- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fankalazana Niafara Famoretana: Mbola Manao Fihetsiketsehana Ho Amin'ny Fampianarana Tsara Kokoa Ny Mpianatra Ao São Paulo

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fanabeazana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora
Rapper Criolo performs and #ViradaOcupação. Photo by Caio Tendolini/Não Fechem Minha Escola. Free to use.

Mpiangaly rap Criolo manao fampisehoana ao #ViradaOcupação. Sary avy amin'i Caio Tendolini/Não Fechem Minha Escola. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Rehefa nanery ny governora Geraldo Alckmin ny mpianatra São Paulo [1]mba hanaisotra ny politikany momba ny “fandaminana indray” izay mety hanakatona sekoly 93 manerana ny fanjakana, nankalazain'izy ireo tamin'ny # ViradaOcupação izany: fampisehoana mozika Breziliana 28 ora ataon'ireo mpihira Breziliana malaza maromaro [2], izay nanolo-tena hanatanteraka fampisehoana ao amin'ny sekoly nobodoina nandritra ny faran'ny herinandron'ny 6 sy 7 Desambra.

Nanohitra ny drafitra nandritra ny roa volana ny hetsiky ny mpianatra, manao fihetsiketsehana eny an-dalambe sy mibodo ireo sekoly efa ho 200 manerana ny fanjakana.

Tontosa ny fampisehoana [3] noho ny fanampian'ny ONG Minha Sampa, izay nanakarama mpanakanto ary nikarakara ny hetsika. Na dia ilay mpitarika nahazo loka sady mpanolotra ny fandaharana Master's Chef amin'ny fahilavitra, Paola Carosella, aza mba nipoitra ka nahandro sakafom-pifaliana [4] ho an'ireo mpianatra tao amin'ny sekoly Fernão Dias.

Mashup of some of the artists who performed and #ViradaOcupação based on material disclosed by the Facebook profile of NãoFechem Minha Escola

Mashup of some of the artists who performed and #ViradaOcupação based on material disclosed by the Facebook profile of Não Fechem Minha Escola (Don't Close My School).

Araka ny [5]vaovao hafa tamin'ny sampam-pahalalam-baovao Democratize:

A participação desses artistas em um movimento totalmente espontâneo protagonizado pela juventude em São Paulo é mais uma demonstração de que os últimos dias ficarão para a história.
Foram poucas as vezes em que a classe artística vestiu de forma tão objetiva a camisa de uma mobilização como a feita pelos secundaristas. Mesmo em junho de 2013, quando protestos tomaram conta de todo o país, não houve uma participação tão ativa assim.

Ny fandraisana anjaran'ny artista ao anatin'ny hetsika kibo saoky ny nahiny, izay tanoran'i São Paulo no mpandray anjara amin'izany, no porofo hafa fa hiditra ao anatin'ny tantara ny andro vitsy farany teo. Mahalana ny fahitana ny mpanakanto manatevin-daharana ny fanentanana tahaka izao. Na dia tamin'ny Jona 2013 aza, raha nidina an-dalambe manerana ny firenena ny mpanao fihetsiketsehana, tsy nisy ny fandraisana anjara mavitrika tahaka izany

Tsy ny rehetra no falifaly amin'ny fety

Saingy tsy ela taorian'izany, voaloto tamin'ny fomba mahery setra ny fankalazan'ny mpianatra. Tamin'ny harivan'ny 9 Desambra, tombanana ho 10.000-15.000 ireo mpianatra [6]nanao diabe manerana an'i Sao Paulo nankao amin'ny Departemantan'ny Fampianarana mba tsy hankalaza ny fandresen'izy ireo ihany fa hitaky fampianarana tsara kokoa ho an'ny vahoaka ary hampiseho amin'ny governora fa mbola nihetsiketsika manohitra ny fampihenana ny tetibola izy ireo. Naaton'i Alckmin nandritra ny herintaona fotsiny ny tolo-kevitra fandaminana indray – izay mbola hiadian-kevitra amin'ny taona 2016 indray.

Araka ny filazan'ny mpianatra [7], polisy manamboninahitra fantatra amin'ny anarana P2 (avy ao amin'ny sampam-pitsikilovan'ny polisy) no tafiditra tao amin'ny fihetsiketsehana ary nanomboka niady tamin'ny zandary – malaza amin'ny herisetran'izy ireo [8] – izay nanodidina ny tranoben'ny Departemantan'ny Fampianarana avy eo ary nanomboka nandrava an-kerisetra ny famoriam-bahoaka tamin'ny fampiasana grenady mankarenin-tsofina.

Nisy paikady mitovy amin'izany nolazain'ireo mpanao fihetsiketsehana nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny Jiona 2013 [9], izay voalaza fa tafiditra tao anatin'ny fihetsiketsehana ireo manamboninahitra mba hitarika fifandonana amin'ny zandary, ka izany no fialan-tsiny hanafihana.

