- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bay Area Intifada: Politikan'ny Maha Izy Azy Miaraka Amin'ny Renisoratra ‘I’

Sokajy: Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge
"Oakland City Of Dreams" Oakland Graffiti Art Dream. Photo by A Syn (CC BY-SA 2.0) [1]

“Oakland Tànanan'ny Nofy” Nofinofy amin'ny alalan'ny Zavakanto sy Kolontsaina Graffiti ao Oakland. Sary nataon'i A Syn (CC BY-SA 2.0)

Amin'ny efatra ora maraina izao, ary mipetraka eo ambony tafon-tranoko aty Istanbul izahay sy Jabar, mahatazana ny Golden Horn. Mihazakazaka mailo iray isa-minitra ny resakay, avy amin'ny Kianja Taksim mankany amin'ny Kianja Tahrir, tonga any Jerosalema, Cape Town ary farany Oakland, California. Miresaka momba ireo namana tsara nanànanay izahay, ary ny namana tsara very teny an-dàlana. Notsiahivina amin'ny maha-mpihavana izy ireny izay nifampizarànay hevitra sy sàkana nitovizana.

Misy zavatra maro tokony ampitahaina koa.

Tantarain'i Jabar amiko ny antony nahatonga ireo fotsy hoditra mpanao fanjakan'i Baroa nanorim-ponenana vao haingana tany Oakland hatahotra ao anatin'ny “toerany azo antoka” ny fahasahian'ny mponina hafa fihodirana ao an-toerana.

Nolazaiko azy hoe nahoana no Tiorka matihanina amin'ny saranga antonony, izay nampianatra ny yoga tao amin'ny Kianja Gezi tamin'ny vanin-taona mafana 2013, no nahazo ny fitokisana rehetra ho an'ny hetsi-panoherana, nefa raha ny marina dia mpitolona Kiorda izay nanao sakana andro aman'alina no nanao izay hahatanteraka ny fibodoana.

Ny fanahiana iombonanay dia ny amin'ny “fotsy hoditra mpiara-dia” izay maneho amin'ny fombany ny ataony hoe firaisankina nefa tsy miraharaha ny torohevitra sy ny hevitry ny olona momba izay tokony hanehoany firaisankina, ary mahazo fitokisana amin'ny hetsika izay tsy vitany itompoana.

Toy ny mpiavy mpisava làlana hamadika ny fiainana ho an'ny mpanambola tao an-tanànany no nahitàn'i Jabar ireny fotsy hoditra mpanao fanjakan'i Baroa ireny. Tsy hoe nahatonga ny faripiainana ao Oakland ho avo ihany izy ireo, fa nandray an-tànana ihany koa ny hetsika ary nampihena ny heriny. Ny faniriana nasehon'izy ireo ho toy ny “mpiara-dia” tsara sitrapò amin'ny hetsika manohitra ny fanomezana ny tanàna ho an'ny mpanambola dia tsy nampihena ny zava-misy hoe ny fahatongavan'izy ireo no nanimba ny fiarahamonina.

Toy ny Tiorka avarapianarana liberaly izay manana fahasahiana “mitaky [2]” ny hametrahan'ny Kiorda ny fitaovam-piadiany nefa enjehin'ny Tafika Tiorka mitam-piadiana tsy ankijanona izy ireo.

“Tena fomban'ny mpanjanatany amin'ny fikatrohana sy ny fandaminana izany,” hoy Jabar.

Miditra an-keriny amin'ny hetsiky ny hafa tsy misy fanasàna ireo mpiara-dia voalaza fa tsara sitrapò ary mianjerazera ao ka mandrava izay rehetra voadonany, toy ny Mpanjaka Midas mitsimbadika.

Notetezinay ny tsy fahombiazana lavareny notarihan'ireo mpikatroka ara-politika, mpanao gazety sy fikambanana tsy miankina tandrefana.

Ho azy ireo, ny fanosehana ho amin'ny fiovàna dia asa mialoha natao tamin'ny anaran'ny vondron'olona iray hafa voageja, manjavozavo sy lavitra, izay mety hampidinina ho lasa sary boribory fanehoana, na fotokevitra manintona fatratra.

Ho anay, mikasika manokana ny nofo aman-drà anay mitsabo tena irery mba hanamaivana ny rarintsaina ateraky ny fiainana ao amin'ny firenena izay tsy manome lanja sy manenjika azy noho ny foko niaviany izany. Ireo olona izay miady mafy mba hahita asa noho ny lantom-peony, finoany ara-pivavahana na ny volon-kodiny. Ny ilainay, tsy ny fiaraha-mientana sandoka, fa sehatra iray iarahana

Natomboka taorian'ny resaka lava nataon'i Jabar, mponina ao Oakland hatry ny ela, sy namana Palestiniana iray ny Tetikasa Bay Area Intifada [3]. Manome tontolo an-tserasera izay mety hisian'ny fifanakalozan-kevitra maneran-tany mampandray anjara ny rehetra liana marina amin'ny politika sy ny kolontsaina amin'ny fialàna amin'ny fanjanahana. Sady toerana ifamezivezen'ny torohay, no tambajotra midadasika ary tetikasa momba ny tatitra izany.

