- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voarara ao Brunei tokoa ve ny krismasy?

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika
A propaganda mural showing off the many skills and talents of the Sultan of Brunei. Image and caption from the Flickr page of  watchsmart (CC License) [1]

Propagandy an-drindrina mampidera ny fahaizana sy talenta maro ananan'ny Soltànan'i Brunei. Sary avy amin'ny pejy Flickr an'i watchsmart (CC License)

Voatatitra am-baovao manerantany ny fandraràn'ny fitondram-panjakan'i Brunei ny krismasy tamin'ity taona ity. Marina ve ireny tatitra ireny? Izany hoe, eny sy tsia.

Voalohany, raharaha efa ela izany. Tamin'ny herintaona i Brunei no firenena voalohany ao Azia Atsinanana nametraka [2]ny Sharia, na ny lalàna Islamika, eo amin'ny sehatra nasionaly. Ho fanarahana ny lalàna, dia namoaka tondro arahina amin'ny fomba fanatanterahana ny krismasy ampahibemaso ny minisiteran'ny raharaham-pivavahana.

Raha mety ho tafintohina amin'ny fandrenesam-baovao ‘fandrarana’ ny krismasy ao amin'ny firenena ny olona ivelan'i Brunei, saingy ho an'ny ankamaroan'ny mpiserasera ao Brunei, ny tena mahagaga dia ny fahataran'ny fanehoan-kevitry ny fampitam-baovao tandrefana.

Fa maninona no izao vao mahatratra ny fampitam-baovao tandrefana ny lazaina ho ‘fandrarana’ ny krismasy?

Raha ‘nandrara’ ny krismasy i Brunei, dia nahoana no mbola fety manerana ny firenena izy io?

Miozolomana no maro an'isa ao Brunei. Firenena kely anjakàn'ny ‘sultan’ iray mitazona tanteraka sy manontolo [6] ny fahefana ara-politika.

Ny olana faharoa mila azavaina dia tsy mampihatra fandrarana manontolo ny fetin'ny krismasy i Brunei. Mbola afa-mankalaza ny krismasy any an-tranony, ao amin'ny fikambanana ary ny toeram-pivavahana ireo tsy miozolomana sy ny vahiny. Mivohitra [7] ao amin'ny fanambarana an-gazety nataon'ny Minisiteran'ny raharaham-pivavahana nivoaka tamin'ny herintaona izany:

…believers of other religions that live under the rule of an Islamic country – according to Islam – may practice their religion or celebrate their religious festivities among their community, with the condition that the celebrations are not disclosed or displayed publicly to Muslims.

The measures taken by the Religious Enforcement Division of the Syariah Affairs Department does not ban Christians from celebrating Christmas at their places of worship, within their community and in their homes.

… ny mpino avy amin'ny fivavahana hafa izay miaina eo ambany fahefan'ny firenena islamika dia afa-manatontosa ny fivavahany na mankalaza ny fetim-pivavahany miaraka amin'ny fikambanana misy azy, fa arahan'ny fepetra fa tsy aseho na atao ho hitan'ny miozolomana ampahibemaso izany.

Ny fepetra raisin'ny sampan-draharahan'ny raharaha Syariah mpampihatra ny raharaham-pivavahana dia tsy mandrara ny kristianina hankalaza ny krismasy any amin'ny toeram-pivavahany, ao amin'ny fikambanan-dry zareo ary any an-tranony.

Saingy efa diso lalana na lany andro ny lohateny miresaka fandrarana ny krismasy, tsy afa-miteny na inona na inona amin'ny singa sasany amin'ny fitsipika ara-pivavahana izy io. Ohatra, ny torolalana dia tsy manameloka ny fiakanjoana fitafiana mitovy amin'ny dadabe noely :

…in conjunction with Christmas celebrations, Muslim children, teenagers and adults can be seen wearing hats or clothes that resemble Santa Claus. Actions such as these can amount to an offence under Section 207 (1) of the Syariah Penal Code Order, 2013.

