- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nolazain'ny Naysayers Fa ‘Vetaveta’ Ilay Mpihira Amerikana Adam Lambert, Manohana Azy Ny Singapaoreana

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
Adam Lambert performing in Singapore in 2010. Photo from Flickr page of KWSW (CC License) [1]

Adam Lambert nanao fampisehoana tao Singapaoro tamin'ny taona 2010. Sary tao amin'ny pejy Flickr an'ny KWSW (CC License)

Maherin'ny 20.000 ireo nanasonia [2] ny fanangonan-tsonia antserasera mangataka amin'ny orinasa Mediacorp, fahitalavi-panjakana mba hanafoana ny fanasana ilay mpihira Amerikana Adam Lambert tsy hanatanteraka fampisehoana amin'ny taombaovao ao Singapaoro.

Milaza ireo mpanao fitakiana fa mety hanao fampisehoana “fihetsika vetaveta” i Lambert ka mety hanafintohina ny mpijery ny fampisehoana sy ny mpijery fahitalavitra. Nisy ihany koa ny fanangonan-tsonia manohitra izany ary manohana an'i Lambert izay efa nahazo sonia maherin'ny 24.000 sahady.

Nanasongadina [3]ny fampiroboroboan'i Lambert ny zon'ny LGBT ny fanangonan-tsonia voalohany, izay nolazain'ireo mpanao fitakiana fa “mifanohitra amin'ny soatoaviana mahazatra ny Singapaoreana.”

Adam Lambert is hardly the kind of performer to send off our historic Jubilee Year or to usher in the New Year. His track record displays a flagrant disregard for the sensitivities of his audience – including whether or not children are watching. Singaporeans can enjoy a good show without their consciences being affronted by lewd acts in the name of entertainment. In addition, a simple online search would reveal that he is well-known for his active promotion of a highly sexualized lifestyle and LGBT rights, both of which are contrary to mainstream Singaporean values.

Sarotra dia sarotra amin'ny karazana mpihira toa an'i Adam Lambert ny haharoaka ny Taon–jobilintsika manatantara na hitarika antsika any amin'ny Taombaovao. Mampiseho tsy fitsinjovana miharihary izay mety ho fahatafintohinan'ny mpijery azy ireo rakikira nahitana azy – anisan'izany ny mety hisian'ny ankizy mijery. Afaka mankafy fampisehoana tsara tsy mihaino ny feon'ny fieritreretany miatrika fihetsika vetaveta amin'ny anaran'ny fialam-boly ny Singapaoreana. Ankoatra izany, mampiseho ny fikarohana tsotra amin'ny aterineto fa malaza amin'ny fahavitrihany mampiroborobo ny fomba fiaina ara-nofo tanteraka sy ny zon'ny LGBT izy, izay samy mifanohitra amin'ny soatoavina mahazatra ny Singapaoreana.

Rehefa notsikerain'ny fiarahamonina LGBT izany, dia novaina ny lahatsoratry [4]ny fanangona-tsonia tamin'ny fanalana ny fiainana ara-nofon'i Lambert:

Unfortunately, our concerns to address the probability of lewd acts on a public platform have been downplayed and turned into yet another political LGBT rights issue.

Indrisy, atao an-tsirambina ny ahiahinay amin'ny mety hisian'ny fihetsika vetaveta eo amin'ny sehatra hitam-bahoaka ary navadika ho resaka politika mikasika ny olana momba ny zon'ny LGBT.

 

Nisy ihany koa ny fanangonan-tsonia manohitra nataon'ireo milaza fa “maro an'isa ara-moraly” ao Singapaoro ho fanohanana [5] ny fampisehoan'i Lambert efa voaomana amin'ity volana ity.

Please allow Adam Lambert to perform in Countdown 2016 to demonstrate to the whole world that Singapore is a country that shuns discrimination and promotes diverse inclusive points of view.

Miangavy avelao i Adam Lambert hanao fampisehoana amin'ny Fandraisana ny taona 2016 mba hanehoana amin'izao tontolo izao fa firenena misoroka ny fanavakavahana sy mampiroborobo ny fahasamihafana ara-pijery i Singapaoro.

