Nanasazy Poeta Ho Faty i Arabia Saodita Ary Mandrahona Hitory Ireo Mpitsikera Ny Rafitra Famaizana

Ashraf Fayadh via Instagram.

Ashraf Fayadh tao amin'ny Instagram.

Mandrahona hitory izay rehetra mampitaha ny rafitra famaizan'ny fanjakana manankarena solitany amin'ny ISIS ao amin'ny media sosialy i Arabia Saodita. Nivoaka ity fanambarana ity taorian'ny fitsarana nanameloka ho faty an'ilay poeta sady mpanakanto Palestiniana  Ashraf Fayadh noho ny fihemoram-pinoana sy fitenenan-dratsy an'Andriamanitra, fanitsakitsahana mitovitovy amin'izany – izay fiampangana nolaviny avokoa.

Nikarakara fampisehoana ara-java-kanto tao Jeddah sy tao amin'ny hetsika fanao isaky ny roa taona ao Venizy i Fayadh, teraka sy monina ao Arabia Saodita ary mpitarika manana anjara toerana manokana ao amin'ny Edge of Arabia, fikambanana ara-java-kanto Britanika-Saodiana. Nogadrain'ny polisy ara-pivavahana tao amin'ny firenena, fantatra koa amin'ny hoe Komity ho an'ny Fampiroboroboana Ny Hasina sy ny Fisorohana ny Hadalana tamin'ny volana Aogositra 2013 tao Abha, Atsimo Andrefan'i Arabia Saodita i Fayadh tamin'ny voalohany.

Efa nahazo fahafahana vonjimaka taorian'ny fandoavana onitra amin'izany ity poeta 35 taona ity ary nosamborina indray tamin'ny 1 Janoary 2014, izay nahazoany sazy efa-taona an-tranomaizina sy vely karavasy in-800. Taorian'ny fampiakaran'ny mpisolovavany ny raharaha tany amin'ny fitsarana ambony, nanapa-kevitra ny manampahefam-pitsarana fa hotsaraina indray eo anatrehan'ny vondrona mpitsara vaovao ny raharahany, izay nanome sazy fanamelohana ho faty an'i Fayadh tamin'ny volana Novambra 2015, noho ny fiampangana azy ho mampiroborobo ny tsy finoana an'Andriamanitra tamin'ny andian-tononkalony tamin'ny 2008, Instructions Within.

The 35-year-old was released on bail only to be arrested again on January 1, 2014, when he was sentenced to four years in prison and 800 lashes. After his attorneys appealed, judicial authorities decided to re-try his case before a new panel of judges, who sentenced Fayadh to death in November 2015, on charges of promoting atheism in his 2008 poetry collection, Instructions Within.

Araka ny filazan'ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona:

Prosecutors charged him with a host of blasphemy-related charges, including: blaspheming “the divine self” and the Prophet Muhammad; spreading atheism and promoting it among the youth in public places; mocking the verses of God and the prophets; refuting the Quran; denying the day of resurrection; objecting to fate and divine decree; and having an illicit relationship with women and storing their pictures in his phone.

Nampangain'ny fampanoavana tamin'ny fiampangana marobe amin'ny fitenenan-dratsy izy, anisan'izany ny fanimbazimbana “ny masina” sy ny mpaminany Mohammed; ny fanapariahana ny tsy finoana an'Andriamanitra sy ny fampiroboroboana izany teo amin'ny tanora teny amin'ny toeram-bahoaka; ny fanesoana ny andinin-tsoratra masina an'Andriamanitra sy ny mpaminany; ny fitsipahana ny Korany; ny fandavana ny andro fitsanganana amin'ny maty; ny fandavana ny anjara sy ny didy avy amin'Andriamanitra; ary ny fananana fifandraisana tsy ara-dalàna amin'ny vehivavy sy ny fitehirizana ny sarin'izy ireo ao amin'ny findainy.

Screen Shot of Al Riyadh newspaper article which claims that anyone comparing Saudi Arabia's penal code to that of the ISIS will be sued

Pikantsarin'ny lahatsarotra an-gazetin'ny Al Riyadh izay milaza fa hotoriana izay rehetra mampitaha ny fehezan-dalàna famaizan'i Arabia Saodita amin'ny an'ny ISIS.

