- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary Misy Ireo Hosodoko Amin'ny Rindrindra Ao Kyiv Hita Amin'ny Sarintany Ifarimbonana Antserasera

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet
This recent mural by Ukrainian street art collective Interesni Kazki can also be found on the interactive map. Image from ilgorgo.com, CC-BY 3.0.

Azo jerena amin'ny sarintany ifarimbonana ihany koa ny hosodoko amin'ny rindrina nataon'ny fikambanana asa kanto an-dalambe Okrainiana Interesni Kazki. Sary avy amin'ny ilgorgo.com, CC-BY 3.0.

Manjary malaza dia malaza ao Okraina ny sary hosodoko an-dalambe sy amin'ny rindrina: mitondra vaovaon'ny rindrina vaovao ao an-tanàna na iray hafa feno vokatry ny sangan'asa famoronan'ireo mpanakanto sasany isan-kerinandro. Olom-pirenena ao Kyiv iray no miezaka manamora ho an'ireo mpitady zavakanto hametraka marika ny sanganasa vaovao rehetra miseho ao an-dalamben'ny renivohitra.

Namorona sarintany an-tserasera misy ireo sary hosodoko rehetra amin'ny rindrina nisongadina tao an-tanàna nandritra ny roa taona lasa i Sergii Oryshkevych. Efa ahitana toerana maherin'ny 30 voamarika sahady ny sarintany ifarimbonana, [1]ao afovoan-tanàna ny ankamaroan'izy ireo.

The online mural map shows a dense concentration of art in the city center. Image from kyivmural.com. [1]

Sarintany antserasera misy ny sary hosodoko amin'ny rindrina mampiseho ny fitangoronan'ny asa kanto ao afovoan-tanàna. Sary avy amin'ny kyivmural.com.

Ny zavatra tsirairay eo amin'ny sarintany dia mampiseho tsara ny misy ny toeran'ny sary hosodoko ary arahina sary mipoitra rehefa manindry ny marika ny mpiserasera.

This striking mural with ravens is on Reytarska street—close to a semi-secret yard where a few actual ravens live in a large cage. Image from kyivmural.com

Ity sary hosodoko manintona ahitana goaika ity dia ao amin'ny araben'i Reytarska — akaikin'ny tokontany kely iray somary miafina iveloman'ireo goaika vitsivitsy ao anaty tranom-borona malalaka. Sary avy amin'ny kyivmural.com

Toa mihevitra ireo mpamorona ny habaka fa fandrosoana tsara ho an'i Kyiv ireo sary hosodoko amin'ny rindrina ireo, ary nanamarika fa nitarika ireo mpanakanto iraisampirenena maro hametraka ny sangan'asan'izy ireo anaty lisitra ny fironana vaovao (sy ny fahavononan'ny rindrina azo ampiasaina ho tabilaon'hosodoko).

Протягом 2014–2015 художники з України, Іспанії, Аргентини, Австралії, Німеччини, Британії та Португалії прикрасили муралами більше тридцяти будинків та цей тренд продовжується. Мурали вже стали справжньою прикрасою Києва та мають всі шанси стати його новою візитною карткою.

Nandritra ny taona 2014-2015, nandravaka trano maherin'ny 30 tamin'ny sary hosodoko amin'ny rindrina ireo mpanakanto avy ao Okraina, Espaina, Arzantina, Aostralia, Alemaina, Angletera ary Portiogaly — ary mbola mitohy izany. Efa lasa firavaka sarobidin'i Kyiv ireo sary hosodoko ary mety ho lasa marika fanintonana amantarana azy.

Manantena hanampy hosodoko maromaro ao amin'ny sarintany i Gryshkevych atsy ho atsy, ary mangataka amin'ireo mpiserasera aterineto mba handefa torohevitra aminy amin'ny toerana vavao ahitana asa andalam-pamitana sy ny sarin'ny zavakanto an-dalambe efa vita tanteraka.

This handsome gentleman was finished on a wall near Kontraktova square in historic Podil just a few weeks ago. Image from kyivmural.com

Novitaina tao amin'ny rindrina ao akaikin'ny kianja Kontraktova ao amin'ny Podil manan-tantara ity sarin-dehilahy ity herinandro vitsy lasa izay. Sary avy amin'ny kyivmural.com