Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

17 Desambra 2015

Tantara tamin'ny 17 Desambra 2015

Misaona an'ilay mpampianatra ambony, Benedict Anderson, ilay nanao izay ivoahan'ny fandripahana ny komonista tamin'ny 1965 ho fanta-bahoaka, i Indonezia

Mankalaza ny fiainan'ilay Profesora Benedict Anderson, mpanoratra ny boky "Fiarahamonina Nosaintsainina" sady manam-pahaizana momba an'i Azia Atsimo-atsinanana ao amin'ny Oniversite Cornell ny Indoneziana. Namoy ny ainy tamin'ny herinandro lasa teo i Anderson.

Ahoana Ny Fankalazan'ireo Mpikatroka Aziatika Atsimo-Atsinanana Ny Andron'ny Zon'Olombelona

Nanakoako manerana an'i Azia Atsimo-atsinanana ny lohahevitra fitadiavan-drariny satria nasongadin'ireo vondrona mpikatroka ny fanitsakitsahan'ny governemantan'izy ireo ny zon'olombelona sy ny fihoara-pahefana ataony.

Volana Efatra Aty Aoriana, Tsy Mbola Nisy Valiny Mikasika Ny Tifitra Nahafaty Nataon'ny Mpitandro Filaminana Salvadoriana Sy Ny Tafika Ka Nahafatesana Olona Dimy

Nasongadin'ireo fitsirihana natao tamin'ny razana dimin'ireo lehilahy fa voatifitra akaiky izy ireo. Telo andro taty aoriana, ramatoa iray izay vavolombelon'ny fitifirana no tsy hita popoka.

Ireto No Nokarohan'ny Mpiserasera Rosiana Tao amin'ny Google Tamin'ny 2015

Nandritra ny herintaona, nidera ny Eurovision sy ny fanatanjahantena hockey ny mpiserasera aterineto Rosiana, saingy nisaona ireo Rosiana malaza namoy ny ainy ihany koa ary nanaraka ireo zava-nitranga mampalahelo tany Ejipta sy Frantsa, araka ny tahirin-kevitra tamin'ny tatitra nataon'ny Google.

Bay Area Intifada: Politikan'ny Maha Izy Azy Miaraka Amin'ny Renisoratra ‘I’

Velona ao Oakland, California ny nofinofy amin'ny fanafahana sy fanalàna amin'ny fanjanahana ny Tany an-Dàlam-Pandrosoana.