy hatramin'ny S$10.000 (US$7.110), 12 volana an-tranomaizina, na ireo roa mitambatra i Chong sy i Lim, raha voaheloka.
‘Azo antoka fa afaka manao tsaratsara kokoa isika?’
Tena marefo amin'ny fanararaotana sy ny fanambakàna ireo mpifindra monina mpiasa an-trano ao Singapaoro. Voahilika amin'ny Lalanan'ny Asa izy ireo – izay miresaka ny fepetra momba ny asa toy ny asa ambony ampanga, sy manome safidy ara-dalàna mba hanafoana ny fandroahana tsy an-drariny, ankoatr'izay tsy voatanisa – ary tsy maintsy monina ao an-tranon'ny mpampiasa azy. Mitaky andro iray tsy fiasana isan-kerinandro homena ny mpiasa an-trano i Singapaoro, maro no mbola nandà izany zo izany.
Nanindry mafy ny olana ara-drafitra izay mitondra ho amin'ny fanararaotana ny mpiasa an-trano ireo mpaneho hevitra tamin'ny media sosialy. Nanamarika i Kokila Annamalai fa tsy voafaritra ho toy ny fanitsakitsahana ny zon'i Gawidan ny fiampangana atao amin'ireo mpampiasa, fa tsy fahombiazana amin'ny “fikarakaràna” azy:
Manara-maso ny fisasàny, tsy manome sakafo azy, mamizana azy hatramin'ny fampijaliana (anisan'izany ny indray mandeha naharitra efa ho 72 ora mitohy), tsy famelàna hatory, mandà ny fahazoana fidiovana fototra – ary voampanga ho tsy nahatanteraka ny “fikarakaràna” azy ireo nanao izany. Teo imason'ny MOM [Ministeran'ny Monpower], ny polisy ary ny fitsarana, tsy fanararaotana na fandikàna miharihary ny zon'olombelony izany. Tsy afaka ny ho solika amin'ny milinareo ny heloka bevava..
Mora kokoa ny mino fa olona masiaka mahatsiravina ireo nanao ny fampijaliana, ka ny fampidirana azy ireo an-tranomaizina mandritra ny fotoana ela no hamaha ny olana, nefa mandra-paneken'ny maro fa ny mpifindra monina mpiasa an-trano ao Singapaoro, monina sy miasa eo ambany fitsipi-panjakana izay mametraka azy mivantana amin'ny toeran'ny andevo fehezin'ny fifanekena, ary ny olona maro izay miloa-peo mba hitakiana fanavaozana, mijanona ho marefo amin'ny fanararaotana feno habibiana ireo mpiasa an-trano.
Nanampy koa ny hafa fa tsy tranga miavaka ny nanjo an'i Gawidan. Naneho hevitra tamin'ny fàhan'ny Facebook-n'ny gazety ao an-toerana The Straits Times i Christopher Shelley ka nanoratra mikasika ny fomba nataon'ny mpiasa an-tranony nanome fanampiana ny mpiasa iray hafa eo amin'ny manodidina:
Tsy tranga manokana izany… Fony nonina tany Singapaoro tao Rochalie Drive izahay nandritra ny taona vitsivitsy – lalana iray tena manankarena – ny vehivavy mpiasa an-tranonay dia nanolotra sakafo mangingina mihoatra ny fefy ho an'ny mpiasa an-tranon'ny mpiara-monina aminay, izay tsy maintsy mandoa ny sakafony sy ary nandray ny antsasaky ny karama nandoavanay ny anay…tsy nanaiky ny hanaovanay tatitra ho any amin'ny mpampiasa izy raha toa ka ho voaroaka any Singapaoro izy…
Namaly ny adihevitra ny mpakasary fanao an-gazety, Sim Chiyin, fa mety ho ratsy lavitra noho izany ny fitondrana ny mpiasa an-trano mpifindra monina any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao:
Marina fa misy any an-kafa ny tranga tena ratsy indrindra amin'ny fanararaotana ara-batana, firaisana ara-nofo, ara-pihetsehampo, indrindra fa any Afovoany Atsinanana — famerenana iombonana iray hafa izay reko amin'ny maha mpanao gazety momba ny olana arak'asa ahy. Misy foana ny ohatra azo raisina eo amin'ny asa fanaovana gazety, ary efa nanome tahirin-kevitra maro mikasika izany aho ao amin'ny faran'ny bokiko.
Nefa azo antoka fa tiantsika ny mampitaha ny tenantsika amin'ny tsara indrindra fa tsy amin'ny mpizara kely indrindra iombonana. Azo antoka fa afaka manao tsaratsara kokoa ve isika?
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...