
“Afaka amin'ny tahotra” Hosodoko amin'ny rindrina tamin'ny Forum Iraisampirenena momba ny Demokrasia andiany faha-4 tao Strasbourg, 18-20 novambra 2015. Sary Suzanne Lehn
Tafiditra anisan'ny tontolon'ny adihevitra goavana iraisampirenena ny Forum Manerantany momba ny Demaokrasia tao Strasbourg, nokarakarain'ny Vaomiera Eoropeanina. Notontosaina tamin'ny 18 ka hatramin'ny 20 Novambra ny andininy faha-4, miaraka amin'ny lohahevitra ‘Fahalalahana vs. Fanarahamaso – Fitadiavana Valinteny demaokratika‘, izay efa napetraka tamin'ny fiandohan'ity taona ity, ary lasa vaovao mafana hatrany hatrany.. Nisokatra tamin'ny fanomezam-boninahitra mampihetsi-po ho an'ireo rehetra niharam-boina manerantany tamin'ny fanafihan'ny mpampihorohoro ny adihevitra.
Ny fanao, izay efa tafapetraka tsara, dia mampifandimby ny fivoriana iraisana sy ny atrikasa mampiseho ireo tetikasa voafantina – ny “Labs”, mifandray amin'ireo “fanamby” anondroana ny olana nosafidiana. Ka raha ny amin'ity andiany ity,
- Fanamby 1 : Miantoka ny fiarovana sy mifehy ny fanarahamaso
- Fanamby 2 : Manala ny fiarahamonina amin'ny tahotra sy mamelona ny faniriam-pahafahana
- Fanamby 3 : Fahalalahana hahazo vaovao anatin'ny vanim-potoanan'ny tahotra
Noraketina avokoa ny adihevitra sy ny atrikasa isan-karazany ary azo jerena ao amin'ny habaky ny Vaomiera Eoropeanina, amin'ny alalan'ny lahatsary (Fotoam-pivoriana) sy ny fandraisam-peo (Labs). Ny fanamarihako manokana dia ny tao amin'ny Lab 18, “Hetsiky ny olom-pirenena ho amin'ny fahalalahan'ny fampitam-baovao”, miaraka amin'ny Atoa Chamsy SARKIS, mpiara-manorina ny SMART (Syrian Media Action Revolution Team) (Ekipan'ny Media Syriana ho an'ny Hetsiky ny Revolisiona) izay miasa amin'ny fepetra azo saintsainina, ny fikambanan'ny fampitambaovao ao Syria; sy Rtoa Ioulia BEREZOVSKAYA, Filohan'ny vavahadim-baovao Rosiana tsy miankina Grani.ru.
Ity misy dôsie kely manokana (an'ny mpanoratra ny sary rehetra).
Nanamarika ny fotoam-panokafana ny kabarin'i Harlem Désir, Sekreteram-panjakana misahana ny Raharaha Eoropeanina, sy ny kabarin'i Michaëlle Jean, Sekretera Jeneralin'ny Fikambanana Iraisampirenena ho an'ny Frankôfônia, izay nanonona lahateny miezinezina ho amin'ny fahasahiana mijoro, amin'ny fanetsehana ny hery velona ary ho amin'ny fampidirana [ny rehetra tsy misy fanilikilihana].

Michaëlle Jean nikabary FMD 2015, Strasbourg 19/11/2015
Nampifanila fipetrahana an'ilay Yemenita Tawakkol Karman, mendrika tamin'ny Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana 2011 – sady efa nanatrika ny Forum andiany voalohany, sy ny Ayatollah Ahmad Iravani, izay mampianatra any Washington DC ny fifandimbiasam-pitenenana anaty fivoriana iraisana:

Tamin'ny fotoam-pivoriana iraisana, Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana, Tawakkol Karman sy ny ayatollah Iravani miandry ny fotoana handraisan'izy ireo fitenenana
Trano malalaky ny Vaomiera Eoropeana, fotoam-pivoriana iraisana :

Fivoriana atrehin'ny rehetra, FMD 2015 Strasbourg, 19/11/2015
Nampivohitra ny fifandraisan'ny fampihorohoroana sy ny tsirefesimandidy ilay mendrika tamin'ny Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana Tawakkol Karma, ary nanamarika fa tsy nisy ny fampihorohoroana nandritra ny lohataona Arabo:

Forum Iraisampirenena ho an'ny Demaokrasia, Fandraisam-pitenenan'i Tawakkol Karman, 19/11/2015
Nampahafantatra tao amin'ny Lab 5 ny tetikasa “Fitsipiky ny Tolotra [TOS] sy ny zon'olombelona” an'ny Foiben'ny Teknolojia sy ny Fiarahamonina ao amin'ny Sekolin'ny Lalàna ao Rio, izay natrehin'ireo solontenan'ny Mozilla sy ny Fikambanana EFF i Jamila Venturini, Brezilianina, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices 2011. Noresahana tamin'izany ny fomba fiasa hanadihadiana ny ambaratongam-piarovana ny fiainana manokana sy ny fiantohana (na tsia) ny fahalalahana maneho hevitra amin'ireo fepetra fampiasana ny sehatra antserasera, izay tsy ananan'ny mpiserasera safidy afa-tsy ny manasonia :

FMD 2015, Lab 5 “Valintenin'ny tambajotra”, Jamila Venturini (ankavia)
Ny endrika ara-kanton'ny Dinika, ahitana sangan'asan'ireo mpanao sariitatra :

Dinika Iraisampirenena ho an'ny Demaokrasia 2015, mpanao sariitatra eo am-panaovana sary.
Efitra fivoriana Lab iray :

Dinika Iraisampirenena ho an'ny Demaokrasia 2015, fotoanan'ny Lab Strasbourg 19/11/2015
Nanatrika ny Dinika ireo mpikambana telo ato amin'ny Global Voices :

Forum Iraisam-pirenena momba ny Demaokrasia 2015 Sarin'ny fianakaviana GV alohan'ny hisarahana
Fampisehoana nataon'ny tanora ho amin'ny fahalalaham-pitenenana nandritra ny Dinika :

FMD 2015 Fahalalaham-pitenenana 20/11/2015 Sary: Suzanne Lehn
Nanome aingam-panahy ireo bilaogera mpandray anjara ihany koa ny Dinika ato sy ato.
Eritrereto ny anoratana ao anatin'ny tabletinao ny Dinika 2016 !