Tantara tamin'ny 08 Desambra 2015
Mpiserasera Ao Taiwan No Ankamaroan'ireo Shinoa Mpampiasa Aterineto Manao Tsidi-Pahitra Ny Facebook
Tsai Ing-wen, ilay tsara toerana ho lasa filoham-pirenena manaraka ao Taiwan, vao haingana no nahita ny pejy Facebook rakotry ny hafatra tsy mamokatra. Sahala amin'ny toa hafatra nosoratan'ireo Shinoa mpisera mpomba ny governemanta izay afaka niditra tampotampoka teo tamin'ilay sehatra media sosialy, izay nosakanana nanerana an'i Shina nanomboka ny taona 2009. Raha tokony ho nofafàna.
Maka Sary Ny Ranomandry Fanombohan'ny Vanim-potoana Ny Iraniana
Matetika no lasa manaitra izay tsy zatra ny firenena fa manana vanin-taona efatra i Iran ary tafiditra amin'izany ny ririnina firotsahan'ny ranomandry.
Dian'ilay Mpanao Gazety Olo-tsotra Ao Anatin'ny Tanànan'i Aleppo Ravan'ny Daroka Baomba An'habakabaka
Midika izany matetika fa mihazakazaka i Rami Jarrah mba hijery ny voka-dratsin'ny daroka baomba ao Aleppo, tahaka ny nataony vao haingana raha nihaona tamina raim-pianakaviana raiki-tahotra, mitaintainana mitady ny hava-tiany izy.
Nahoana No Nanapaka Ny Arabe Ireo Sofina Goavambe? Mba Hanohitra Ny Fanarahamason'ny Fanjakana Ao Makedonia
Ilay fahainoana ara-elektronika atao hoe "baomba" navoakan'ireo lehiben'ny antoko mpanohitra efa ho iray taona lasa izay, no namboraka fa noraisina antsokosoko anaty rakipeo ny seraseran'ireo olona maherin'ny 20.000 tany Makedonia.
Tsapan'ny Fianakaviana Syriana Iray Nanorim-ponenana Ao California ny Fangatsiatsiahana Taorian'ny Toe-Javatra Tao Parisy
Miha-mahafinaritra ny fiainana ho an'ity fianakaviana Syriana nanorim-ponenana tao California ity, saingy miahiahy izy ireo fa mety tsy hahazo fahazoan-dalana ny fianakavian'izy ireo, izay manantena hihazo an'i Etazonia ihany koa atsy ho atsy.
Rastafari Rootzfest, Mankalaza Ny Fanalalahan'i Jamaika Ny Rongony Mariroanà
Ny Rastafari Rootzfest -- "fetiben'ny ganja miaro fampianarana", voalohany ho an'i Jamaika hatrizay-- manokatra ny làlana ho an'ilay nosy mba hanamboatra ny marika amantarana azy amin'ilay indostrian'ny mariroanà (marijuana) vao mipongatra ho amin'ny tany tontolo.
Lehilahy Ekoetoriana Niatrika Famonjàna 18 Volana Noho Ny Nitehafany Tamin'ny Fihetsiketsehana Iray
Na naseho aza ny porofo hoe nitehaka fotsiny izy tamin'io andro io, nosaziana 18 volana an-tranomaizina ilay olom-pirenena Ekoatoriana, nolazaina hoe niray tsikombakomba tamin'ilay fanafihana natao tamin'ny fahitalavi-panjakana ao Ekoatora.