Andron'ny Fehilamba Fotsy 2015: Firaisankina Aostraliana Hiadiana Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Fianakaviana

Rosie Batty - Australian of the Year 2015

Rosie Batty, Aostralian'ny Taona 2015 – Sary natolotr'i Michael Coghlan, mpampiasa Flickr (CC BY-SA 2.0)

Naka endrika hamehana tao Aostralia ny #WhiteRibbonDay, (Andron'ny fehilamba fotsy) izay manamarika ny Andro Iraisam-pirenena mikasika ny Fanafoanana ny herisetra Atao Amin'ny Vehivavy, no nitroatra tampoka tamin'ny 25 Novambra 2015 teo.

Tao anatin'ny lahatsorany Men's Business (Raharahan-dehilahy) ho an'ny tambajotranà media tsy miankina Aostraliana iray, nizara ny sasany tamin'ireo antontanisa sasantsasany manaitra i Richard O'Brien:

> Vehivavy 76 no maty vokatry ny herisetra tao antokantrano tamin'ity taona ity, 1,6 maty isan-kerinandro
> Tao antokantrano avokoa ny eo amin'ny roa ampaha-telon'ny herisetra ara-batana nanjo ny vehivavy
> Iray amin'ny vehivavy telo no niharan'ny herisetra ara-batana manomboka tamin'ny faha-15 taonany
> Iray amin'ny vehivavy dimy no niharan'ny herisetra ara-nofo nanomboka ny faha-15 taonany
> Iray amin'ny vehivavy valo no voaolana talohan'ny faha-15 taonany

Rosie Batty, Aostraliana olo-malazan'ny taona no atidoha nikotrika ny fanentanana io fisarihantsaina ho amin'ny herisetra antokantrano io. Nanao fanentanana tsy niato izy nanomboka hatramin'ny famonoana nataon'ny rainy an'i Luke, zanany lahy 11 taona, tamin'ny volana Febroary 2014. Nanangana ny Luke Batty Foundation izy manana tanjona “hanangona vola mba hanampiana ireo vehivavy sy ankizy niharan'ny ratram-po vokatry ny herisetra tao amin'ny fianakaviana”.

Te-hilaza amin'ny rehetra aho fa mihatra amin'ny rehetra ny herisetra atao amin'ny fianakaviana. Tsy misy hidiran'ny hatsaran'ny tranonao, ny faharanitan'ny sainao izany. Mitranga amin'ny olona rehetra io.

Iray amin'ireo fikambanana miasa mavitrika amin'ny fitondràna fiovàna ny Fair Agenda. Natosika  io ho “famatsiambola feno ho an'ireo asa mikasika ny herisetra ao anatin'ny fianakaviana”. Nahazo ny loka ho an'ny tambajotra sosialy Care2‘s Impact Award 2015 noho ny fanentanany hoe  “Ny fomba hatao amin'izany”, ny Fair Agenda:

Ny fanentanana “Ny fomba hatao amin'izany”  an'ny Fair Agenda dia nanentana ireo olona manodidina momba ny zava-misy marina hoe mtodi-damosina ireo sampan-draharaha voalohany misahana ny herisetra anatin'ny fianakaviana momba ny fandosiran'ireo vehivavy an'arivony ny herisetra ao anatin'ny fianakaviana satria tsy ampy famatsiam-bola ireny sehatr'asa ireny.

Nahomby tsara mihitsy ireo media vaovao tamin'ny fanairana ny fon'ireo media tranainy momba ilay olana. Nasongadina tao anatin'ny ampaham-pandaharana Waleed Aly tao amin'ny fahitalavitra, ny Fair Agenda “Asehoy Ahy Ny Vola”, teo amin'ny The Project (Ny Tetikasa) an'ny fantsona 10, fandaharam-baovao mandha amin'ny alina amin'izao fotoana izao. Lahatsary tamin'io singany io ihany ny volana May 2015 no nahazoana mpijery 700.000 sy fanehoankevitra 1.000 tao amin'ny pejy Facebook-n'ny The Project. Betsaka ihany koa ny valintenin'ny Twitter.

