Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ngonongonom-bahoaka Ao Kambodza taorian'ny “Namotsian'ny” Ben'ny Tanàna Ny Hosodokon'ny Mpanakanto Iray Avy ao Etazonia

Screenshot of the video showing how artists made the mural in Phnom Penh before it was erased by Cambodian authorities.

Pikatsarin'ny lahatsary mampiseho ny fomba nametahan'ny mpanakanto ny hosodoko tao Phnom Penh talohan'ny namafan'ny manampahefana Kambodziana azy.

Nitsikera mafy ny fanapahan-kevitry ny kaominin'i Phnom Penh hamafa ny hosodoko lehibe iray nolokoina teo amin'ny tranobe fonenana fantatra amin'ny hoe Tranobe Fotsy ny mpiserasera Kambodziana, anisan'izany koa ny minisitry ny fampahalalam-baovao ao amin'ny firenena, voalaza fa tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin'ny Lapan'ny Tanàna ny fametahana ny hosodoko.

Voakasika ny mpanakanato an-dalambe taorian'ny korontana momba ny hosodoko tao amin'ny Tranobe Fotsy tao Kambodza

Nataon'ilay Amerikana Miles MacGregor, fantatra amin'ny anarana hoe El Mac ny hosodoko, izay anisan'ny Tetikasa Igloo Hong mikendry hanohana ny asan'ny mpanakanto manerana izao tontolo izao. Amin'ny fandraisany anjara, nanoratra tao amin'ny bilaoginy i El Mac fa ny tetikasany Kambodziana dia atolony ho an'ireo mpanakanto lavo nandritra ny fitondran'i Khmer Rouge tamin'ny taompolo 1970:

This mural honors Cambodia's artists, both contemporary and those lost during the Cambodian genocide of the mid to late 1970s, when nearly all of the country's creative population was targeted and murdered by the regime.

Manome voninahitra ny mpanakanto ao Kambodza ity hosodoko ity, na ny ankehitriny na ireo nanjavona nandritra ny fandripahana ny Kambodziana nandritra ny tapaky ny taompolo 1970, izay lasibatra sy novonoin'ny fitondrana ny ankamaroan'ny vahoaka tia mamorona ao amin'ny firenena .

Nahatsiaro nanana tombotsoa izy satria holokoina eo amin'ny tranobe fonenan'ireo mpanao asa tanana sy mpanakanto maro ankehitriny ny hosodoko:

Since I had the opportunity to paint such a large, visible wall in a place where there are seemingly no other large scale murals like it, I felt an extra sense of responsibility to paint something beautiful, meaningful, and uplifting.

I hope this mural can serve as a respectful tribute to the importance and perseverance of Cambodia's creative legacy, and possibly, in some small way, offer inspiration for younger Cambodian artists to sustain this legacy.

Hatramin'ny nahafahako nandoko ny rindrina lehibe sy hita maso ao amin'ny toerana izay toa tsy ahitana hosodoko goavana hafa tahaka ity, nahatsiaro nanana andraikitra hafa aho mba handoko zavatra mahafinaritra, misy dikany, ary mankahery.

Manantena aho fa azo atao fanomezam-boninahitra sy fanajana ny maha zava-dehibe sy ny faharetan'ny lovan'ny famoronana ao Kambodza ity hosodoko ity, ary koa, amin'ny fomba kely hafa, manolotra aingam-panahy ho an'ny mpanakanto tanora Kambodziana mba hanohana ity lovantsofina ity.

Handmade #diy gets rarer and rarer these days , one day in Cambodia while walking across the roof of this old apartment building looking for spots to paint , we came across this surreal scene of a woman who had a mat outside on the roof with broken tiles and black mold everywhere hand sewing the most intricate #shawl next to a pile of stacked tiles painted like #batman, we talked to her and she let us paint the outside of her apartment , I bought the shawl for my mom , I guess there's only 2 people left in #phnompenh that do this type of detailed sewing craft, everyone else just uses a hot glue gun , anyways the apartment building was old and hadn't been renovated since the 50's , so @mac_arte did this amazing portrait of the woman who made the shawl , on the side of her building so she and everyone can see it everyday , we pay respect to her craft and honor her hard work #workHarder #tryharder #igloohong @davidchoe2 @esao @jamesjeanart @mr_aryz @jaworskijason @d_maddux @mattrevelli @pacoraterta

