Krismasy ao Japan? Mivonòna amin'ny hazo mihazakazaka, jiro mahajambena ary ny akoho mendy

Tokyo running Christmas Tree

Ny hazo krismasy mihazakazaka ao Tokyo. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube ofisialy an'i Joseph Tame .

Iray amin'ny sary namboarina malaza indrindra ao Japan tao anatin'ny volana izay ny sary sy ny lahatsarin'i Joseph Tame mihodidina an'i Tokyo ao anatin'ny “Hazo krismasy azo itafiana.”

Na dia tsy avy ao Japan aza i Tame, dia manako ao amin'ny firenena iray mandray ny krismasy amin'ny fombany manokana tsy manampaharoa ny zavabitany sady mivoy no misy mozika.

Mikarakara ny hazo krismasy azo itafiana hatao amin'ny zaha-mahatalanjon'i Tokyo amin'ny krismasy

Ho an'ny vahoaka japoney maro an'isa ny volana desambdra dia manamarika ny fanombohan'ny “fahazavana“, izay mirehitra (jiro) avokoa ny toeram-bahoaka rehetra manerana an'i Japan. Matetika no maka ny ivon'ny toerana ny hazo krismasy.

Ohatra lavorary indrindra amin'izany fanazavana izany ity seho ao Shiodome ao Tokyo ity.

Ny fahazavana amin'ity taona ity… Miaraka amin'ny mozika ireo jiro ary tena mahafinaritra tokoa izany! Tsara vintana tokoa izahay eo aloha indrindra manatrika ny seho iray manontoloa.

malaza amin'ny fahazavana amin'ny volana desambra ihany koa ny tanànan'i Kobe any Japan andrefana, ary antsoina hoe Kobe Luminarie izany. nanomboka ity fomba ity 11 volana taorian'ny Horohorontany tao Hanshin tamin'ny 1995 manarina fanahim-pisandratana rehefa simba tamin'ny fomba virtoaly [a-nofinofy] i Kobe.

25 Desambra 2015: Mirary Christmas ho an'ny rehetra! #kobeluminarie

Na aiza na aiza toeran-kafa ao amin'ny faritr'i Hanshin, Japan, izay tsy afa-manao izany ao Kobe dia manatri-maso ny zava-mahagagan'ny krismasy any aminy :

Tsy afa-nankany Kobe hijery ny jiro aho, fa na izany aza dia nahita ny hazo krismasin'ny Universal Studios Japan [ao Osaka, izay mifanila amin'i ]. Tsy nitaingina kodiaran-droa na telo na efatra na maro aho fa nahafinaritra e! (⌒▽⌒) Niezaka nanao mofomamin-kitain'ny noely aho… ary tsara dia tsara ny tsirony! Hanao iray hafa indray aho. Ary tahaka izany no handaniako ny takarivan'ny Noely (tpt).

Mazava loatra fa mihoatra noho ny firentirentin'ny jiro ny andron'ny noely ao Japan. Alina malaza ho an'olon-dro miaraka, amin'ny akoho masaka ary ny deseran'ny mofomamy krismasy tsy maintsy atao anisan'ny sakafo ihany koa ny takarivan'ny noely.

Tamin'ity taona ity aho nandany ny takarivan'ny krismasiko tao Shiodome, ao amin'ny BiCE Tokyo. Tena tsara tokoa ny sakafo, ary afa-nijery ny Hazo Krismasin'i Tokyo izahay nandritra ny fisakafoanana… iny no tena tsara indrindra!

Saika mirentirenty jiro avokoa ny kihon-dalan'i Tokyo. Ity misy zoro fijerena avy amin'i Roppongi, ao “mid-town”, na afovoan'i Tokyo.

#roppongimidtown #luminarie #ミッドタウン #ルミナリエ #夜景

A photo posted by KyungHun Lee (@leekh929) on

#roppongimidtown #luminarie #midtown #nightscene

Manana anjara toerana lehibe amin'ny fankalazana krismasy ao Japan ny mofomamy. Indreto misy mofomamy manana tsiro “mafilotra” hita ao amin'ny toeram-pivarotana Pierre Hermes ao Matsuya Ginza, iray amin'ny tsenambarotra avo karazana sy malaza indrindra ao Japan.

#pierreherme #tokyo #matsuyaginza #ginza #shibatachie #merrychristmaseve #シバタチエ #銀座 #松屋銀座

A photo posted by shibatachie (@mrs.diamond_chie) on

Ary mazava loatra fa tsy feno ny filazana ny krismasy ao Japan raha vao tsy lazaina ny Kentucky Fried Chicken:

Mirary krismasy avy aty antsisin-tanàna e! Eo ivelan'ny trano aty Futako ahitanay dadabenoely manoloana ny fidirana mankao amin'ny Kentucky Fried Chicken!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.