- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Averin'i Pakistan Any Gresy Ireo Olona Sesintany Tsy Voamarina Noho Ny Politikan'ny Fifindra-monina Mihahenjana

Sokajy: Azia Atsimo, Gresy, Pakistana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Greece: Lesbos, 2015. The migrants at Moria Identification Centre, who come from Afghanistan, Pakistan, Eritrea and many other  countries, are detained by the police. Photo by International Federation of Red Cross and Red Crescent Societies, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

Gresy: Lesbos, 2015. Mpifindramonina avy any Afghanistan, Pakistan, Eritirea sy firenena maro hafa tazonin'ny polisy ao amin'ny foibem-panamarinam-panondroana ao Moria. Sary avy amin'ny Federasionan'ny Vokovoko Mena sy Volatsinana Mena Iraisampirenena, Lisansa CC BY-NC-ND 2.0.

Sokajin'ny maro ho faritra azo antoka sy ahafahana manao zavatra maro i Eoropa — saingy mety miova izany fomba fijery izany, satria nahatonga ireo firenena Eoropeana maromaro handroaka mpifindramonina sasany ny krizin'ny mpitsoa-ponenana farany izao (ny ratsy indrindra hatramin'ny nahavitan'ny Ady Lehibe faharoa) sy ny fitomboan'ny fandrahonana amin'ny fampihorohoroana.

Vao haingana i Gresy, izay nahitana isan'ny fifindra-monina betsaka indrindra no nandroaka olona 49 tany Pakistana, saingy nivadika ho nahatalanjona ny zavamisy raha niantsona tao amin'ny seranam-piaramanidina Islamabad ny fiaramanidina nitondra mpitsoa-ponenana. 19 tamin'ireo 49 voalaza fa “mpifindramonina tsy ara-dalàna [1]” ihany no navela hiditra tao Pakistan; tsy nety nandray ireo 30 ambiny [2]ny manampahefana, satria tsy afaka nanaporofo ny zom-pirenena Pakistaney izy ireo. Nalefan'i Pakistana niverina tany Gresy avy eo ilay fiaramanidina [3]miaraka amin'ny mpandeha 30-  sesintany avy any Gresy, Bolgaria ary Aotrisy – ary tsy manan-tanindrazana ankehitriny.

Eny an-dalana hiverina any Gresy ireo “olona 30 nafindra toerana tsy voamarina” avy any Gresy, hoy i Pakistan. Nafindra toerana 19 no navela hiditra taorian'ny fanamarinana.

VAOVAO FANAMPINY: tsy namela ireo mpifindra monina 30 nafindra avy any Gresy hiala ao anaty fiaramanidina ao Islamad i Pakistana

Fiaramanidina feno mpifindramonina tsy ara-dalàna ataon'i Gresy & Pak ping-pong. Namindra toerana i Gresy, tsy nanaiky nandray i Pakistana raha tsy misy ny antontan-taratasy mazava

Nahatonga ireo masoivoho [2]ao amin'ny firenena telo hirohotra any amin'ny seranam-piaramanidin'i Islamad ny fandavan'i Pakistana ny fandraisana ny mpifindra-monina ka nezahina ny nandresy lahatra ireo manampahefana misahana ny fifindra-monina handray ireo olona ambiny amin'ny fihazonana vonjimaika, saingy very maina ny ezaka. Olona sivy ambin'ny folo, avy any amin'ny faritanin'i Gujrat, Mandi Bahauddin, Dera Ghazi Khan ary Dera Ismail Khan, izay noraisina no nafindra hotazonina.

Politika henjan'ny Pakistaney mamerina ireo olona tsy voamarina

Araka ny filazan'ny Minisitry ny Atitany Chaudhry Nisar Ali Khan [2], dia namindra ireo mpifindra monina ho any Pakistan ny fitondram-panjakana Grika nefa tsy misy ny porofo mahafa-po nomena mikasika ny zom-pirenen'izy ireo. Namoaka fanambarana [2]ihany koa ny minisitra fa ampodiana ireo tsy ara-dalàna tsy manana antontan-taratasy mazava. Tamin'ny fanoritsoritana ireo mpifindramonina ho “tsy voamarina [11]” dia heverin'i Pakistan fa nanitsakitsaka ny lalàna Pakistaney mifandraika amin'ny fifanarahana teo amin'ny Vondrona Eoropeana sy Pakistan momba ny mpifindramonina tsy ara-dalàna sy ny fandroahana azy ireo ny Vondrona Eoropeana.

Nidera izany ezaka izany ny Pakistaney sasany. Ch. Adnan Tahir [12] nanoratra tao amin'ny Facebook:

Wow ch nisar ali khan rocks first time in pakistan's history he have send back a Greece jet with 30 pakistani deported citizens . Greece send them back without conformation from pakistani consulate.

Tsara, sambany nanao zavatra teo amin'ny tantaran'i Pakistan i ch nisar Ali Khan, namerina ny fiaramanidina tany Gresy niaraka tamin'ny olona 30 noroahina. Naverin'i Gresy tsy misy fifanarahana avy amin'ny kaonsilà Pakistaney izy ireo.

Nampanantena i Muhammad Maqsoodur Rehman [13] :

We won't let the world to treat us like a trash can! Pakistan sends deported migrants back to Greece.