Voatsikera mafy ny didim-pitsarana indrindra tao amin'ny media sosialy, mampitaha ny fehezan-dalàna famaizana sy ny fanasazian'i Arabia Saodita amin'ny novonoin'ny ISIS, izay nametraka ilay antsoina hoe Kalifà Islamika ho azy manokana amin'ny alalan'ny fibodoana an-kerisetra ny ampahan-tany midadasika ao amin'ny faritany manerana an'i Syria sy Iraka.

Mitanisa loharanom-baovao tsy voalaza anarana avy amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana Saodiana, nitatitra ny gazety mpivoaka isan'andro mpanohana ny governemanta amin'ny teny arabo Al Riyadh fa hotoriana izay rehetra manakiana ny fitsarana Saodiana sy ny didy avoakany. Hoy koa ny tatitra:

علمت «الرياض» بأن وزارة العدل تتجه لمحاكمة أحد الأشخاص وصف عبر «تويتر» أحد الأحكام الصادرة عن محاكم المملكة بالحكم «الداعشي»، وذلك إثر حكم ابتدائي صدر من المحكمة العامة بأبها يقضي بالحكم على أحد الأشخاص بالقتل حداً للردة.

Araka ny loharanom-baovaon'ny Al Riyadh, eo am-panenjehana izay mpisera Twitter nampitaha ny didim-pitsarana navoakan'ny iray amin'ireo fitsarana ao amin'ny Fanjakana amin'ny ISIS ny Minisitry ny Fitsarana. Miantso ny hamonoana ho faty olona iray mivadi-pinoana ny didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Abha.

According to Al Riyadh sources, the Ministry of Justice is in the process of suing a Twitter user who described a sentence issued by one of the courts in the Kingdom as ISIS-like. The sentence issued by the primary court in Abha calls for the execution of a person for apostasy

Ampitahain'ny mpiserasera Twitter ny fehezan-dalàn'ny ISIS sy Saodiana

Tao amin'ny Twitter, nanohitra ny vaovao tamin'ny alalan'ny diezy #sosuemesaudi ny mpiserasera, maro ireo nanohy nanao fampitahana teo amin'i Arabia Saodita sy ny ISIS.

Maro ireo nizara ity sary torohay, namboarin'ny Mason'ny Afovoany Atsinanana (Middle East Eye) ity, mampiseho ny fitoviana eo amin'ny fanasaziana ataon'i Arabia Saodita sy ny ISIS :

Heloka sy ny sazy: fampitahana ny rafitra famaizan'ny Saodiana sy ny an'ny ISIS. Sary torohay avy amin'ny Middle East Eye.

Satria raha miezaka mijery ny fahasamihafana eo amin'i Arabia Saodita sy ny ISIS ianao, dia zara hara mahita izany….

Araka ny sary torohay, samy manasazy ho faty ny fitenenandratsy an'Andriamanitra na ny mpaminaniny na ny fivavahana, ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana, ny famadihan-tanindrazana sy ny famonoana olona i Arabia Saodita sy ny ISIS. Raha manasazy ny fanendrikendrehana sy ny fisotroa-toaka amin'ny kapoka karavasy in- 80 ny ISIS, dia miovaova ny fanasazian'ny Fanjakana, “araka ny tian'ny mpitsara.”

Ny famaizana noho ny halatra dia ahitana fanapahana ny tanana ankavanana ao Arabia Saodita sy ny fanapahana tanana (tsy voafaritra) ao amin'ny faritany fehezin'ny ISIS. Mitovy hevitra tanteraka i Arabia Saodita sy ny ISIS amin'ny famaizana ny asan-jiolahy (halatra), izay anapahana tanana sy tongotra ireo voaheloka. Raha manasazy ho faty ireo voampanga amin'ny asan-jiolahy (famonoana olona sy halatra) i Arabia Saodita, manafantsika azy ireo (voampanga) amin'ny hazofijaliana kosa ny ISIS.

Maro ireo niantso an'i Arabia Saodita amin'ny saziny mitovy amin'ny ISIS. Ejiptiana Bahaa Awwad manoratra hoe:

Ry namana Arabia Saodita: Ny mamono olona ho faty noho ny voalaza fa tsy finoana an'Andriamanitra dia mitovy tanteraka amin'ny Daesh

Maherin'ny 150 ny olona efa novonoina ho faty tao Arabia Saodita tamin'ity taona ity, izany hoe olona iray isaky ny roa andro, isa ambony indrindra hatramin'ny taona 1995.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.