Tamin'ny famaliana ny fanangonan-tsonia manohitra azy, dia nampanantena i Lambert fa ho “seho voahevitra sy avo lenta ao anatin'ny fikatsahana ny fahasambarana sy ny fahamendrehana” ny fampisehoana ho ataony. Navoakan'ny [6] marika mozikany tao amin'ny Facebook ny fanambarana nataony:

My performance at Celebrate 2016 will not only be a spectacular one, it will celebrate the entire human family in all its diversity. I am a uniter, not a divider, and I believe in celebrating the human heart and spirit.

Ny fampisehoana ataoko amin'ny Fandraisana ny Taona Vaovao 2016 dia tsy ho mahatalanjona ihany fa hankalaza ny fianakavian'olombelona manontolo ao anatin'ny fahasamihafany ihany koa. Mpampiray aho, fa tsy mpanasaraka, ary mino ny fankalazana ny fanahy sy fon'olombelona aho.

Iray amin'ireo mpanohana [7] voalohany ny fanangonan-tsonia manohitra an'i Lambert ny Focus on the Family (Mifantoha amin'ny Fianakaviana), fikambanana kristianina mpanao asa soa:

Would you be okay with your children watching this? We, at Focus, support initiatives to promote healthy family entertainment. Join us as we strive to build a safer and more wholesome environment for our children.

Manaiky ny hiaraka hijery izao amin'ny zanakao ve ianao? Izahay, ato amin'ny Focus, dia manohana ny fisantarana andraikitra mampiroborobo ny fialam-boly mahasalamana ny fianakaviana. Miaraha aminay satria miezaka hatrany manorina tontolo azo antoka sy mahasoa kokoa ho an'ny zanantsika izahay.

Milaza momba ireo fampisehoan'i Lambert tany amin'ny firenen-kafa izay mampiseho lehilahy mifanoroka ny fikambanana .

Saingy nampahatsiahy ireo mpanohana an'i Lambert fa efa nanao fampisehoana in-droa tao Singapaoro tsy niteraka adihevitra ity mpihira ity.

Nic Lim, mpitantana vondrona LGBT iray ao Singapaoro, nampirisika ireo mpanao fitakiana manohitra an'i Lambert mba tsy hifantoka amin'ny fironana ara-nofon'ilay mpihira :

To reduce a performer to his or her sexual orientation is not just offensive but degrading and unbecoming of a civilized society.

Tsy manafintohina ihany ny fanamaivanana mpanakanto amin'ny fironany ara-nofo fa manambany sy tsy mendrika ny fiaraha-monina mandroso.

Ho an'ilay mpanoratra-mpikatroka Kirsten Han, nanoro hevitra [8]ireo mpanao fitakiana izy mba hamono fotsiny ny fahitalavitr'izy ireo rehefa hitan'izy ireo fa tsy sahaza ho an'ny ankizy ny fampisehoan'i Lambert:

…even if he does something you don’t condone and your kids happen to see it, you can always turn the television off and explain your point of view to them. That’s part of parenting, after all.

…na dia manao zavatra tsy ekenao aza izy ary mipoitra mahita izany ny zanakao, afaka mamono hatrany ny fahitalavitra ianao ary manazava ny hevitrao amin'izy ireo. Anisan'ny andrakitry ny ray aman-dreny izany.

Saingy nanazava [9]ny sasany tamin'ireo nanasonia ny fanangonan-tsonia fa tsy manohitra ny fironana ara-nofon'i Lambert izy ireo fa ny “fihetsika vetaveta” ataony eny ambony sehatra.

Nanambara ny Mediacorp fa hanatanteraka ny fampisehoany i Lambert amin'ny faran'ny volana.

Ity olana [10] ity dia manasongadina indray ny sasany amin'ireo fanamby [10]atrehin'ny fiarahamonina LGBT ao Singapaoro, fiarahamonina izay mijanona [11] ho heloka bevava ny firaisana ara-nofo eo amin'ny samy lehilahy.