Fetiben'ny filma rosiana nahazo fampitandremana ofisialy taorian'ny fampiroboroboana fanadihadiana miady amin'ny kolikoly

Russian Cutlure Minister Vladimir Medinsky speaking at the grand opening if the Pomegranate Hotel in May 2014 in Greece. Edited by Kevin Rothrock.

Minisitra Rosiana misahana ny kolontsaina Vladimir Medinsky nikabary nandritra ny fotoam-panokafana ny trano fandraisambahiny ampongabendanitra tamin'ny Mey 2014 tao Gresy. Namboarin'i Kevin Rothrock.

Ny andro nanombohan'ny fetiben'ny filma fanadihadiana Artdocfest tao Moskoa no namoahan'ny Minisiteran'ny kolontsaina rosiana fampitandremana ofisialy tamin'ny mpikarakara, mampiomana azy ireo amin'ny mety ho andraikitra mihatra amin'izy ireo amin'ny famoahana filma tsy nahazoana alalana mifanaraka amin'izany. Tonga tao anatin'ny herinandro nanambaran'ny Artdocfest ny hampidirana fifaninanana antserasera manokana ny filma nataon'ny vondron'ilay mpikatroka miady amin'ny kolikoly antsoina hoe Alexey Navalny miresaka ny fandraharahana feno kolikoly ataon'ny olona akaiky ny Lehiben'ny Fampanoavana Yuri Chaika (izay raha tononina anarana dia ny zananilahy, Artem) izao fampitandremana nataon'ny governemanta izao.

Araka ny nolazain'i Vitaly Mansky, filohan'ny Artdocfest, dia hampiseho filma maro natao tao Rosia tsy nahazoana alalana ho azo aely ny fetibe, saingy ny zon'ireo filma ireo dia efa namody tamin'ny orinasa Letônina iray, ka izay no antony tsy nilaina izany atonta-taratasy izany.

Navalny's film, "Chaika," leads online voting in Artdocfest's "Artdocset" competition. Screencap: Facebook.

Mitarika amin'ny safidy an-tserasera amin'ny fifaninanana “Artdocset” karakarain'ny Artdocfest ny filman'i Navalny “Chaika”. Pikantsary: Facebook.

Namoaka filma fanadihadiana “Chaika” i Alexey Navalny tamin'ny 1 desambra. Hatramin'io fotoana io ny lahatsary dia efa nahazo mpijery mihoatra ny 3 tapitrisa sy fanehoan-kevitra manakaiky ny 14.000. Nahazo “milay” 77.000 sy “tsy milay” mihoatra ny 3.300. Tao anatin'ny filma ny ekipan'i Navalny avy amin'ny fikambanana mpanao asa-soa miady amin'ny kolikoly no nanome porofo amin'ny antsipirihany ny fifandraisan'ny zanak'i Chaika sy ny havana akaikin'ireo manampahefana ambony ao amin'ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana amin'ireo jiolahy fanta-daza. Tao amin'ny 90 segondran'ny filma ihany koa no ahitana an'i Vladimir Medinsky, minisitry ny kolontsaina rosiana avy ao amin'ny lanonam-panokafana ny trano fandraisambahiny iray mirentirenty ao Gresy izay anisan'ny tompony ny zanakalahin'i Chaika.

Androany, taorian'ny namoahan'ny minisiteran'ny kolontsaina fampitandremana ny Artdocfest, no namoahan'i Navalny tao amin'ny YouTube ny lahatsary iray manontolo ny kabarin'i Medinsky tao amin'ny lanona-panokafana ny Pomegranate Hotel [Fandraisambahiny Ampongambendanitra] tamin'ny Mey 2014. Naverin'i Navalny tamin'izany ihany koa ny fitakisan'ny olona ny fampafantarana ny antony nanatrehan'ny minisitry ny kolontsaina io fotoana io, iza no nandoa ny sarandalany sy ny fampiatranoana azy, ary ny fifandraisany amin'ny zanakalahin'i Chaika sy ireo hafa tompon'ny fandraisam-bahiny.

Na dia nampidirin'ny Artdocfest amin'ny fomba ofisialy ao anatin'ny fetibe aza ny “Chaika”, dia tsy haseho ny mpanatrika. Ny misy azy kosa dia ao anatin'ny fifaninanan'ny “Artdocset” (ArtDocNet), izay isafidianan'ny mpikamban'ny Facebook ao amin'ny Fetibe izay filma efa nivoaka an-tserasera tian-dry zareo indrindra. Amin'izao fotoana izao dia efa mihoatra ny 1.200 ny mpiserasera aterineto efa nifidy, ary mitari-dalana amin'izany amin'ny vato 792 ny fanadihadian'i Navalny.

Araka ny nolazain'ny Novaya Gazeta, izay nanampy ny ekipan'i Navalny tamin'ny fanangonam-baovao momba ny kolikoly ataon'ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana, dia nandà tsy hamaly ny fanontaniana amin'ny fifandraisan'ny fampitandremana azon'ny Artdocfest sy ny fahitana taratra ao amin'ny filman'i Navalny an'i Medinsky ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.