- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maty Tamin'ny Lozanà Bisikilety Ilay Tanora Ogande Izay Nandihy Tamin'ilay ‘Sitya Loss’ , Lahatsarin-kira Nalaza Be Tamin'ny Aterineto

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina
A screenshot of the Jambole video from YouTube showing Alex Ssempijja (in a red shirt) dancing.

Dikasarin'ny lahatsarin'ny Jambole avy tamin'ny YouTube mampiseho an'i Alex Ssempijja (manao akanjo ambony mena) mandihy.

Maty ny 30 Novambra 2015, tamin'ny faha 14 taonany tamin'ny loza nitranga tamin'ny bisikilety [1] i Alex Ssempijja, mpikambana iray tao amin'ny vondrona Ogande “Ghetto Kids”. Nandihy tamin'ilay lahatsarin-kira malaza Ogande, tamin'ilay hira hoe “Sitya Loss” i Alex. Nahazo mpijery maherin'ny 15 tapitrisa ilay lahatsary izay lasa nalaza be tamin'ny Aterineto.

Nitaingina bisikilety i Alex, niaraka tamin'ilay namany mpandihy niaraka taminy, Patricia Nabakooza any Makindye, 12 taona, Kampala “surburb”, raha tsy nandeha tsara ireo hisatra. Nipitika teny amin'ireo vato izy roa ary taminà lavarangan'ny trano iray teo amin'ny sisin-dàlana, izay nanapaka ny tendan'i Alex. Nambara ho maty tany amin'ny hopitaly izy avy eo.

Any amin'ny sampana fitsaboana marary mafy ankehitriny i Patricia, ao amin'ny “Case Clinic Kampala”, nolazain'reo mpitsabo fa misy vokany aminy ireo fanafody na eo aza ireo tsahotsaho amin'ny Aterineto fa maty ihany koa izy. Ampiasaina izao ny tenifototra #PrayForPatricia [2] (Mivavaha ho an'i Patricia), mba handefasana firariantsoa ho azy mba ho sitrana soa haingana.

Nahazo fankasitrahana iraisam-pirenena ilay vondronà ankizy taorian'ny fisehoany tao amin'ny lahatsary Sitya Loss ny taona 2014. Nahitàna ny fahombiazan'i Eddy Kenzo [3], ilay mpitendry zava-maneno any aorian'ny lampihazo ihany koa ilay hira, nahazo ny Safidy Tsara Indrindra Amin'ny Mpanakanto Vaovao Iraisam-pirenena avy amin'ireo mpijery BET.

Ny rakikira YouTube ito ambany ito no lahatsary amin'ilay hira Sitya Loss :

Hita any anaty lahatsary maro an'i Eddy Kenzo ilay vondrona, tafiditra amin'izany ny Zivuga, So Good ary Jambole.

Mampiseho ilay vondrona mandihy ilay hira Jambole ny lahatsary  YouTube eto ambany:

Tamin'ny voalohandohan'ity taona ity, niresaka ilay vondrona ny British Broadcasting Corporation (BBC):

Alex kenzo

Hafatra fahatsiarovana nataon'i Eddy Kenzo ho an'i Alex, izay nozarainy tao amin'ny Facebook.

Maro ireo olo-malaza Ogande sy mpisera amin'ny Aterineto nampiasa ny media sosialy mba hanehoany ny hatairany ary nanolorany ny fiarahamioriny amin'ny fahalasanan'ilay tanora malaza be.

Nizara [4] sary sy hafatra tamin'ny Facebook i Kenzo, nanehoany hoe “hatraiza ny filàko anao” tao amin'ny asa mozikany. Nanisy resaka momba ireo tsahotsaho miely hoe tafiditra tamin'ny fahafatesan'i Alex ihany koa izy. Nangataka ny fianakaviana hametraka ny vatana mangatsiakan'i Alex alina iray tao amin'ny biraony izy, satria mahatsapa izy fa io no toerana tsara indrindra ho an'ireo mpankafy azy hanomezany ny fanajàna azy farany.

Nizara ny sariny niaraka tamin'i Patricia sy Alex ihany koa i Kenzo, nilaza [5] hoe:

Alex ry rahalahy keliko, ny lova napetrakao amin'ny maha mpandihy anao tato amin'ity indostria ity dia hijanona lalandava ho malaza araka ny fahaizanao, hanainga fanahy ireo ankizy maro avy amin'ny tanàna ambany, ary ho tsarovana ho lehilahy goavana izay niaina tao anatin'ity dihin'ny firahilahiana ity hatrany ianao.#‎Alex‬ [6] handry am-piadanana anie ny fanahinao….ry rahalahy keliko..olo-malazako foana ianao. Tsy vitako ny hitsahatra tsy mitomany ny “Salongo banange”-ko.

L-R Eddy Kenzo, Patricia and Alex. Photo from Eddy Kenzo Facebook

L-R Eddy Kenzo, Patricia sy Alex.
Sary avy tamin'ny pejt Facebook-n'i Eddy Kenzo.

Mpanakanto Ogande iray hafa, Jose Chameleone [7], nandefa [8] izao manaraka izao tao amin'ny Facebook:

Tena malahelo tanteraka aho tamin'ny Fahafatesan'ilay olo-malaza kely Alex Ssempijja. Miaraka amin'ny Fianakavianao, Mpakafy ary Namanao izahay rehetra amin'izao fahaverezana tampoka izao! Lasa aloha loatra ianao ary namela ho anay ireo Fahatsiarovana ny Toetranao faly lalandava, raha Nijery anao nandihy tamin'ny “Sitya Loss” izahay. Hanamafy an'i Eddy Kenzo sy ny tarika anie Andriamanitra satria mivavaka amin'Andriamanitra daholo izahay Hampandriany any amin'ny fiadanana Mandrakizay ny Fanahy Kelinao. Mivavaka ho an'i Lil’ Patricia izay any amin'ny hopitaly ihany koa izahay. Hapetrak'Andriamanitra eo aminao anie ireo Tanany mahasitrana.

Nilaza [9] izao ilay Ogande mpitendry, Juliana Kanyomozi [10]:

Mandria Am-piadanana (MAP) Alex (an'ny Sitya Loss), tamin'ny fiainanao fohy kely, nanova ny tany tamin'ny dihy ianao, mihoatra noho ny nataon'ny olona sasany nandritry ny fiainany manontolo. Feno ny tanjonao teto ambonin'ny tany. Tohizo ny fandihizana miaraka amin'ireo ambinà anjely any an-danitra any.
Hanohy hatrany hitondra am-bavaka an'i Patricia izahay.
Eddy Kenzo, mivavaka ho anao ry rahalahy. Mahereza.

Ao amin'ny Twitter, nandefa izao bitsika izao i  Eddy Pro, ilay mpahay momba ny dokambarotra:

ANDRIAMANITRO Ô!!! Tsy mety mino aho hoe lasa i Alex olo-malazan'ny sitya loss. Mandria am-Piadanana ry rahalahy. #GoneTooSoon (Lasa aloha loatra) #RIP

Raha tsy nety nino ilay vaovao kosa i Geosteady, Ogande mpanakanto :

Tsy mampino ny fahalasanan'i Alex (antsoiko hoe Salongo izy) iray amin'ireo mpandihin'ny Sitya loss. Ooooooh…

Nalevina ny 2 Desambra 2015 i Alex, tany Kibibi tanindrazany, eo amin'ny 100 kilometatra miala an'i Kampala renivohitra, .