- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Raha Misy Ahiahy, Anontanio ny Tenanao “Inona No Hataon'ny Filoha Tanzaniana?”

Sokajy: Afrika Mainty, Tanzania, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
Tanzanian President John Magufuli with World Bank Managing Director Sri Mulyani Indrawati in Dar Es Salaam, Tanzania. Photo released under Creative Commons by the World Bank. [1]

Ny Filoha Tanzaniana John Magufuli miaraka amin'ny Tale Jeneralin'ny Banky Iraisam-pirenena Sri Mulyani Indrawati tao Dar Es Salaam, Tanzania. Sary navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena tamin'ny alalan'ny Creative Commons.

Lasa mahavariana amin'ny Twitter manerana an'i Afrika ny Filoha vao voafidy tao Tanzania, Dr. John Magufuli, nomena ny anaram-bosotra hoe “ilay bilidaozera”, taorian'ny fepetra hentitra natolony hampihenana ny fandaniam-bola, izay tsy fahita firy any amin'ny firenena Afrikana. Najanon'i Magufuli ny fankalazàna ny fahaleovan-tena [2], raha vao vita ny fametrahana azy tamin'ny fomba ofisialy, fa nosoloiny fandaniana ny vola amin'ny fotodrafitrasa ho an'ny fahasalamana, ady amin'ny kôlerà any amin'ny faritra voakasik'izany ary fividianana fandriana sy fitaovana ho an'ny hopitaly.

Ka nilaza hoe: “tena mahamenatra hoe isika mandany vola be dia be hankalazàna ny faha 54 taonan'ny fahaleovantena, nefa ny olontsika matin'ny kôlerà,” nanambara ny filoha fa amin'ny andron'ny fahaleovantena, takiana handray anjara amin'ny fanentanana fanadiovana manerana ny firenena ny tokantrano tsirairay.

Nahazo fahaleovantena avy amin'i Grande-Bretagne tamin'ny 9 Desambra 1961 ny tanibe Tanzania, Tanganyika taloha.

Ny fihenana hafa dia ahitàna ny fampiatoana ny dia tsy ilaina mankany ivelany ho an'ny manampahefana ao amin'ny governemanta, tambinkarama mikasika ny seminera sy ny fivoriana, anisan'izany ny an'ireo Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, ary ny fiaraha-misotro sy misakafo lafo vidy ataon'ny andrim-panjakana. Ny sakafo hariva iray ho an'ny fanokafana ofisialy ny parlemanta ao amin'ny firenena, ohatra, dia mandany 300 tapitrisa shillings Tanzaniana. Nahenan'i Magufuli  [3]ho 25 tapitrisa ny tetibola ary nanome baiko izy fa halaina hividianana fandriana sy kidoro 300 ary lambam-pandriana 600 ho an'ny hopitaly ny vola ambiny.

Ary raha saika handeha hanao fitsidihana hitety ireo firenena ao anatin'ny Commonwealth ny vondrona manampahefana 50 ao amin'ny governemanta ny 21 Novambra 2015, dia nahenan'ny filoha ho olona efatra [3] ilay lisitra, nahafahana nitsitsy 600 tapitrisa shillings ho an'ny governemanta tamin'ny saram-pitanterana, fampiantranoana ary tambinkarama isanandro.

Ahitana [3] fampiatoana ny dia mankany ivelany ny fepetra fitsitsiana hafa; atao am-pitsitsiana raha tena ilaina ny dia — tsy misy tapakila kilasy voalohany intsony ho an'ny mpiasam-panjakana ao amin'ny governemanta), hotely sy fiara lafo vidy (ankoatry ny Filoha, ny Filoha Lefitra ary ny Praiminisitra. Nisy vola fanome ihany koa najanona ary mikasa haka indray ny orinasam-panjakana rehetra tsy nihodina ara-dalàna izay nomena ho tantanan'ny tsy miankina ny governemanta.

Noraràn'ny [4] filoha ihany koa ny mpiasam-panjakana tsy haka amin'ny volan'ny governemanta handefasana karatra firariantsoa noho ny Krismasy sy Taombaovao. Hampiasaina handoavana izay trosa tokony haloan'ny sampan-draharahan'ny governemanta amin'ny fividianana entana sy ny asa natao ny vola natokana ho amin'ny fanontàna ireo karatra ireo. Ny hetsika iray hafa be herim-po  dia, raha tokony hanohana ny fampirantiana isan-taona rehefa Andro Erantany momba ny SIDA [5], hampiasaina mba hividianana fanafody ho an'ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH ny vola voatsitsy ho an'ilay hetsika.