Tsy avelantsika hihevitra antsika ho dabam-pako izao tontolo izao! Naverin'i Pakistan any Gresy ireo mpifindramonina noroahina

Sherjeel Butt [14] naneho hevitra hoe:

Pakistan refuses to allow 30 migrants deported from Greece to disembark from a plane. Man of his word ‘Interior Minister’.

Tsy nanaiky hamela ireo mpifindra monina 30 noroahana avy any Gresy hiala tao anaty fiaramanidina i Pakistan. Lehilahy tsy mivadika amin'ny teniny ny ‘Minisitry ny Atitany’.

Nanamafy ny politikany [15]momba ny fandraisana indray ireo mpifindramonina tamin'ny volana Novambra 2015 i Pakistan taorian'ny fihaonana teo amin'ny Vaomieran'ny Vondrona Eoropeana sy ny Minisitra Nisar mba handaminana ny fifandirana momba ny fandroahana olona mankany Pakistan. Efa nilaza i Nisar teo aloha teo fa firenena firenena roa mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana no mampody ireo Pakistaney amin'ny “fiampangana fampihorohoroana tsy mari-pototra”.

Tamin'ny volana lasa, nanaiky hamaha ny olan'i Pakistan ny Vondrona Eoropeana [16], izay nitarika fampiatoana ny fifanarahana fandraisana indray ny mpifindra monina eo amin'i Pakistaney-Vondrona Eoropeana. Raha nilaza ny vaomieran'ny vondrona Eoropeana fa alefa an'i Pakistan ireo olona roahina avy any Eoropa noho ny fitsipika fomba fiasa mahazatra voafaritra mazava tsara, nanipika ny Minisitra fa noho ny fifanarahana dia tsy hamela izay fiaramanidina mitondra olona voaroaka [16]hiantsona ao amin'ny taniny i Pakistan, “raha tsy hoe manamarina ny zom-pirenen'izy ireo izahay ary mahazo ny antsipirihany ny fiampangana sy ny porofo mamely azy ireo. “

Amin'ny ankapobeny, olona 90 000 no naverina indray tany [17]Pakistan tamin'ny taon-dasa noho ny antony samihafa,  anisan'izany ireo sasany nalefa niverina noho tsy fisian'ny porofo fa teratany Pakistan izy ireo, araka ny filazan'ny mpitondra tenin'ny minisiteran'ny Atitany. Pakistaney teo amin'ny 50.000 eo isan-taona no mandeha tsy ara-dalàna [18]mankany Eoropa noho ny asa – saingy Pakistaney teo amin'ny 21.000 tsy manana fahazoan-dalana tany Eoropa no nasaina niverina nody tamin'ny taona 2014.

Valintenin'ny Grika

Niziriziry hatrany i Gresy fa Pakistaney [19]ny mpandeha rehetra tamin'izany fiaramanidina izany. Nilaza [19]ny polisy manamboninahitra Grika fa “hisy ny fepetra horaisina” rehefa miverina any Gresy ireo mpifindramonina, saingy tsy nisy ny famelabelarana izany. Nilaza i Yiannis Mouzalas, minisitry ny fifindramonina Grika fa andraikitry ny Vondrona Eoropeana [19]ny mirotsaka an-tsehatra.

Sahirana amin'ny krizin'ny mpifindramonina, ka nanamafy ny lalànany sy ny fiarovana sisintany sy ny lalàna i Gresy, saingy manoloana ireo olona 700.000 tonga [20]tao amin'ny morontsirakany nanomboka tamin'ny volana Janoary 2015, dia mbola anisan'ny vavahady fidirana malaza indrindra ho an'ireo mpitady fialokalofana any Eoropa i Gresy.

Nisy lehilahy Maraokana iray vao haingana namoy ny ainy tao amin'ny sisintany Grika-Makedoniana [21]nandritra ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpifindramonina izay tafahitsoka nandritra ny herinandro maro. Anisan'ireo 3000 [22]tafahitsoka ao akaikin'ny tanàna Grika, Idomeni, ilay lehilahy, izay avy ao Maraoka, Pakistan ary Iran ny ankamaroany, ary tafahitsoka tao hatramin'ny nameran'i Makedonia ny fidiran'ny mpitsoa-ponenana avy any Syria, Iraka ary Afghanistan. Nahatonga an'i Gresy hiaro ireo mpifindramonina ny fahafatesany, fahafatesana voalohany teo amin'ny sisintanin'i Gresy sy Makedonia, nilaza i Mouzalas vao haingana fa handray fepetra hiatrehana ny fiharatsian'ny toe-javatra ny firenena.

Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny mpitsoa-ponenana mitsoaka ny ady ao Afovoany-Atsinanana na ny korontana any amin'ny firenen-kafa mankao Eoropa. Mpitsoa-ponenana sy mpifindra-monina maherin'ny 900.000 no tonga tao Eoropa tamin'ity taona ity fotsiny, araka ny tatitra farany avy amin'ny Fikambanana Iraisampirenena Misahana ny Fifindra-monina (IOM). [23]Nandrakitra fitomboan'ny fifindramonina avo indrindra tamin'ny taona 2015 i Gresy izay olona eo amin'ny 751.873 eo  no tonga avy any an-dranomasina- izay midika fa mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina manodidina ny 7.000 no tonga ao amin'ny tany Grika isan'andro.