- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mali: Mikononkonona Ankivy Amin'ny Orange, Orinasa Goaibe Marorantsan'ny Antso Amin'ny Finday, Ireo Mpanjifa Tezitra

Sokajy: Mali, Senegal, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sendikà, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna
Poster de la campagne de l'association 100megaMali avec leur autorisation

Nalaina avy tamin'ny fanentanan'ny fikambanana 100megamali mba hanaovana ankivy amin'ny Orange, nahazoana alàlana.

Misavorovoro ny tontolon'ny bilaogy maliana tato ho ato ! Ny antony ? tezitra amin'ny tolotry ny Orange, orinasa frantsay goaibe marorantsana, ireo mpanjifa ny antso amin'ny finday. Nanapa-kevitra ny hanbao ankivy amin'ny tolotr'io orinasa, manana masoivoho any amin'ny firenena afrikana16  [1] io ireo mpanjifa azy ny 1 Desambra 2015 teo.

Hazavain'ny ‘ [2]Meritocratie Malienne’, ao amin'ny pejy Facebook vao noforonina noho io antony io, ary efa misy mpankafy 14.978, ny anton'io [3]hatezerana io amin'ny alàlan'ny fampitahana ny tolobidy ampiharina any Mali amin'ny an'i Senegal sy Niger,  [3] firenena roa mpifanolo-bodi-rindrina izay mampiasa sandam-bola mitovy, ny Franc CFA [4] [€1=656Francs CFA [5]]:

Ankivy amin'ny ORANGE Mali
Inona no maha-zava-dehibe izany ?

8.000.000  tamin'ny aprily 2013 ary 12.800.000 tamin'ny 2014 no isan'ny mpanjifan'ny Orange Mali, rantsan'ny France Telecom ( Fifandraisan-davitra Frantsay), orinasa goavana erantany mikirakira ny antso amin'ny finday, izay mandrakotra firenena maro amin'ny fanolorana ho azy ireo ny fifandraisana amin'ny alàlan'ny aterineto azo ekena na tena tsara mihitsy amin'ny vidiny tena tena voalanjalanja .

Azo lazaina fa iray amin'ireo mpanjifa lehibe indrindran'ny vondrona Orange i Mali, rariny raha omena tombony izy, nefa indrisy… NY MIFANOHITRA AMIN'IZANY : any Mali irery ihany no tsy misy ilàna azy ny fifandraisana amin'ny aterineto 3G+ lazaina fa haingam-pandeha no sady lafo, ary izany na dia miaraka amin'ny ‘fibre optique’ aza.

Eritreretinareo :

- Any Senegal 2000 Fcfa no ahazoana 500MO amin'ny haingam-pandeha. – Any Niger 500 Fcfa ny 500MO fa azoazo ny hafainganam-pandeha. – Any Mali, tena mandreraka be, 4700 Fcfa ny 500MO, ny hafainganam-pandeha amin'izany tena ratsy sady miovaova matetika.

Izany no fitaka, fitaka aharihary sady tsy maintsy faranana…. Tsy Orange irery no mpamatsy fifandraisana any Mali …

Si une personne est dans un de ces pays, elle peut transférer en 1 seule fois la totalité du crédit vers le compte mobile prépayé d’un client d’un opérateur Orange ou Maroc Telecom, membre du réseau ticket transfert. dans un autre pays. Source: transfertpays.com

Raha misy olona iray any amin'ny iray amin'ireo firenena ireo, azony atao ny mandefa indray mandeha ny totalin'ny fahana ho any amin'ny kaontin'ny finday voaloa vola mialoha an'ny mpanjifan'ny Orange na Maroc Telecom, mpikambana aminà tambajotra fandefasana fahana amin'ny tapakila any amin'ny firenena hafa. Loharano : Transfertpays.com

Maneho hatezerana any amin'ny pejy Facebook iray hafa [6] misy mpikambana 1.251, ny Boycott Orange Mali [7]