Niaiky volana tamin'ny fahatsaran'ny vokatra vitany i Talkative Rocker  mpampiasa Twitter  ka nanome sosokevitra fa tokony hitarina any ivelan'i Tanzania ny fitarihan'i Magufuli:

Raha ny Filoha John Magufuli no lasa Filohan'ny Afrika Atsinanana fotsiny dia hamorona KENYUGANZANIA isika

Eny tokoa, nasehon'ireo mpampiasa Twitter manerana an'i Afrika ny fankasitrahany ny fepetram-pitsitsiana amin'ny fampiasana ny iray amin'ireo tenifototra ara-politika mampihomehy indrindra ao amin'ny tanibe, #WhatWouldMagufuliDo [7] — raha adika, alohan'ny handraisanao fanapahankevitra, tokony hanontany tena aloha ianao amin'izay hataon'ny Filoha Tanzaniana amin'ny toe-javatra toy izany.

Noho izany, #WhatWouldMagufuliDo [7]? Toy izao ny hevitry ny mpampiasa Twitter:

Raha te-hahazo firavaka volafotsy ikala nefa ianao marani-tsaina, noho izany manomboka mieritreritra ianao: #InonaNoHataoniMagufuli [7]

Te-hividy iPhone aho dia avy eo nieritreritra #InonaNoHataoniMagufuli [7] dia eto aho..

Rehefa miantso azy hifanao fotoana ianao ka tonga miaraka amin'ireo zanany vavy izy dia manontania tena ianao avy eo hoe #InonaNoHataoniMagufuli [7]

Rehefa tsy nandeha ny Fera fipasohako, alohan'ny hividianako vaovao, nanontany tena aho hoe #InonaNoHataoniMagufuli [7] Dia izay!!

#WhatWouldMagufuliDo [7] na dia nampahafantatra ny fanapahan-kevitry ny mpisera anaty aterineto iray momba ny hanatrehana lamesa ho an'ny daholobe izay nataon'ny Papa François nanao fitsidihana tany Nairobi, Kenya ny Alakamisy 26 Novambra:

Te handany vola amin'ny vidin'ny tapakila hijerena ny #lamesan'i papa [16] ao amin'ny Kianja Uhuru aho fa rehefa nieritreritra #InonaNoHataoniMagufuli [7] , dia nanapaka hevitra ny hitsitsy ny vidin'ny karatra amin'ny fijerena izany ao an-trano

Mahatsikaiky tanteraka ny ampahany amin'ny fitsitsiana nalain-tahaka tamin'i Maguful:

Nila vola ny sipako hividianana manjamaso, nanontany tena aho #InonaNoHataoniMagufuli [7] ; penina fanamarihana any amin'ny birao no nampiasainay ho solony

Te hitondra ny vadiko ho amin'ny toerana iray fialantsasatra any ZNZ aho ary nieritreritra #InonaNoHataoniMagufuli [7] ka nameno ny kovetabe fandroana amin'ny rano sy sira, afa-bizana izahay ankehitriny

Te hividy kasikety aho, saingy nieritreritra #InonaNoHataoniMagufuli [7]

Niresaka koa ny olana ara-tsosialy sy ao amin'ny firenena ny sasany amin'ireo mpisera anaty aterineto:

Mpangataka eny an-dalambe izay mangataka vola fa #InonaNoHataoniMagufuli [7]

Te hampitombo marina ny tetibolan'ny fiarovana any Ouganda aho, nefa avy eo nanontany ahy ny tweeps hoe #InonaNoHataoniMagufuli [7] ary tahàka ity aho pic.twitter.com/Z617mEJoCo [25]

Anaty hatsikana, na izany aza, mahatsapa ny Afrikana fa misy betsaka kokoa any amin'ilay tenifototra:

Na mahafinaritra aza ny  #InonaNoHataoniMagufuli [7] , fanehoana marina ihany koa ny hadisoam-panantenana mivelatra kokoa amin'ny fihanaky ny kleptocracy [30](fitiavantena sy kolikoly) any #Africa [27] izy

Afaka maneso an'i HE Magufuli isika saingy ny tena marina fantatsika fa firenena Afrikana maro no mila “Magufuli ” ho filoha & solom-bavambahoaka  #InonaNoHataoniMagufuli [7]

Maro amin'ny Tanzaniana no manantena fa hitazona ny vàhana mandritra ny dimy taona manaraka ao amin'ny andraikiny ny filohany vaovao.