Ny Hehy Lehibe Amin'ny Fandrahonana Ataon'ny ISIS Amin'i Meksika

Captura de pantalla del video donde Daesh amenaza a 60 paises, entre ellos México

Pikantsarin'ny lahatsary ahitàna ny ISIS mandrahona fiirenena 60, anisan'izany i Meksika. YouTube.

Araka ny lahatsary avy amin'ny vondrona mahery fihetsika ISIS (fantatra koa amin'ny anarana hoe Daesh_na ISIL), anisan'ireo firenena 60 izay heverina ho toy ny fahavalony i Meksika, ka noho izany dia mety ho lasibatra amin'ny fanafihana ho avy.

Lavitry ny fanehoana tahotra, nofenoin'ny Meksikana mpampiasa media sosialy hatsikana maneso sy tantara maizina mampihomehy ny aterineto mikasika ny fandrahonana miseho lany, naneso ny ISIS, ny fombany mahery setra, ary ny lazaina ho fiomanana ilaina hiatrehana ady amin'ny jihadista any Syria sy Iràka. Amin'ny firesahana momba ny seho sarin'ny kolontsaina pop Meksikana sy fiteny manevateva maro mahazatra ao an-toerana, vao haingana ny Twitter no nampiantrano tenifototra manana firehan-kevitra toy ny #ISISenMéxico (“ISIS any Meksika”) sy #SiEnMéxicoHubieraTerroristas (“Raha nisy mpampihorohoro tany Meksika”)).

Nangonin'ny Global Voices ny sasany tamin'ireo bitsika tena nanafintohina sy tena nalaza.

Ny amin'ny ISIS sy ny fisiany ao Meksika:

Raha nisy mpampihorohoro tany Meksika, tahaka ny hena baolina tsara tarehy ho an'ny tacos an'ny mpiandry ondry ny tsirairay amin'izy ireo

ISIS ao Meksika, OMG!!

Misy olona telo no efa voasambotra taorian'ny niantsonan'ny ISIS tao Meksika

Tao amin'ny lahatsary iray, maneso ny ISIS ” ireo Meksikana Jihadista ” amin'ny fihiràna hiran'ankizy.

Momba ny fahavononan'ny polisy sy ny miaramila hiady amin'ny fampihorohoroana, naneho fandraisana anjara mivantana sy an-kafetsena amin'ny ady ireo mpampiasa Twitter:

Tena vonona ho amin'ny ady…

ISIS ao Meksika. Mandehana ry tsy vanona, tsy ho fantatrareo akory hoe aiza no  hamelezan'ny akondro anareo!

Nanakatona ny sisintaniny i Meksika mba hiatrehana ny ISIS

ISIS ao Meksika ary mandritra izany fotoana izany ny tafikay

Vonona izahay LMAO

Ny hafa kosa nananihany fa mety ho sakana lehibe ho an'ny ISIS ny haavon'ny herisetra misy ao Meksika:

Raha nisy mpampihorohoro tao Meksika, mety ho nisy nangalarina ny baombany ary nalaina an-keriny izy ireo

Tamaulipas, Firenena iray famahàrana

*sary mahatsikaiky:

- ISIS ao Meksika

- Tonga soa eto Tamaulipas

- Ny eritreritra faharoa, nitarika anay handray làlana hafa

Ankehitriny misy sary mahatsikaiky manodidina ny fotokevitra hoe “Vonona izahay”:

Vonona amin'ny ISIS mitatao ireo miaramila sangany ao Meksika

Ny Meksikana tsirairay rehefa nahita ny momba ny ISIS ao Meksika

Tsy matahotra izahay

Fantatra amin'ny fanaovana fanamarihana tsy mahafantatra, noetritreretin'ny maro mpampiasa Twitter ho mety hampifangaro ny “ISIS” amin'ny fanafohezan-tenin'ny drafitry ny fahitalavitra an-tariby ny Filoha Enrique Peña Nieto:

- Andriamatoa Filoha, ahoana ny hevitrao momba ny ISIS any Meksika?

- Eny, manana fehezam-pandaharana tsara izy ireo, saingy aleoko sakafo

Ankoatra izany, nisafidy fomba matotra kokoa ny mpampiasa Twitter sasany, miresaka ny kolikoly ataon'ny mpanao politika sy ny ady amin'ny zava-mahadomelina ao amin'ny firenena, izay lazain'izy ireo fa mampiseho sahady ny fisian'ny fampihorohoroana any Meksika.

Raha nisy mpampihorohoro tao Meksika, hiaina anaty trano fotsy izy ireo, ary hamela an'i EL Chapo handositra

Raha nisy mpampihorohoro tao Meksika, hisy olona tapa-doha; nalaina an-keriny, novonoina, làlana voasakana, fitifirana ary 100.000 no maty ao anatin'ny 12 taona

Raha nisy mpampihorohoro tao Meksika. Tsia! Mangina ianareo! Azonareo sary an-tsaina ve ny olona tapa-doha, nendahina hoditra, ary nahantona teny amin'ny arabe? mmmm … ooops! Andraso iray minitra

Mety hanana hanana mpifaninana be loatra eto ny  ISIS aty Meksika. Mino aho fa tsy ho tafavoaka ry zareo.

*sary mahatsikaiky:

- Rahonan'ny Fanjakana Islamika ny fitambarana iray, anisan'izany i Meksika

- Misaotra anareo amin'ny fanampiana, fa hainay tsara ny miaro ny tenanay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.