 Tsy misy antso 📞, Tsy misy somaiso, tsy misy fifandraisana amin'ny aterineto ny tontolo andron'ny 1 Desambra 2015. Izany no tanjona ho tratrarina amin'ity tontolo andron'ny fikomiana ity. Namitaka antsika ny Orange nandritra ny taona maro, nisy aza fotoana nahasahian'ny Orange naka ny fahana voalohan'ny mpanjifa,1f/1ko, tsy misy filazàna rehefa lany ny fahana aterineton'ity farany. Eritrereto, ohatrinona ny vidin'ny 1mo amin'izay fotoana izay. Ajanony amin'izay, tafahoatra tena tafahoatra… ‪#‎boycottorangemali [8] (ankivyamin'nyorangemali ), ‪#‎stopauxarnaques [9] (ajanonynyfitaka), ‪#‎libreauxclientsdeseplaindre‬  [10]( malalakaamin'nyfitarainananympanjifa)

Ho an'ny mpampiasa Bak Doum [11] izay maneho hevitra amin'io pejy io dia mendrika hanaovana ankivy ihany koa ny [12]mpamatsy Malitel :

Tsy ny Orange irery ihany, tsy maintsy ikomiana ihany koa ireto Malitel tsy manjary ireto. Ny sosokevitro dia ny fikarakarana diabe alahady iray miaraka amin'ny filanjana sora-baventy mba hampahafantarana ny haratsian'ny vokatra atolotr'ireo tambajotranà antso roantsika ireo. Atao manerana ny tanàn-dehibe rehetra eto Mali izany diabe izany. Tsy tokony ho ferana amin'ny ankivy aminà tambajotra sosialy fotsiny fa ‘ndao ho eny an-kianja. Misaotra

Ampatsiahivin'i Aboubacrine Assadeck N'diaye [13] ao amin'ny pejy facebook fanintelony izay misy mpanaraka 20.688, fa mety hanome [13] tolotra hanakorontanana ny hetsiky ny mpanjifany tezitra ny goaibe marorantsana frantsay noho io fiandohan'ny volana desambra io :

Ry namana,
efa akaiky ny faran'ny volana ary mba hanaovana ankivy amin'ilay fikomiana efa nomanina ho azy ireo….dia azo antoka ny #‎Dérange, [14]fa hanome ‘mega’ amboniny mba hanodinana anareo sy hanakorontanana ny sainareo.

Aza mihemotra, tsy misy mila izany fanomezana fanampiny tsy misy ilàna azy izany, tsy ny fanomezana fanampiny no hampijanona antsika.

Raha mahita MSG tsy misy fotony avy amin'ny #DÉRANGE  ianao, toy ny hoe : Orange dia mampahafantatra anao fa efa nampidinina ny saram-pifandraisana….ANKIVY  MIVANTANA, Aza misahirana mamaky ny tohiny akory.

 #‎BOYCOTT_LE_1er_DEC‬ [15] (FIKOMIANA_NY_1_DES) no baiko, Mahatanjaha !
Andriamanitra anie hitahy an'i Mali

Hazavain'i Mouna Koutam [16] ao amin'io pejy Facebook io ny atao hoe “ankivy” sy ny tokony hataon'ny tsirairay amin'ny fandraisana anjara  [17] amin'ny hetsiky ny olom-pirenena :

Nofidian'ny ‪#‎Stop_Aux_Arnaques ( [18]ajanony ny fitaka ataon'ny) Orange_Mali ho tontolo andron'ny ankivy amin'ny Orange Mali ny 01 Desambra 2015 ;
Hazavaina aloha ny atao hoe ankivy :
Ankivy :  finiavana mandà ny fanjifàna malalaka ny vokatra na ny tolotry ny orinasa. Tambajotranà fandraharahana ny  ‪#‎Orange_Mali‬. [19] Noho izany, ahoana no atao amin'ny ankivy amin'ny Orange Mali amin'ny 01 desambra 2015 ?
– Tsy mividy fahana ;
– Tsy mampiasa ny fahana aterineto ;
– Tsy miantso avy amin'ny laharana Orange Mali ;
– Tsy mampiasa ny Orange Money ;
Mandritra io tontolo andro io, aoka mba hatsahatra daholo ny hetsika rehetra mandalo amin'ny #Orange_Mali.
Tsotra, raha toa ka voahaja ara-bakiteny io ankivy io, dia hahitsin'ny Orange Mali manontolo ny tolotra omeny ny vahoaka maliana.
‪#‎StopAuxArnaquesDeOrangeMali‬ [20]

Mahatonga hatezerana manerana ny firenena afrikana maro ny kalitao atolotry ny orinasa goaibe marorantsana Orange. Any Senegal ohatra, marihan'ny [21] tranonkala lignedirecte.sn fa :

Taorian'ny andro iray voalohany tena nahomby “tamin'ny ankivy tamin'ny Orange”  nahitàna  mpandray anjara an'arivony izay nanohitra ny mpandraharaha amin'ny antso finday ary nanameloka ny tolotra mifototra amin'ny “fitaka”, dia nankalazaina tamin'ny 12 Novambra 2015 ny “andro faharoa tamin'ny ankivy tamin'ny Orange”.