… mifanojoa amin'ny fankalazana ny krismasy dia afa-mitafy satroka na akanjo mitovy amin'ny dadabe noely ny ankizy sy ny tanora miozolomana. Ny fihetsika tahaka izany dia mety hanitsakitsaka ny fizarana faha-207 amin'ny Laànan'ny Misahana ny Heloka Bevava amin'ny Syariah, 2013.

Mety hiafara any am-ponja hatramin'ny dimy taona ny olona iray tratra manitsakitsaka io lalàna io.

Tamin'ny fanombohan'ity volana ity ny imam na ny miozolomana mpitondra fivavahana sasany, nanitrikitrika [8] ny fampitandremana fa mety hanimba ny Islam ny fankalazana ny Krismasy :

During Christmas celebrations, Muslims following that religion’s acts – such as using their religious symbols like cross, lighting candles, making Christmas trees and singing religious songs, sending Christmas greetings, using signs praising the religion, putting up decorations or creating sounds and doing anything that amounts to respecting their religion – are against Islamic faith.

Mandritra ny fankalazana ny krismasy, ny miozolomana manaraka ny fihetsika ara-pivavahana – toy ny fampiasana ireo marika ara-pivavahan'izy ireo tahaka ny hazo fijaliana, manao hazo krismasy sy ny fihirana ny hiram-pivavahana, ny fandefasana fiarahabana krismasy, ny fandefasana marika midera ny fivavahana, ny fametrahana temitra na famoronana feo na ny fanaovan-javatra izay mankany amin'ny fanajana ny fivavahan-dry zareo – dia manohitra ny finoana islamika.

Ny vaovaon'ny fandrarana krismasy ao Brunei dia nampisy aingam-panahy avy amin'ny mpiserasera maro manerana izao tontolo izao haneho firaisankina amin'ny alalan'ny diezy #MyTreedom [9]. Ny torolalana ihany koa dia mandrara ny fametrahana hazo krismasy amin'ny toeram-bahoaka.

Nahatsiaro ny fandraran'ny Sultanan'i Brunei ampahibemaso ny fankalazana ny krismasy?

Nampanahy [15] ireo vondrona maro mpandala ny zon'olombelona ny fanapahan-kevitr'i Brunei handray sy hampihatra manontolo ny fampihana ny lalàna Sharia tamin'ny herintaona, izay manasongadina ny fitoraham-bato ho faty noho ny fijangajangana, fanapahan-drantsana noho ny halatra, ary ny fikapohana (an-karavasy) amin'ny fandikan-dalàna tahaka ny fanalàna zaza, fisotroana toaka ary ny fiarahan'ny olona mitovy taovam-pananahana.

Tamin'ny famaliana ny tsikera dia nandrisika ny firaisamonina iraisampirenena i Datin Hjh Hayati Lehiben'ny Fampanoavan'i Brunei handalina [16] ny lafy tsarany misongadina ao amin'ny lalàna:

Instead of focusing on the punishment, we should focus on the evidential process which is extremely difficult and stringent under the syariah criminal law. The punishment acts as a tool and is not the aim of the Syariah criminal law.

Raha ilaozana mifantoka amin'ny fanasaziana dia tokony hifantoka amin'ny paika miharihary izay sarotra dia sarotra sy henjana ao amin'ny lalàna misahana ny heloka bevava amin'ny syarih isika. Ny fanasaziana dia fitaovana fa tsy tanjoa ao amin'ny lalànan-keloka bevava ao amin'ny Syariah.

Fehiny, na ny ankizy maditra na ny ankizy hendry dia afa-manohy mankalaza krismasy ao Brunei, saingy tokony hanamarina tsara ry zareo fa tsy tokony ho hita ampahibemaso ny kira krismasy, karatra krismasy ary ny hazo krismasy.