- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsapan'ny Fianakaviana Syriana Iray Nanorim-ponenana Ao California ny Fangatsiatsiahana Taorian'ny Toe-Javatra Tao Parisy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Avaratra, Etazonia, Syria, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana
Gasem Al Hamad and his son, Mohamad, at their new home in Turlock, California. The Al Hamad family fled war in Syria and, after a three-year journey, arrived to the US as refugees.  Credit: Monica Campbell. Used with PRI's permission

Gasem Al Hamad sy ny zanany lahy, Mohamad, ao an-tranony vaovao ao Turlock, California. Nandositra ny ady tao Syria ny fianakaviana Al Hamad ary tonga tao Etazonia ho mpitsoa-ponenana taorian'ny dia naharitra telo taona. Sary: Monica Campbell. Nahazoana alalana tamin'ny PRI

Ity lahatsoratra nosoratan'i Monica Campbell [1] ho an'ny The World [2] ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org [3] tamin'ny 30 Novambra 2015, ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty-.

Raha sambany nitsidika [4] ny fianakaviana aho, teo am-panaovana fitsapana ho mpamily fiara i Gasem Al Hamad, raim-pianakaviana. Vaovao tsara. Nahomby izy. Raha nijanona tao amin'ny tranobe misy ny efitra fonenan'izy ireo izahay, dia teo am-panamoriana ny fiarany minivan i Al Hamad.

Mora ve ny fitsapana?

“Eny, mora ihany!” hoy izy sady nihomehy. (ny teny Arabo no mahavantana kokoa an'i Al Hamad, ary nanao ny fitsapana an-tsoratra tamin'izany teny izany izy ary tamin'ny teny Arabo ihany koa ny andrana hidirana ho mpamily fiara, miaraka amin'ny mpandika teny nanaraka tao aoriana. Na izany aza, tsy maintsy manaporofo izy fa afaka mamaky ny takelaka famantaran-dalana rehetra amin'ny teny Anglisy.)

Zava-bita izany, ary dingana bitika mankany amin'ny fiainam-baovao ao Etazonia. Vao tamin'ny volana Febroary i Al Hamad, ny vadiny, Wajed Al Khlifa, sy ny zanak'izy ireo no tonga teto rehefa nandositra ny ady tany Syria. Dia naharitra efa ho telo taona izany, nanomboka tamin'ny fotoana nialan'izy ireo ny tranony [izay efa voadaroka baomba] tao an-tanànan'i Homs hatramin'ny nanitsahana an'i Turlock, California, tanàna ambanivohitra adiny ora miala ao atsinanan'i San Francisco. Nalaina sy napetraky ny Komity Iraisampirenena misahana Famonjena Voina, izay manana birao ao Turlock mba hanorim-ponenana ao ry zareo.

Ankehitriny, taorian'ny fiandrasana ela dia ela, miha-mahafinaritra ny fiainana. Mianatra ny teny voalohany amin'ny teny Anglisy i Mohamad roa taona ary any an-tsekoly mianatra teny anglisy haingana ny mpiray tampo aminy telo izay vavy daholo. Valo taona i Arwa, vavimatoa, kilasy fahefatra ary mirehareha tamin'ny fahafahana fitsapana, indray andro. “Resaka fampitomboana ilay izy. Mora kely! “hoy izy.

Arwa, left, Marwa, center, and Rawan, right, tackle their homework on a recent afternoon. The sisters arrive to Turlock, California, in February, after fleeing war in Syria.  Credit: Monica Campbell. Used with PRI's permission

Arwa, ankavia, Marwa, afovoany, ary Rawan, ankavanana, manao ny entimodin'izy ireo mandritra ny tolakandro. Tonga tao Turlock, California ireo mpirahavavy tamin'ny volana Febroary rehefa nandositra ny ady tao Syria. Sary: Monica Campbell. Nahazoana alalana tamin'ny PRI

Mianatra teny anglisy ihany koa ireo ray aman-dreny isa-maraina. Miadana ny fandrosoan'izy ireo. Saingy laharam-pahamehana ny fianarana teny anglisy, hany ka tsy miasa ao amin'ny toeram-pamonoana biby halal ao akaiky intsony i Al Hamad, 35 taona – asa azony tao anatin'ny herinandro maromaro nahatongavany – fa mifantoka amin'ny fianarana teny anglisy. Tsy misy fidiram-bola hatramin'izao, mahazo tapakila anjara sakafo sy fanampiana ho an'ny vahoaka vatsian'ny fanjakana California ara-bola ny fianakaviana. Ny tanjona arak'asan'i Al Hamad any aoriana? “Te-hanana toeram-piompiana aho,” hoy izy. “Manonofy hanana toeram-piompiana aho.” Omby, osy, akoho. Tahaka ny nataony tao Syria.

