Naka endrika hamehana tao Aostralia ny #WhiteRibbonDay [2], (Andron'ny fehilamba fotsy) izay manamarika ny Andro Iraisam-pirenena mikasika ny Fanafoanana ny herisetra Atao Amin'ny Vehivavy, no nitroatra tampoka tamin'ny 25 Novambra 2015 teo.
Tao anatin'ny lahatsorany Men's Business (Raharahan-dehilahy) [3] ho an'ny tambajotranà media tsy miankina Aostraliana iray, nizara ny sasany tamin'ireo antontanisa sasantsasany manaitra i Richard O'Brien:
> Vehivavy 76 no maty vokatry ny herisetra tao antokantrano tamin'ity taona ity, 1,6 maty isan-kerinandro
> Tao antokantrano avokoa ny eo amin'ny roa ampaha-telon'ny herisetra ara-batana nanjo ny vehivavy
> Iray amin'ny vehivavy telo no niharan'ny herisetra ara-batana manomboka tamin'ny faha-15 taonany
> Iray amin'ny vehivavy dimy no niharan'ny herisetra ara-nofo nanomboka ny faha-15 taonany
> Iray amin'ny vehivavy valo no voaolana talohan'ny faha-15 taonany
Rosie Batty, Aostraliana olo-malazan'ny taona [4] no atidoha nikotrika ny fanentanana io fisarihantsaina ho amin'ny herisetra antokantrano io. Nanao fanentanana tsy niato izy nanomboka hatramin'ny famonoana nataon'ny rainy an'i Luke, zanany lahy 11 taona, tamin'ny volana Febroary 2014. Nanangana ny Luke Batty Foundation [5] izy manana tanjona “hanangona vola mba hanampiana ireo vehivavy sy ankizy niharan'ny ratram-po vokatry ny herisetra tao amin'ny fianakaviana”.
Te-hilaza amin'ny rehetra aho fa mihatra amin'ny rehetra ny herisetra atao amin'ny fianakaviana. Tsy misy hidiran'ny hatsaran'ny tranonao, ny faharanitan'ny sainao izany. Mitranga amin'ny olona rehetra io.
Iray amin'ireo fikambanana miasa mavitrika amin'ny fitondràna fiovàna ny Fair Agenda. Natosika [6] io ho “famatsiambola feno ho an'ireo asa mikasika ny herisetra ao anatin'ny fianakaviana”. Nahazo ny loka ho an'ny tambajotra sosialy Care2 [7]‘s Impact Award 2015 noho ny fanentanany hoe “Ny fomba hatao amin'izany”, ny Fair Agenda:
Ny fanentanana “Ny fomba hatao amin'izany” an'ny Fair Agenda dia nanentana ireo olona manodidina momba ny zava-misy marina hoe mtodi-damosina ireo sampan-draharaha voalohany misahana ny herisetra anatin'ny fianakaviana momba ny fandosiran'ireo vehivavy an'arivony ny herisetra ao anatin'ny fianakaviana satria tsy ampy famatsiam-bola ireny sehatr'asa ireny.
Nahomby tsara mihitsy ireo media vaovao tamin'ny fanairana ny fon'ireo media tranainy momba ilay olana. Nasongadina tao anatin'ny ampaham-pandaharana Waleed Aly tao amin'ny fahitalavitra, ny Fair Agenda “Asehoy Ahy Ny Vola”, teo amin'ny The Project (Ny Tetikasa) an'ny fantsona 10, fandaharam-baovao mandha amin'ny alina amin'izao fotoana izao. Lahatsary [8] tamin'io singany io ihany ny volana May 2015 no nahazoana mpijery 700.000 sy fanehoankevitra 1.000 tao amin'ny pejy Facebook-n'ny The Project. Betsaka ihany koa ny valintenin'ny Twitter.