Miha-vitsy ny asa tanana ataon'olo-tsotra tao anatin'izay andro vitsivitsy izay, indray andro tao Kambodza raha mandehandeha manerana ny tafon'ity tranobe fonenana ity izahay mitady toerana holokoina no nahatsikaritra ity zavatra tsy fahita ity dia vehivavy iray nanana tsihy eo ivelan'ny tafo tanimanga vakivaky sy lasitra mainty miparitaka, teo am-panjairana lamba fitafy tena sarotra indrindra eo akaikin'ny antontan-tanimanga nolokoina toy ny #batman izy, niresaka taminy izahay ary navelany nandoko ny ivelan'ny trano fonenany, novidiako ho an'ny reniko ilay lamba fitafy, heveriko fa olona 2 sisa no manao izany karazana asa tanana fanjairana izany ao #phnompenh, mampiasa lakaoly mafana ny rehetra ambiny, na izany aza, efa antitra ny tranobe ary tsy mbola nohavaozina nanomboka ny taona 1950, ka nanatontosa ity sarim-behivavy nanjaitra ilay lamba fitafy ity i @mac_arte, teo amin'ny sisin'ny trano fonenany ka afaka mahita izany isan'andro izy sy ny hafa rehetra, manaja ny asa tanany sy manome voninahitra ny asa mafy ataony izahay

Iray amin'ireo mpiasa ara-kolontsaina monina ao amin'ny tranobe i Moeun Thary, mpanjaitra an-tanana ny akanjo nentim-paharazana Khmer. Nisafidy an'i Moeun Thary i El Mac ho lohahevitra amin'ny hosodokony ho fanomezam-boninahitra ny zavatra ataon'ity vehivavy ity izay miaro sy mampiroborobo ny kolontsaina Khmer nentim-paharazana.

Jereo ny hatsarany…

Indrisy, nanome baiko avy hatrany ny hanaisorana ny hosodoko ny lapan'ny tanàna satria voalaza fa nanomboka nandoko ny rindrina i El Mac sy ny ekipany raha mbola teo am-pandinihana ny fangatahan'izy ireo hanatontosa izany. Nilaza ihany koa ny mpitondra ny sampan-draharaha ao an-toerana fa tsy nahazo fankatoavana ny fangatahana satria tsy vita tao anatin'ny fomban-drazana Khmer ny hosodoko no sady tsy fantatra tsara ihany koa ny foto-kevitra (Moeun Thary). Nanoro hevitra ny mpanakanto ny manampahefana mba hampiseho ny maherifo Khmer ho solon'izany.

Nosoloin'ny kaominina tamin'ny rakotra mikorontana ny hosodokon'ilay mpanakanto malaza iraisampirenena

Ary fantatra fa toa “nanafotsy” ireo tetikasa ara-java-kanto hafa ihany koa ny Lapan'ny tanàna:

Kanto an-dalambe tao amin'ny Lalana 830 no nofafan'ny mpanakanto nankatoavin'ny governemanta ao Kambodza.

Nahatezitra ny maro nankasitraka ny asan'i El Mac ny fanafotsiana ilay hosodoko. Na ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao, Khieu Kanharith aza mba nandrisika ny governemanta ao an-toerana mba hidera ilay mpanakanto fa tsy hanaisotra ny hosodokony

Naneho hevitra ny maro tamin'ny mpiserasera aterineto fa feno takela-dokambarotra lehibe momba ny zava-pisotro misy alikaola ao Phnom Penh kanefa tsy nesorin'ny governemanta ao an-toerana ireo. Ny sasany aza nilaza mihitsy fa tokony nanisy sarina labiera tao amin'ny hosodoko i El Mac mba tsy ho fafan'ny manam-pahefana izany.

Tao amin'ny Facebook, nosokajian'ny Graffiti Cambodia ho fanafihana ny zavakantom-bahoaka ny fihetsiky ny governemanta:

The Cambodian government is sending a clear message that public art will not be tolerated. Either that or they just spat out their dummy in the most fastidious way possible.

Mandefa hafatra mazava ny governemanta Kambojiana fa tsy ho leferina ny zavakanto-bahoaka. Na izany na rorain'izy ireo fotsiny amin'ny fomba mahatrotraka indrindra azo atao ny sarin'olon'izy ireo (mpanakanto).

Mandritra izany fotoana izany, hafa ny hevitr'ilay mpikarakara ny Fetiben'ny Kanto Andrenivohitra Kambodijiana, Theo Vallier:

…on one hand, I don’t approve of what City Hall did because it’s art and everything, but on the other hand, they didn’t have the authorizations. I’ve been in Cambodia long enough to understand the rules here, and we are really trying to play by the rules here.

…Amin'ny lafiny iray, tsy mankasitraka ny zavatra nataon'ny Lapan'ny tanàna aho satria zavakanto sy zava-drehetra io, saingy amin'ny lafiny iray hafa, tsy nahazo fahazoan-dàlana izy ireo. Efa ela ihany aho no tao Kambodza ary mahafantatra tsara ny fitsipika eto, ary tena miezaka manaja ny fitsipika isika eto.

Na dia tsy eo intsony aza ny hosodoko, velona ao amin'ny YouTube izy:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.