Nataon'ny baomban'i Etazonia tsy azo diavina fa azo jerena amin'ny alalan'ny tantelimby indray ny fijerena ity toerana manantantara ity

Plain of jars in north Laos. Photo from the Flickr page of damien_farrell (CC License)

Lemaky ny Siny any Laos avaratra. Sary avy amin'ny pejy Flickr an'i damien_farrell (CC License).

Sary vaovao nalaina tamin'ny tantelimby [drone] manome fijery avy any an'habakabaka tsy fahita firy amin'ny Lohasahan'ny Siny feno misitery ao Laos avaratra.

Ny faritanin'i Xieng Khouang no itoeran'ny siny vato mihoatra ny 2000 ary inoana ho efa 2000 taona. Maro ireo mpampianatra mpikaroka fa natao ho vata itoeran'ny maty navelan'ny sivilizasiona tsy fantatra ireo siny ireo. Misongadina sady tsy manampaharoa io habaka arkeôlôjika io ao Azia Atsimo Atsinanana, saingy mbola tsy voatrandraka satria ilevenan'ireo baomba mahafaty maro tsy nipoaka nalatsaky ny Amerikana nandritra ny adin'i Vietnam.

Laos, mpifanolotra sisintany amin'i Vietnam, no firenena nodarohana baomba mavesatra indrindra teto ambonin'ny tany nandritra ny adin'i Vietnam. Tombanana ho eo amin'ny 2 tapitrisa eo ho eo ny baomba nalatsaka tao Laos tanelanelan'ny taona 1964 ka hatramin'ny 1973, saingy tsy nipoaka ny tokony ho 30 isanjaton'ireo. Mbola mandratra sy mamono ireo Laosiana tantsaha ihany hatramin'izao fotoana izao ireo baomba tsy nipoaka ireo.

Ao anatin'ireo faritany maro handrian'ny vanja milevina sy baomba tsy nipoaka ny Lemaky ny Siny, tsy ahafahan'ny arkeôlôgy mandalina ireo asatanana feno misitery ireo.

Manazava ny maha zavadehibe ireo siny ireo sy ny tsy ahafahan'ny mpikaroka manao fanadihadiana lalina ao amin'io habaka arkeôlôjika io ny Bolongam-baovao The Southeast Asian Archaeology :

The mysterious plain of jars in Northeastern Laos is still one of the biggest uninvestigated archaeological sites in Southeast Asia—largely uninvestigated because of the huge amount of cluster bombs dropped there by US forces 40 years ago. From what little that has been investigated, it seems that the jars were places of transition in the funerary rite where bodies were left to decompose before going through a final burial.

Iray amin'ireo toerana arkeôlôjika lehibe indrindra ao Azia Atsimo Atsinanana tsy mbola voahadihady ny lemaky ny siny feno misitery ao Laos avaratra atsinanana—tsy voahadihady tamin'ny ankapobeny noho ny habetsaky ny baomba nalatsaky ny tafik'i Etazonia tao 40 taona lasa izay. Na dia kely aza ny efa voahadihady, dia tahaka ny toerana tetezamita eo amin'ny fombafombam-pandevenana hametrahana ny vatana hihalo eo ireosiny ireo mialoha ny handevenana azy tanteraka.

Ankehitriny, anefa, noho ny fandrosoan'ny teknôlôjia, dia afa-mitondra antsika hijery avy eny an'habakabaka ny lohasaha lasa mampididoza loatra hoan'ny olona ny tantelimby [drone]. Manome antsika ny topimason'ny toerana arkeôlôjika feno ankamantatra ity lahatsary maharitra telo minitra. Asehon'ny lahatsary ihany koa ny lavaka nateraky ny baomba sy ireo hady iarovan-tena an'ady—navelan'ny adin'i Vietnam :

Antenaina fa hiteraka fanairana momba ireo siny ireo sy hitarika ho amin'ny ezaka fitehirizana io lahatsary io. Amin'ny maha-mpampianatra mpikaroka an'i Lia Genovese no nanamarihany, fa maro ny fanamby atrehina ho fiarovana ireo siny ireo:

…conservation efforts are being largely hampered by other factors, such as rapid urbanization, farming activities, looting and neglect.

…voahelingelin'ny singa hafa, toy ny fiitatry ny tanandehibe, ny asam-piompiana sy fambolena, ny fandrobana ary ny tsy firaharahiana ny ezaka fitehirizana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.