- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manatevin-daharana ny tanàna sakaizan'ny LGBT ny tanànan'i Mexico

Sokajy: Amerika Latina, Alemaina, Meksika, Mediam-bahoaka, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

“Ny Atsasa-Paribolana Benito Juárez,” tsangambato mampiavaka ny Distrika Federaly. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Nanambara ny filohan'ny governemanta [1] ao amin'ny Distrika Federalin'i [2] Meksika — renivohitry ny firenena, Mexico — tamin'ny 23 Novambra 2015 fa sakaizan'ny fiarahamonina LGBT ny tanàna.

Manatevin-daharana ireo tanàna hafa milaza tena ho tahaka izany ihany koa ny Distrika Federaly — izay nomen'ny fitondrana ankehitriny ny fanafohezana anarana CDMX (Ciudad de México) — ka anisan'ireo tanàna ireo i Berlin, Amsterdam, San Francisco, Buenos Aires, ary i São Paulo.

Nitatitra [3] i Celia Reyna avy ao amin'ny fikambanana vaovao IzqMx fa ankoatra ny hetsika iray ampiatranoan'ny Filohan'ny Governemantan'i Mexico City, Miguel Ángel Mancera, dia misy koa ny fikasana hanaovana fankalazana any Berlin, Alemaina :

De forma paralela en la ciudad de Berlín se ofrecerá una conferencia de prensa para darle la bienvenida a la Ciudad de México como miembro de Rainbow Cities Network, una importante red de ciudades en Europa que tienen especial atención en las personas LGBT y realizan acciones para establecer políticas locales e intercambio de buenas prácticas, intervenciones e iniciativas.

Miaraka amin'ny [lanonan'ny Mexico City] dia hanatontosa valandresaka hiarahabana an'i Mexico City amin'ny maha mpikambana azy ao amin'ny Rainbow Cities Network, tambajotran-tanàna ao Eoropa mijery manokana ny LGBT sy mametraka politika, fifanakalozana, fidirana an-tsehatra ary fisantaran'andraikitra miabo ho azy ireo, ny tanànan'i Berlin.

Nanamarika toy izao ny tranonkalam-baovao Animal Político [4] raha niresaka ny fanambaran'i Mancera :

La declaratoria de ciudad amigable con la comunidad LGBTTTI se firmó un día después de que 51 parejas se casaron por la vía civil. Durante el evento, Mancera convocó a que el próximo año se rompa el récord de unir a más de mil 690 parejas de la comunidad lésbico-gay, el cual fue establecido el 15 de febrero pasado.

Nosoniavina ny ampitson'ny nampanambadiana araka ny fomba sivily olon-droa miisa 51 ny fanambarana ny tanànan'i Mexico City ho sakaizan'ny LGBTTTI. Nandritra ny lanonana no nanehoan'i Mancera fahavononana tanteraka fa amin'ny herintaona no hanaovana ny zavabita ambony indrindra vaovao amin'ny fampanambadiana araka ny fomba sivily ireo olon-droa samy lahy na samy vavy — fanambadiana olon-droa 690 no zavabita ambony indrindra amin'izao fotoana izao, izay nipetraka tamin'ny 15 febroary lasa teo.

Nahitana fitomboam-panohanana [5] mariazim-pitoviana tao Meksika tamin'ny herintaona rehefa nandidy ny Fitsarana Tampon'ny Firenena, andrim-panjakana ara-pitsarana ambony indrindra ao amin'ny firenena, fa tsy araka ny lalampanorenana ny fandrarana ny mariazin'ny samy lahy/vavy.

Fa tahaka ny ahoana moa ny haben'ny fiarahamonina LGBT ao Meksika? iray amin'ny olona nandray andraikitra amin'ny famaliana izany fanontaniana izany i Ricardo Baruch [6]. Tao amin'ny piesy [7] iray ho an'ny blaogy Homozapping, izay nanononany fanadihadiana maro, no nahatongavany tamin'ny fehin-teny fa tokotokony ho 3%-n'ny mponina no ao amin'io fiarahamonina io. Nanamarika ny havesa-danjan'ny fisoloantena LGBT ao amin'ny tontolo politika sy ny fanohizany amin'ny fiarovana ny zo fototra maha olona ihany koa izy :

Independientemente de cuán grande o pequeña es la población no heterosexual en México, es importante que los derechos de todas y todos los ciudadanos de México sean respetados y se tenga acceso a espacios de representación social y política. La discriminación y el rechazo a la diversidad sexual siguen siendo grandes problemas en el país, sin embargo, el no saber el tamaño del problema representa una barrera para que se atienda adecuadamente.

Tsy atao ho olona ny habe na ny hakelin'ny mponina tsy “hetero” ao Meksika, zava-dehibe ny fanajana ny zon'ny Meksikana tsirairay sy ny fahafahany miditra amin'ny sehatry ny fisoloantena ara-piarahamonina na ara-politika. Mbola olana goavana ao ami'ny firenena ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana ny fimaroana ara-pananahana; na izany aza, sakana ilaina vahana araka ny tokony ho izy ny tsi-fahafantarana ny haben'ny olana.

Momba ny zon'ireo ampaha-mponina ireo, tahaka ny zo hahazo fitsaboana, nanontany i E Páramo mpisera Twitter raha hitondra tombontsoa mivaingana hoan'ny fiarahamonina LGBT ny fanambaran'i Mancera :

Mexico City tanàna sakaizan'ny LGBTI? Aiza ny tobim-pahasalamana sy tobim-pitsaboana manokana? Tsy ampy ho azy ireo izany.

Nizara ireto sary manaraka avy amin'ny lanonana ireto ny mpisera Twitter Rodrigo Fragoso:

Mampiroborobo politikam-bahoaka mijery ny fiarahamonina LGBTTTI ny Distrika Federaly

Tsara fandray ny vaovao ny mpisera Twitter David JR :

Andao ankalazaina ny #MexicoCitySakaizannyFiarahamoninaLGBTTTI, nisy lanonana tsy mampino omaly teto an-drenivohitray. Talatam-pifaliana e!

Mpisera Twitter Rojabarrocamarica naneho izao hevitra manaraka izao momba ny fanambaran'i Mancera :

Fa ny fanjakana sy ny renivohitra no tompon'ny toeram-bahoaka mitsipaka fahafahan'ny tanàna ho mandray [sakaiza] . #MexicoSakaizanyFiarahamoninaLGBTTTI

Nandray ny dingan'ny fizakàna sy ny fanajana ny fimaroana ny Distrika Federaly; saingy, ny hetsika mivaingana tokana avy amin'ny governemanta, tahaka ny fampidirana politika miandany amin'ny vahoaka, no hanaporofo raha tena manao ny andraikiny — sy ny adidiny — amin'ny olompirenena LGBT, fikambanana izay niatrika tombo-sy-hafa ary fanilikilihana ry zareo.