Tantara tamin'ny 24 Desambra 2015
Voarara ao Brunei tokoa ve ny krismasy?
Eny sy tsia. Afa-mankalaza any an-tranony sy any amin'ny toeram-pivavahana ny tsy-miozolomana. Ary araka ny fanehoan-kevitry ny mpiserasera iray, "Nahoana no izay lazaina ho 'fandrarana' ny krismasy ihany no mahatratra ny fampitam-baovao tandrefana amin'izao fotoana izao?"
Ny Hehy Lehibe Amin'ny Fandrahonana Ataon'ny ISIS Amin'i Meksika
Lavitry ny fanehoana tahotra, nofenoin'ny Meksikana hatsikana maneso sy tantara maizina mampihomehy mikasika ny fandrahonana miseho lany ataon'ny ISIS ny aterineto
Teny Folo Fampiasa Andavanandro Amin'ny Teny Espaniola Sy Anglisy Avy Amin'ny Quechua
Heverina fa any amin'ireo firenena "Andin" ihany no itenenana ny quechua. Nefa, teny maro amin'io fiteny io no ampiasaina amin'ny castillan sy amin'ny fiteny hafa toy ny Anglisy.
Olontsotra tia manoratra gazety vao nahazo amboara nisy namono tao Idlib, Syria

Maty novonoin'olona misarontava tao avaratr'i Syria i Ahmad Mohamed Almossa, mpikambana iray ao amin'ny fiarahan'ny Syriana olon-tsotra tia manao gazety ao amin'ny "Raqqa is Being Slaughtered Silently" (RBSS), hoy ny fanambaran'ny vondrona tao amin'ny Twitter.
Fantaro ireo olona te-hanaisotra ireo lalàna manimba ny fahalalahana ao Rosia

Misy vondrona avo ara-pianarana sy manampahaizana rosiana iray nanangana vaomieram-bahoaka manao ho asa fototra ny famakafakana ny lalàna rosiana hamaritana hoe inona amin'ireo lalàna misy no mametra ny zo sy ny fahalalahan'ny Rosiana, ary manoro hoe inona ny lalàna tokony esorina.