Mandritra izany fotoana izany, miha mahazo namana ny fianakaviana. Nihaona tamin'ny ankamaroan'ny namany vaovao tao amin'ny moskea ao an-toerana izy mivady. Tahaka an'i Kiefa Aziz, Palestiniana Amerikana izay milaza fa nanjary “mpinamana tsy mifankafoy” izy sy Al Khlifa. Indray tolakandro, nanampy an'i Al Khlifa tamin'ny fiantsenana sakafo Andro Fankasitrahana voalohan'ny fianakaviana i Aziz. “Hampisehoako azy ny fomba fikarakarana ny sakafo,” hoy i Aziz, izay manampy miahy an'i Mohamad ihany koa.

The childrens' drawings in the bedroom of their new home in California. Arwa, 8, drew Syria's flag to "not forget where I'm from."  Credit: Monica Campbell. Used with PRI's permission

Sarisary nataon'ny ankizy tao amin'ny efitrano fatoriana ao amin'ny tranon'izy ireo vaovao ao California. Arwa, 8 taona, nanao ny sarin'ny sainam-pirenen'i Syria mba “tsy hanadinoina ny toerana niaviako.” Sary: Monica Campbell. Nahazoana alalana tamin'ny PRI

Mandritra izany fotoana izany, mianatra ny hasarotan'ny zavamisy ao Etazonia sy ny politikany ihany koa i Al Khlifa sy Al Hamad. Nifandray tamin'ny governora izy ireo – izay misolo tena ny antsasany mahery an'ny Etazonia ankehitriny – izay  manohitra ny fandraisana mpitsoa-ponenana Irakiana sy Syriana taorian'ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Frantsa noho ny ahiahy amin'ny fanaratsiana matetika mahazo ny mpitsoa-ponenana.

Manahy izy mivady fa hampiadana ny fahatongavan'ireo havana hafa ny tosi-bohontanana, anisan'izany ny rahalahiny sy ny zana-drahalahiny, izay manantena hankao Etazonia amin'ny manaraka. “Mihasarotra izany”, hoy i Al Khlifa. Milaza amin'ny fianakaviany izy fa taorian'ny fanafihana tao Paris, mety haharitra ela kokoa vao ho tafita soa eto.

Tsy mazava amin'izy ireo ihany koa ny fanontaniana ankehitriny amin'ny fiarovana sy ny mpitsoa-ponenana. Naharitra ela ny fizotry ny fangatahan'ny fianakaviana hialokaloka tao Jordania. Marobe ireo fanadihadiana natao sy ny fanamarinana ny mombamomba azy ireo teo aloha.

“Nanadihady ahy nandritra ny herintaona sy tapany izy ireo,” hoy i Al Hamad. “Manao tombokavatsa, na ratra eo amin'ny vatanao ve ianao? Oviana no maty ny dadanao? Ary ny mamanao? Efa tao amin'ny tafika ve ianao? Oviana ianao no nanao fanompoam-pirenena? Taiza? ” Tsaroan'i Al Hamad ny fahatongavany natao fanadihadiana manokana niaraka tamin'ny manampahefanan'i Etazonia iray tao Jordania nanomboka tamin'ny 8 maraina ary tamin'ny 9 ora alina vao tafala” Nisy ny fiatoana lavabe, ary dia nitohy indray ny fanontaniana hafa avy eo, “hoy i Al Hamad.

Ary nanomboka tamin'ny fanafihana tao Paris, mahatsapa fiovana izy ireo. Milaza i Al Khlifa, izay manao hijab fa mijery azy ny olona raha tsy nisy izany teo aloha. “Hatramin'ny nisian'ny fanafihana tao Paris, ny nitranga tao Paris, nisy ny fiovan-javatra,” hoy ramatoa.

“Manantena aho fa handalo fotsiny ihany ity fotoana ity,” hoy ny vadiny. “Manantena fandriampahalemana tsy hoe ela, ao Syria, sy manerana izao tontolo izao aho.”