- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hahafoana ny fahafahana maneho hevitra ve ny naotin'ny polisy ao Indonezia miompana amin'ny tenim-pankahalana?

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
Indonesian police. Photo from Flickr page of Sbamueller. CC License. [1]

Polisy Indoneziana. Sary tao amin'ny pejy Flickr-n'i Sbamueller. Lisansa CC.

Namoaka naoty vaovao mampifandray ny lahatenim-pankahalana amin'ny fehezan-dalàna mifehy ny heloka bevava ao amin'ny firenena ny polisy Indoneziana. Raha nilaza ny polisy fa ilaina ny misoroka ny fifandirana ara-piarahamonina, dia nosokajian'ireo mpikatroka ho fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana izany.

Tamin'ny 8 Oktobra, nanasonia Naoty No. SE / 6 / X / 2015 mikasika ny fifehezana kabarim-pankahalana (ujaran kebencian) ny lehiben'ny polisy. Nofaritan'ny naoty tamin'ny fitanisana ireo fehezan-dalàna maromaro efa misy ao amin'ny lalàna misahana ny heloka bevava ny lahatenim-pankahalana sady manitatra ny sehatry ny [lalànan'ny] heloka bevava.

Tafiditra ao anatin'ny tenim-pankahalana ankehitriny ny fihetsika manevateva, manala baraka, miteny ratsy zavatra masina (penistaan), fihetsika mety manafintohina (perbuatan tidak menyenangkan), fihetsika feno fihantsiana, fandrisihana ary fampielezana vaovao diso. Tanisain'ny naoty ihany koa ny fomba ielezan'ny tenim-pankahalana: kabary fanentanana, sora-baventy, fampitam-baovao sosialy, famoriam-bahoaka, toritenim-pivavahana, haino aman-jery mipaka amin'ny vahoaka ankapobeny ary ny fampitambaovao elekt'rônika.

Nilaza ny polisy fa ny naoty dia nokasaina [2] hitarihan-dalana ny fampiharana ny lalàna amin'ny fomba hifehezana ny tenim-pankahalana sy isorohana ny fihanaky ny herisetra, indrindra amin'ny ady ara-pivavahana. Indonezia no manana mponina be silamo indrindra mihoatra noho ny firenen-kafa eto amin'izao tontolo izao. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, dia notafihan'ny mpivavaka hiringiriny sy mahery fihetsika ny fiarahamonin'ny vitsy an'isa sy ny fiangonana kristianina sasantsasany.

Inspektera Jeneraly Anton Charliyan, filohan'ny sampan-draharahan'ny fifandraisana amin'ny vahoaka ao amin'ny polisy nasionaly, nanazava [3] ny maha zava-dehibe ilay naoty :

We cannot afford to let these new technologies and digital tools to be misused and abused. A tongue can be like fire. Do not speak rashly. Reflect your culture through a positive use of words and language, and show that we are a well-mannered nation.

Tsy zakanay ny mamela ireo fitaovan'ny tenolojia vaovao sy nomerika vaovao ireo ho ampiasaina amin'ny tsy mety sy hanaovana fihoaram-pampiasana azy. Tahaka ny afo ny lela. Aza miteniteny foana. Jereo amin'ny fampiasa teny sy fiteny mety ny kolontsainao, ary asehoy fa firenena tsara fomba isika.

Haingana tamin'ny fitsikerana ny naoty ho fepetra tsy tena ilaina mety hitarika any amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ireo mpikatroka, vondrona mpampita vaovao ary mpahay lalàna sasany.

Bagir Manan, filohan'ny Vaomieran'ny Gazety ao Indonezia, niteny tamin'ny gazety Jakarta Globe fa fiverenan-dalana [4] mankany amin'ny fotoanan'ny fanjanahantany ny naoty raha heverina ho tenim-pankahalana ny fitsikerana ny manampahefana:

I have my own concern about that circular. It indeed tells people to watch their tongues when it comes to spreading hatred. But it also says that there are legal actions for spreading hatred. That could be dangerous.

Do we really want to go back to that period of time? What kind of democracy would that be if one expressed his opinions and then was sent behind bars?

Manana ny ahiahiko manokana aho momba ilay naoty. Miteny ny olona indrindra io [hitandrina amin'ny] lelany rehefa hampiely fankahalana. Saingy milaza ihany koa iofa misy ny hetsika ara-dalàna amin'ny fampielezana fankahalana. Mety hampidi-doza izany.

Te-hiverina amin'izany fotoana izany tokoa ve isika? Karazana demôkrasia manao ahoana moa izany raha misy iray maneho ny heviny ary dia alefa any am-ponja izy?

LBH Pers, Ivontoerana iray mpanolotsaina amin'ny lalàna, nampitandrina [3] fa mety hikendry feom-panoherana ara-drariny ny naoty. Misy tsonga tamin'ny fanambarana nataon-dry zareo navoakan'ny Hukum Online:

The application of the law here could result in wrongful arrest, as those who will end up being arrested will not be the actual perpetrators, and this will ultimately prove to be a source of tension. It is better to separate defamation from hate speech, so that police officers don’t end up abusing their authority as they attempt to handle such an obscure provision.

