- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ilay Nepaley Mpiaro Tigra Rotiky ny Tigra Ny Masony Ilany Ary Nahazo Ny Solomason'i DiCaprio

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Conservation hero Bhadai Tharu donning the sunglasses presented to him by Hollywood Star - Leonardo Di Caprio. Image courtesy Facebook page of the Tharu Community [1]

Maherifon'ny tontolo iainana Bhadai Tharu manao ny solomaso nampahafantarin'ilay mpilalao sarimihetsika Hollywood, Leonardo Di Caprio. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'ny fiarahamonina Tharu.

Malaza amin'ny tigra Bengal [2]ny valan-javaboaharim-pirenena Bardia, [3] valan-javaboahary midadasika indrindra ao amin'ny lemaka atsimo ao Nepal. Ny lalantsara Khata, [4]izay manome lalana malalaka ho an'ireo bibidia avy ao India mankao Nepal sy mifamadika amin'izany no mampifandray ny vala amin'ny Toeram-pitehirizam-biby Katerniaghat [4]ao atsimo-atsinanana ao India.

Mitàna andraikitra lehibe amin'ny fitantanana sy ny fiarovana ny lalantsara Ny Vaomieram-pandrindrana ny Alan'ny fiarahamonina Khata. Iray amin'ireo mpikambana mavitrika ao amin'ny komity i Bhadai Tharu, lehilahy nanolo-tena tanteraka hiaro ny tigra, ka na efa notafihan'ny tigra aza izy, tsy nanakana azy hanohy ny andraikiny manokana izany.

Bhadai Tharu, ilay Lehilahy Tigra…Izay efa niady tamin'ny tigra iray ary miady ho an'ny tigra ankehitriny… Maherifo noderain'i @LeoDiCaprio [6]

Rovitry ny tigra ny masony iray raha tao anatin'ny valan-javaboary izy nandritra ny kharkhadai [9]  tamin'ny 2004, fe-potoana maharitra telo andro rehefa omen'ny manampahefana alalana hiditra ao amin'ny vala ny mponina ao an-toerana mba hanapaka bozaka ho ampiasana mandritra ny taona. Mampiasa bozaka vao notapahana ny olona mba hanovana ny tafo bozak'izy ireo isan-taona, ary manao fefy koa hisorohana ireo biby tsy hiditra ao amin'ny sahan'izy ireo.

Mba handrakofana ny holatra goavana tamin'ny loza mampalahelo, manao solomaso miaro amin'ny masoandro foana izy. Saingy tsy solomaso taloha fotsiny izany: fa natolotr’ [10]ilay mpilalao sarimihetsika Amerikana Leonardo DiCaprio [11].

Maherifon'ny fiarovana, Bhadai Tharu manao ny solomaso fanomezana avy amin'ilay mpilalao ny horonatsary Titanic, Leonardo DiCaprio

Raha nitsidika an'i Nepal tamin'ny volana Mey 2010 [10]i DiCarpio, nanolotra ny solomasony miaro amin'ny masoandro nanaovany ho an'i Tharu [14]izy rehefa nahita ny fahavononan'ity lehilahy ity amin'ny fiarovana ny tigra. Niaraka nandany fotoana maharitraritra izy mirahalahy avy eo.

“Manan-jo tanteraka ny bibidia ao anaty ala” Fantaro i Bhadai Tharu, iray amin'ireo olona maro manampy amin'ny fiarovana ny tigra.

Tamin'ny antsafa [18] niarahana tamin'ny gazetiboky Dreams, hoy i Tharu:

“We talked about my past, and then he told me he had heard a lot about me and seen my pictures. It was one of the proudest moments of my life, as I recognized him as the hero from Titanic, the one with the girl on the boat.”

“Niresaka momba ny lasako izahay, ary avy eo nilaza tamiko izy fa efa nahare zavatra betsaka momba ahy ary nahita ny sariko. Iray amin'ireo fotoana mahafinaritra ahy indrindra teo amin'ny fiainako izany, satria nankatoaviko ho toy ny mahery fo tamin'ny Titanic izy, ilay niaraka tamin'ilay vehivavy tao anaty sambo

Nahazo ny Lokan'ny Fiarovan-javaboary Abraham [19]tamin'ny taona 2004 i Tharu, izay efa mpiasa tany tsy manan-tany ary lasa mahery fon'ny fiarovana [20] ho fankasitrahana ny fandraisany anjara amin'ny fiarovana [ny tontolo iainana]. Eto no ahitantsika manao hira miresaka amin'ny teny Nepaley:

Tamin'ny lahatsoratra Facebook [21], voasoratra ao amin'ny Fiarahamonina Tharu, pejy Facebook-n'ny  fiarahamonina indizeny Tharus (amin'ny teny Nepaley) hoe:

‘भारतको बाघ नेपालमा आउने,
नेपालको बाघसँग मायाप्रीति लाउने ।
उनीहरूको मायाप्रीति नछुटाऊँ है,
वन्यजन्तु हिँड्ने बाटोमा बाधा नपु¥याऊँ है..!’

कुनै जमानामा ११ वर्षसम्म कमैया बसेका सूर्यपटुवा– ४, बर्दियाका भदइ थारुले अचेल गाउँदै हिँड्ने गीत हो यो । […]

[…] “पहिले त मलाई आक्रमण गर्ने बाघलाई खोजी खोजी मारौं जस्तो लाग्थ्यो तर पछि बाघले आफू आपत्मा परेको बेला जोगिन मलाई आक्रमण गर्यो होला भन्ने लाग्यो,” उनले भने, “त्यसैले अचेल बाघको बासस्थान संरक्षणमा जुटेको छु ।” […]

“Tonga ao Nepal ny tigran'i India,
Latsam-pitiavana amin'ny tigra ao Nepal.
Aza ravàna ny fifankatiavan'izy ireo,
Asa simbaina ny lalantsaran'ny biby mpirenireny.”

Raha efa mpiasa an-tery nandritra ny 11 taona, dia mihira ity hira ity i Bhadai Tharus ao Suryapatuwa-4, Bardia tao ho ao. […]

[…] “Tamin'ny voalohany aho nahatsapa toa mikaroka sy mamono ilay tigra nanafika ahy, saingy avy eo, nihevitra aho fa mety nanafika ahy mba hamonjy ny tenany amin'ny loza mitatao izy,” hoy i Bhadai. “Izany no mahatonga ahy mirotsaka amin'ny fiarovana ny toeram-piriariavana sy fonenan'ny tigra.”