Over 400 ppl turned away from homelessness services every day, many are escaping violence @theprojecttv [9] http://t.co/BvW9jPrKD5 [10]
— Equality Rights (@eraaustralia) May 12, 2015 [11]
Maherin'ny 400 isan'andro ireo olona nitodi-damosina tamin'ireo sehatr'asa misahana ny tsimanan-kialofana, maro ireo nandositra ny herisetra. @theprojecttv [9]
Ny Fair Agenda no mpandresy malaza tamin'ireo mpandray anjara tamin'ny #FWD2015 Digital Campaigners conference [12] rehefa natao ny fanambaràna:
@FairAgenda [13] well deserved award for an amazing campaign and movement! #fwd2015 [14] definitely a crowd favourite. pic.twitter.com/lNCPfcdSmi [15]
— Brian Fernandes (@BrianFern_) November 20, 2015 [16]
@FairAgenda [13] mendri-pankasitrahana tsara noho ilay fanentanana sy hetsika mahatalanjona! #fwd2015 tena ankamamian'ny maro. pic.twitter.com/lNCPfcdSmi [15]
Nampiseho andiany roa miavaka tsara ny ABC (Australian Broadcasting Corporation), Hitting Home, mba hampifanojo tamin'ny Andron'ny Fehilamba Fotsy. Nilomano tao anatin'ireo fandaharana mikasika ny rariny sy fahasalamana ny mpanao gazety, Sarah Ferguson (@FergusonNews), niditra lalina tany amin'ny fialofana iray ho an'ireo vehivavy, sy niady tamin'ireo lehilahy nahavanona izany any am-ponja. Nahitàna fivoizana henjana ny tenifototra #HittingHome [17]:
These Australian women all died this year https://t.co/JfublvegX8 [18] #NeverAlone [19] #HittingHome [20]
— Rod McGuinness (@rod3000) November 24, 2015 [21]
Maty tamin'ity taona ity ireto vehivavy Aostraliana rehetra ireto #HittingHome [20]
Tahaka izany dia nisy fandaharana adihevitra iray #QandA [22], nandritra ny fandraisana vahiny manokana izay nanaraka ny fizaràna faha-2:
Domestic Violence. N A T I O N A L E M E R G E N C Y We need to do more! #HittingHome [20] #QandA [23]
— Mariam Veiszadeh (@MariamVeiszadeh) November 25, 2015 [24]
Herisetra Antokantrano. V O N J Y M A I K A H O A N ‘N Y F I R E N E N A Mila manao bebe kokoa isika! #HittingHome [20] #QandA [23]
Easy answer young man. Don't. Hit. Women. #HittingHome [20] #QandA [23]
— sunny (@sunnypuggy) November 25, 2015 [25]
Valinteny tsotra ry tovolahy. Aza. Midarika. Vehivavy #HittingHome [20] #QandA [23]
#QandA [23] #HittingHome [20] To break the cycle we also need to break the cycle of how we talk about, fund and act on DV socially and politically
— Red Ruby Scarlet (@RedRubyS1) November 25, 2015 [26]
#QandA [23] #HittingHome [20] Handravàna ilay kiboribory dia ilaintsika koa ny mandrava ny kiboriborin'ny fomba firesahantsika, famatsiantsika vola ary ny fiasantsika ara-tsosialy sy ara-politika miady amin'ny DV (Herisetra an-Tokantrano)
Nahakasika ny tanjona tokana, izay impoitra vao haingana manodidina ny filàna maika ny ady amin'ny herisetra antokantrano, ireo bitsika ireo:
Side note: how refreshing is it to have politicians speaking passionately and not bickering on #qanda [27]? #Hittinghome [28]
— Dr. Stuart Richards (@stueyjrichards) November 25, 2015 [29]
Fanamarihana anjorony: mamelombelona toy inon moa ny fanànana mpanao politika liana amin'ny firesahana fa tsy
Police are now great allies battling DV and this is great example of deep cultural change. There is hope! #QandA [23] #HittingHome [20]
— Julie McCrossin (@JulieMcCrossin) November 25, 2015 [30]
Miray hina ankehitriny ireo mpitandro filaminana hiady amin'ny DV ary misy ohatra azo tsapain-tanana koa mikasika ny fanovàna lalina ny ara-kolotsaina. Misy fanantenana! #QandA [23] #HittingHom [20]
Maro ireo manantena fa ho tafavoaka ny marimaritra iraisana mikasika ny fanomezana fotoam-piatoana any amin'ireo toeram-piasana noho ny herisetra antokantrano :
Domestic violence utterly unacceptable: PM https://t.co/DWw60aVvfJ [31]
— Raza Montes (@RazaMontes) November 25, 2015 [32]
Herisetra an-tokantrano tena tsy azo ekena: PM https://t.co/DWw60aVvfJ [31]
Mandritra izany fotoana izany, nahavita ireo fakàna ambavany nataony ary tokony hitatitra ireo sosokeviny ho an'ny ny asa hatao amin'ny fiandohan'ny taona 2016, ny Royal Commission into Family Violence [33] – Vaomieram-panjakana mikasika ny Herisetra atao amin'ny Fianakaviana. Ny fanentanana naterak'i Rosie Batty no fanalahidy iray amin'ireo tosika ao ambadiky ny fananganana io fitakiana io. Efa nanana tombontsoa tsy fahita firy mikasika ny fiatrehana ireo tranon'ny parlemanta roa tonta ao Victoria izy:
Getting ready to address both houses of @VicParliament [34] You can watch here at 10.30am https://t.co/FNgjGbXkwZ [35]
— Rosie Batty (@RosieBatty1) November 25, 2015 [36]
Fiomanana sahady hiatrika ireo trano roan'ny @VicParliament, [34] Ho hitanao eto amin'ny 10ora 30 minitra maraina
Nisy fiantraikany marimarina tamin'ilay parlemantera Frank McGuire, ny resany:
Rosie Batty likens family violence to terrorism. We need honest look at attitudes and culture. As individuals we must change our attitudes.
— Frank McGuire (@Frank_McGuire) November 26, 2015 [37]
Mampitaha ny herisetra amin'ny fampihorohoroana i Rosie Batty. Mila jerentsika tsy asiana fiangarana ireo fomba sy kolontsaina. Amin'ny maha-isika tsirairay, tsy maintsy manova ireo fombantsika isika
Farany, nanana fampahatsiahivana tonga dia azo ampiharina ho an'ireo mpamolavola lalàna sy governemantantsika i Emeline Gaske:
More than needing sympathy, those experiencing family violence need well funded services, decent housing, strong social welfare #HittingHome [20]
— Emeline Gaske (@emelinegaske) November 24, 2015 [38]
Mihoatra lavitra noho ny filàna fitsetserana fotsiny, ireo miaina ny herisetra anatin'ny fianakaviana dia mila sampan-draharaha voavatsy vola tsara, fonenana mendrika, fiahiana ara-tsosialy matanjaka #HittingHome [20]