Mety ho tonga any amin'ny fisamborana tsy mety ny fampiharana ny lalàna eto, raha toa mety tsy ho ilay nanao azy no hosamborina, ary izay no mety hiteraka fifandirana. Tsara kokoa ny manasarana ny fanalam-baraka amin'ny tenim-pankahalana, mba tsy hihoatra amin'ny fahefana ananany ny polisy raha mitàna io fampitandremana hafahafa io.

Yerry Nikholas Borang avy amin'ny vondrona fampitam-baovao marolafy Engage Media ihany koa dia manahy [5] fa manome alalana malalaka kokoa hoan'ny polisy ny naoty :

…this hands the police a powerful weapon, allowing it to decide what can and cannot be categorized as hate speech, and is absolutely problematic and dangerous.

…manome fitaovam-piadiana matanjaka hoan'ny polisy io, mamela azy hanapa-kevitra amin'izay mety ho heverina ho tenim-pankahalana na tsia, ary mety hiteraka olana sy mampidi-doza.

Tian'ny [6] minisitry ny lalàna sy ny zon'olombelona teo aloha, Amir Syamsuddin, ny polisy hanaisotra ilay naoty, fa mety hiteraka savorovoro io :

People may think that the circular wants to limit the freedom of expression. It also could be considered as social control and it could be considered as being against democracy.

Mety hieritreritra ny olona fa mety hametra ny fahalalaham-panehoan-kevitra io. Mety heverina hifehezana ny fiaraha-monina ihany koa io ka iheverana azy ho mifanohitra amin'ny demôkrasia.

Tamin'ny matoandahatsoratra iray ny gazety Jakarta Post nanaiky ny lanjan'ilay naoty amin'ny famahana ny olan'ny fiharatsian'ny adi-hevitra an-tserasera saingy nanolo-kevitra [7] hijery indray mandeha ny famaritana mivelatra amin'ny ataony hoe tenim-pankahalana :

Given too many questionable cases of insult and defamation, dropping the categories from the new circular would lead to better focus on hate speech.

Noho ny fahamaroan'ny raharahan'ompa sy fanaratsiana maro mampanontany tena ihany, ny fanesorana ireo sokajy ireo ao amin'ny naoty vaovao no mety hitarika bebe kokoa amin'ny fifantohana amin'ny tenim-pankahalana.

Irfan Abubakar, talen'ny Foibem-Pandalinana ny Fivavahana sy ny Kolontsaina ao amin'ny Oniversitem-Panjakana Islamika Syarif Hidayatullah ao Jakarta, dia nampivohitra [8] fa tsy mampiditra ho heloka bevava ny zon'ny olompirenena hitsikera ireo manampahefana fanta-bahoaka ilay naoty.

Nandrisika ny polisy izy hampiverina ny fitokisam-bahoaka ho amin'ny toerany:

The circular is important momentum for improved state protection of minority religious groups whose rights have too often been violated. But how far the circular is able to contribute to improved management of religious conflict depends on the commitment of police to actually implement the circular in the way its drafters intended.

At the same time, police now have the tough job of responding to scepticism and misunderstanding in the community because of the widespread equation of hate speech with all forms of public criticism. It must be stressed that the circular was not intended to silence freedom of expression or smother democratic reforms. Rather, it is a much-needed reminder to police to act on hate speech before it becomes hate crime.

Manana anjara toerana lehibe ilay naoty amin'ny fanatsarana ny vondrom-pivavahan'olona vitsy an'isa izay tsy voahaja matetika loatra ny zony. Saingy ny herin'ilay naoty ho fanatsarana ny fitantanana ny fifandirana ara-pivavahana dia miankina amin'ny fanolorantenan'ny polisy hametraka azy tokoa araka ny kinasan'ny mpamolavola.

Amin'izay fotoana izay ihany koa ny polisy dia ho mafy asa amin'ny fisalasalana sy ny tsi-fifankahazoan-kevitra eo amin'ny fiaraha-monina noho ny fitovian'ny fielezan'ny tenim-pankahalana amin'ny endrika ampahibemason'ny tsikera rehetra. Tsy maintsy soritana fa tsy natao hampanginana ny fahalalaham-panehoankevitra na hanalefaka ny fanitsiana demôkratika ilay naoty. Fa na izany aza dia fitadidiana amin'ny polisy io hihetsika amin'ny tenim-pankahalana io mialoha ny ivadihany ho vono olona noho ny fankahalana.

Ny amin'ny hoe manabe ny ao aminy hiatrika ny tenim-pankahalana ao amin'ny fiaraha-monina dia ankatoavin'ny maro ho fandraisana andraikitra tsara fitontona. Na ny fampiharana ny naoty dia mety hitarika tokoa amin'ny fihoaram-pahefana dia ahiahy tsy maintsy vahan'ny governemanta. Ny ahiahy ny amin'ny mety hamilian'ny polisy ny iraka lazain'ny naoty ho amin'ny tombontsoany manokana dia mitaratra ny tsy fahazoan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny loatra ny.fampiharana ny lalàna [9].

Tsy dia manampy loatra ny governemanta ny mamoaka lalàna maro sy politikam-panaovan-dalàna [10] teo alohaloha teo ahitana lalàna efa mipetraka mety hanimba zon'ny tsirairay.