Eny tokoa, efa nivondrona tao aminà tambajotra sosialy mba hamorona sehatra fifanakalozan-kevitra sy hanebahana ny ‘haratsin'ny tolotry’ ny mpikirakira antso ireo mpanjifan'ny Orange Senegal hatramin'ny 2012. Ohatra, ao amin'ny Facebook, maro ireo pejy noforonina ho amin'izany, ka ny “Si Toi Aussi Tu Te Sens Arnaqué Par Orange [22]“ (” Raha mahatsapa ihany koa ianao fa voafitaky ny Orange”) , izay misy mpikambana dimy arivo sy efatra alina eo ho eo no malaza indrindra.

Nikatso ny vokatry ny orinasa Orange tany Senegal taorian'ny fanehoan-katezerana nataon'ireo mpampiasa. Araka ny tatitry ny fanadihadiana nataon'ny manampahefana amin'ny fifandraiasan-davitra momba ny tsenan'ny fifandraisan-davitra senegale, dia nidina 1,08% ny isan'ny mpanjifan'ny Orange tamin'ny telovolana faha-3-n'ny 2015. [23]Very ihany koa ny anjara tsena 0,95-n'ny aterineto   ka lasan'ny Tigo sy ny Expresso.

Tableau comparatif des prix internet des pays de l'afrique de l'ouest via 100megaMali

Fàfana fampitahàna ny sandan'ny aterineto any amin'ireo firenena ao Afikra atsinanana, avy amin'ny 100megaMali

Na izany aza, niakatra be ny vokatra tao anatin'io vanim-potoana iray io tany amin'ireo firenena afrikana 16 izay misy io orinasa goaibe marorantsana io. Ao anatin'ny faritra ara-jeografika mavitrika misy azy, Afrika sy Afovoany Atsinanana mitambatra ho vondrona iray, no ahazoan'ny Orange ny  fitomboany betsaka indrindra [24]araka ny fanambaran ‘i Marc A [25] ao amin'ny techofafrica.com :

Ny vola maty (3,5 lavitrisa euro) voaangona tany amin'ny faritra Afrika sy Afovoany Atsinanana ho an'ilay vondron'ny fifandraisandavitra frantsay Orange no vola maty haingam-pitombo indrindra ( maherin'ny 6%), amin'ny volan'ireo sampana hafa rehetra ao anatin'ny vondrona.

“Mitombo +8,2% ny tolotra finday tamin'ny telovolana fahatelo taorian'ny +6,7% tamin'ny telovolana faharoa, Cote d'Ivoire, Ejipta, Mali, Repoblika demokratikan'i Kongo ary Ginea no mitarika” araka ny fanamarihan'ny vondrona ao aminà fanambaràna.

Tokony hamporisika ny orinasa hanaja bebe kokoa ny afrikana mpanjifa azy ireo vokatra miabo ireo, indrindra fa mivarotra vokatra hafa izy, toy ny Orange Money [26], tolotra fandefasana sy fandoavam-bola amin'ny finday an'ny vondrona Orange, [27]tolotra manerana ny firenena Afrikana rehetra ahitana ny Orange. Ankoatra izay,  ao [28] ireo sampan-draharaha misahana ny vola sy ireo fampindramam-bola madinika, ny tolotra “Labaroun Kassoua”, izay manome amin'ny alàlan'ny somaiso ireo torohay momba ny vidin'ireo vokatry ny fambolena sy ny vidin'ny biby fiompy ho an'ny tontolo ambanivohitra  manerana ny tsena lehibe any Niger, ny tolotra “Senekela” natomboka tany Mali dia foibenà antso an-telefaona izay ahafahan'ireo manampahaizana momba ny fiompiana sy fambolena mampahafantatra na manoro hevitra ireo mpamboly, ny tantsaha sns…, amin'ny fiteny ao an-toerana.