Mety ho mifanohitra ny mino hoe mahavita ny zavatra rehetra ny pejy Facebook sy ny kaonty Twitter, indrindra fa amin'izao vanim-potoanan'ny slacktivism [4](anondroana ny hafanampo miharo hakanosàna atao aty anaty aterineto) izao. Fa nipoitra ho toy ny toerana ho an'izay mitady ny hahafantatra momba ny tolona ataon'ny hafa ny Bay Area Intifada, mba hitarihana tsara kokoa ny azy.

Tena mitombina ny tatitra nataon'izy ireo momba an'i Tiorkia, indrindra fa taorian'ny fipoahana nahafaty olona nandritra ny famoriam-bahoaka am-pilaminana tao Ankara. Taorian'ny nahafahako nanamarina niaraka tamin'ireo olona tonga tao an-tsaiko any amin'ny tanàna niaviako, hitako ny tatitry ny Bay Area Intifada:

#BREAKINGNEWS [5]: #Tiorkia [6], Ny iray aminay eto, soa ihany fa tsy nandray ny karavanina ho any #Ankara [7], Fipoahana maro, 20+ MATY

Nisy dikany lehibe ny nanànana rahalahy tany an-toerana izay mahalala ny tolona ao amin'ny faribohitra misy azy, ka mety hanitatra ny firaisankina ho any amin'ny antsika. Nidika izany fa mbola velona any Oakland ny tolona, ary velona eto ny tolona any Oakland. Fa tsy nandalo fotsiny tamin'ny vaovao ny Bay Area Intifada, fa nanao ihany koa ny fitantaràny manokana voalohany momba an'i Tiorkia:

#Tiorkia [6] : Misy zavatra kononkononina miafina ao. Fikomiana fanesorana marika famantarana. Lahatsary: https://t.co/2uBEsM8neQ [10]

Ho ahy, anefa, ny fanavaozana tena manome hery an'i Tiorkia dia manondro ny maha-olana manerantany iraisan'izao tontolo izao ny toetsain'ny fotsy hoditra mpanjanatany :

Ankehitriny aty #Istanbul [13]. Heveriko fa latsa-pitiavana aho! TSARA TAREHY! Nefa maro ny olana mitovy amin'izany, fnomezanan ny tanàna ho an'ny mpanambola #OlonaFotsy [14].

Ny tena mampihetsi-po amin'ny Bay Area Intifada dia izy ohatra velona amin'ny fomba fanao izay mametraka fanamby lehibe amin'ny fanjanahantany. Fantatray hafa fihodirana tsara ny dikan'izany ho an'ny fandringanana ny kolontsainay, ny fanitsakitsahana ny finoanay fa hoe “maneritery”  mitaha amin'ireo fenitra liberalin'ny fotsy hoditra.

Voatery lasa menatra amin'ny anaranay, ny teninay, ny fifandraisanay ara-panahy amin'izao tontolo izao izahay. Fa ireo olona ireo ihany izay nanaisotra taminay ny fomba amam-panaonay no maka izany koa ho an'ny tombontsoany sy ny làzany.

Nesorina tamin'ny fivavahana tatsinanana ny tena dikany ka lasa hoe apetraho-Buddha-dia-akisaho, fanitsiana ara-potoana ho an'ny saranga antonony mpandàla ny Tandrefana izay an-dàlam-pikarohana ny làlan-kizorany ( ny tena avaratra amin'izy ireo). Asiana marika ho mety mpanao heloka bevava eo imason'ny fiarahamonina tsara ireo Afrikana mirandrana volo na rastà, nefa ny fotsy hoditra izay mitondra karazany mitovy amin'izany dia ankalazaina ho toy ny be herimpo sy milamina.

Mba ho tena mandaitra, tsy maintsy mampiasa fomba fanatonana hafa noho ny kolontsainan'ny tolon'ny mpinamana ny fanafoanana ny fanjanahana. Nanorina akany ho an'ireo olona hafa volon-koditra ny Bay Area Intifada mba hivondronany ao ary hifanomezan'izy samy izy ny fahendren'ny razany. Tsy politikan'ny “mpiara-dia” miahotrahotra izany, izay mitatatàta fotsiny amin'ny anaran'ny firaisankina. Politikan'ny maha-mpihavana izany.

Rehefa tapitra ny resaka lava nataonay, raha nandeha niaraka tamin'ny rahalahiko Jabar haka ny fiarakaretsaka aho, dia namintina vetivety am-pifaliana tamin'ny fomba fohy ny fomba fisainan'ny Bay Area Intifada izy. “Eny,” hoy izy, “resaka famafàzana voa izany rehetra izany.”