Maherin'ny 400 isan'andro ireo olona nitodi-damosina tamin'ireo sehatr'asa misahana ny tsimanan-kialofana, maro ireo nandositra ny herisetra. @theprojecttv

Ny Fair Agenda no mpandresy malaza tamin'ireo mpandray anjara tamin'ny #FWD2015 Digital Campaigners conference rehefa natao ny fanambaràna:

@FairAgenda mendri-pankasitrahana tsara noho ilay fanentanana sy hetsika mahatalanjona! #fwd2015 tena ankamamian'ny maro. pic.twitter.com/lNCPfcdSmi

Nampiseho andiany roa miavaka tsara ny ABC (Australian Broadcasting Corporation), Hitting Home, mba hampifanojo tamin'ny Andron'ny Fehilamba Fotsy. Nilomano tao anatin'ireo fandaharana mikasika ny rariny sy fahasalamana ny mpanao gazety, Sarah Ferguson (@FergusonNews), niditra lalina tany amin'ny fialofana iray ho an'ireo vehivavy, sy niady tamin'ireo lehilahy nahavanona izany any am-ponja. Nahitàna fivoizana henjana ny tenifototra #HittingHome:

Maty tamin'ity taona ity ireto vehivavy Aostraliana rehetra ireto  #HittingHome

Tahaka izany dia nisy fandaharana adihevitra iray #QandA, nandritra ny fandraisana vahiny manokana izay nanaraka ny fizaràna faha-2:

Herisetra Antokantrano. V O N J Y  M A I K A  H O  A N ‘N Y F I R E N E N A  Mila manao bebe kokoa isika! #HittingHome #QandA

Valinteny tsotra ry tovolahy. Aza. Midarika. Vehivavy #HittingHome #QandA

#QandA #HittingHome Handravàna ilay kiboribory dia ilaintsika koa ny mandrava ny kiboriborin'ny fomba firesahantsika, famatsiantsika vola ary ny fiasantsika ara-tsosialy sy ara-politika miady amin'ny DV (Herisetra an-Tokantrano)

Nahakasika ny tanjona tokana, izay impoitra vao haingana manodidina ny filàna maika ny ady amin'ny herisetra antokantrano, ireo bitsika ireo:

Fanamarihana anjorony: mamelombelona toy inon moa ny  fanànana mpanao politika liana amin'ny firesahana fa tsy

 Miray hina ankehitriny ireo mpitandro filaminana hiady amin'ny DV ary misy ohatra azo tsapain-tanana koa mikasika ny fanovàna lalina ny ara-kolotsaina. Misy fanantenana! #QandA #HittingHom

Maro ireo manantena fa ho tafavoaka ny marimaritra iraisana mikasika ny fanomezana fotoam-piatoana any amin'ireo toeram-piasana noho ny herisetra antokantrano :

Herisetra an-tokantrano tena tsy azo ekena: PM https://t.co/DWw60aVvfJ

Mandritra izany fotoana izany, nahavita ireo fakàna ambavany nataony ary tokony hitatitra ireo sosokeviny ho an'ny ny asa hatao amin'ny fiandohan'ny taona 2016, ny Royal Commission into Family Violence – Vaomieram-panjakana mikasika ny Herisetra atao amin'ny Fianakaviana. Ny fanentanana naterak'i Rosie Batty no fanalahidy iray amin'ireo tosika ao ambadiky ny fananganana io fitakiana io. Efa nanana tombontsoa tsy fahita firy mikasika ny fiatrehana ireo tranon'ny parlemanta roa tonta ao Victoria izy:

Fiomanana sahady hiatrika ireo trano roan'ny  @VicParliament, Ho hitanao eto amin'ny 10ora 30 minitra maraina

Nisy fiantraikany marimarina tamin'ilay parlemantera Frank McGuire, ny resany:

Mampitaha ny herisetra amin'ny fampihorohoroana i Rosie Batty. Mila jerentsika tsy asiana fiangarana ireo fomba sy kolontsaina. Amin'ny maha-isika tsirairay, tsy maintsy manova ireo fombantsika isika

Farany, nanana fampahatsiahivana tonga dia azo ampiharina ho an'ireo mpamolavola lalàna sy governemantantsika i Emeline Gaske:

Mihoatra lavitra noho ny filàna fitsetserana fotsiny, ireo miaina ny herisetra anatin'ny fianakaviana dia mila sampan-draharaha voavatsy vola tsara, fonenana mendrika, fiahiana ara-tsosialy matanjaka #HittingHome

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.