Hoy ny sioka Twitter-n'ny Movimento Pro Corrupção (vondrona Facebook progresista mananihany amin'ny “Hetsika Manohana ny Kolikoly” ho teny vilan'ny vondrona ankavanana manohitra ny kolikoly):

Fotoana nifanomezana : tamin'ny 9 ora alina, nipoaka tao afovoan'ny fihetsiketsehana ny grenady mahafanina. Taorian'izany, nanomboka nanao famoretana ny polisy #P2 [10] #OcupaEscola [11]

Nandefa sary [12] misy ireo fihetsiketsehana talohan'ny nanombohan'ny famoretana ny pejy Facebook Educado O Mal (Ireo zara raha nahita fianarana) sy ny Não Fechem Minha Escola [13] (Aza Akatona ny Sekoliko):.

Students take the streets in São Paulo. Photo py Daniel Cunha/O Mal Educado. Free to use.

Nidina an-dalambe tao São Paulo ireo mpianatra. Sary avy amin'i Daniel Cunha/O Mal Educado. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Henrique Carneiro, mpampianatra, nandefa lahatsary [14]ahitana ny fotoana voalohany nipoahan'ny grenady:

Ny pejy Facebook an'ny elatra ankavia Território Livre nandefa lahatsary [15] misy ireo mpianatra mihazakazaka miala grenady mankarenin-tsofina :

Nandefa lahatsary hafa misy ireo mpianatra miezaka mandositra ny herisetran'ny polisy [16]sy lahatsary ahitana ireo mpianatra roa natonin'ny polisy mitam-piadiana [17]izy ireo. Nandefa lahatsary [18]misy ireo mpianatra miezaka mandositra ny herisetran'ny polisy ihany koa ny Jornalistas Livres collective .

Students arrested by the Military Police. Photo by collective Passa Palavra.

Mpianatra nosamborin'ny polisy miaramila. Sary avy amin'ny fikambanana Passa Palavra.

Olona teo amin'ny 10 teo no voasambotra ary maro ireo naratra [19], nilaza ny tatitra sasany fa niharan'ny herisetra ihany koa ny mpianatra tsy ampy taona:

Voalaza fa notafihan'ny polisy tamin'ny fomba tsy mendrika ny roa tamin'ireo mpianatra tsy ampy taona nosamborina. Nodarohana teo amin'ny manodidina ny fihetsiketsehana kosa ny maro hafa.

Mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanentanan'ny mpianatra, profesora Pablo Ortellado nanoratra [21] tao amin'ny Facebook :

A manifestação dos secundaristas de hoje a noite que saiu da Paulista e se dirigiu à República terminou com muita violência, com bombas de concusão, abuso policial e barricadas espalhadas pela São Luis e Consolação. Essa vai ser a manchete dos jornais e o destaque da TV, mas não é, de forma alguma, o que aconteceu de mais importante. Os secundaristas mostraram grande força política e esse episódio terá consequências importantes no desdobramento da luta.

Niafara tamin'ny herisetra maro dia maro, tamin'ny baomban-tselatra, fihoaram-pefin'ny polisy sy sakan-dalana napetraka manerana ny lalambe São Luis sy Consolação ny fihetsiketsehan'ny mpianatra sekoly ambony androany hariva, izay niala ny [Lalambe] Paulista ary nitodi-doha tao amin'ny kianja República. Io no ho lohatenin-gazety sy hisongadina amin'ny fahitalavitra, saingy tsy izany anefa no zava-dehibe indrindra niseho. Nampiseho hery ara-politika lehibe ny mpianatra ary hisy vokatra manan-danja ao anatin'ny tolona ankehitriny ity tantara mitohy ity.

Miala ao São Paulo mankany Goiás sy Espírito Santo

Taorian'ny fahombiazan'ny fibodoana tao São Paulo, toa hita fa mieli-patrana ny hetsika. Tao an-tanànan'i Goiânia ao amin'ny fanjakana afovoany-andrefan'i Goiás, nibodo ny sekoly José Carlos Almeida [22] ny mpianatra mba hanohitra ny fitantanan-draharahan'ny sekoly eo am-pelatanan'ny polisy sy ny fanomezana ny 25 isanjaton'ny fikarakarana ny sekoly ho ataon'olona ivelan'ny sekoly [23].

Nandefa lahatsary ahitana fibodoana i Não Fechem Minha Escola. Tsindrio ny pikantsary eto ambany raha hijery ny lahatsary ao amin'ny Facebook:

Students occupied the José Carlos Almeida school in Goiás state. Screenshot of video published on Facebook by Não fechem minha escola. [24]

Mpianatra nibodo ny sekoly José Carlos Almeida ao amin'ny fanjakana Goiás state. Pikantsary tamin'ny lahatsary navoakan'i Não Fechem Minha Escola tao amin'ny Facebook.