Hahafoana ny fahafahana maneho hevitra ve ny naotin'ny polisy ao Indonezia miompana amin'ny tenim-pankahalana?
Namoaka naoty vaovao mampifandray ny lahatenim-pankahalana amin'ny fehezan-dalàna mifehy ny heloka bevava ao amin'ny firenena ny polisy Indoneziana. Raha nilaza ny polisy fa ilaina ny misoroka ny fifandirana ara-piarahamonina, dia nosokajian'ireo mpikatroka ho fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana izany.
Tamin'ny 8 Oktobra, nanasonia Naoty No. SE / 6 / X / 2015 mikasika ny fifehezana kabarim-pankahalana (ujaran kebencian) ny lehiben'ny polisy. Nofaritan'ny naoty tamin'ny fitanisana ireo fehezan-dalàna maromaro efa misy ao amin'ny lalàna misahana ny heloka bevava ny lahatenim-pankahalana sady manitatra ny sehatry ny [lalànan'ny] heloka bevava.
Tafiditra ao anatin'ny tenim-pankahalana ankehitriny ny fihetsika manevateva, manala baraka, miteny ratsy zavatra masina (penistaan), fihetsika mety manafintohina (perbuatan tidak menyenangkan), fihetsika feno fihantsiana, fandrisihana ary fampielezana vaovao diso. Tanisain'ny naoty ihany koa ny fomba ielezan'ny tenim-pankahalana: kabary fanentanana, sora-baventy, fampitam-baovao sosialy, famoriam-bahoaka, toritenim-pivavahana, haino aman-jery mipaka amin'ny vahoaka ankapobeny ary ny fampitambaovao elekt'rônika.
Nilaza ny polisy fa ny naoty dia nokasaina hitarihan-dalana ny fampiharana ny lalàna amin'ny fomba hifehezana ny tenim-pankahalana sy isorohana ny fihanaky ny herisetra, indrindra amin'ny ady ara-pivavahana. Indonezia no manana mponina be silamo indrindra mihoatra noho ny firenen-kafa eto amin'izao tontolo izao. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, dia notafihan'ny mpivavaka hiringiriny sy mahery fihetsika ny fiarahamonin'ny vitsy an'isa sy ny fiangonana kristianina sasantsasany.
Inspektera Jeneraly Anton Charliyan, filohan'ny sampan-draharahan'ny fifandraisana amin'ny vahoaka ao amin'ny polisy nasionaly, nanazava ny maha zava-dehibe ilay naoty :
We cannot afford to let these new technologies and digital tools to be misused and abused. A tongue can be like fire. Do not speak rashly. Reflect your culture through a positive use of words and language, and show that we are a well-mannered nation.
Tsy zakanay ny mamela ireo fitaovan'ny tenolojia vaovao sy nomerika vaovao ireo ho ampiasaina amin'ny tsy mety sy hanaovana fihoaram-pampiasana azy. Tahaka ny afo ny lela. Aza miteniteny foana. Jereo amin'ny fampiasa teny sy fiteny mety ny kolontsainao, ary asehoy fa firenena tsara fomba isika.
Haingana tamin'ny fitsikerana ny naoty ho fepetra tsy tena ilaina mety hitarika any amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ireo mpikatroka, vondrona mpampita vaovao ary mpahay lalàna sasany.
Bagir Manan, filohan'ny Vaomieran'ny Gazety ao Indonezia, niteny tamin'ny gazety Jakarta Globe fa fiverenan-dalana mankany amin'ny fotoanan'ny fanjanahantany ny naoty raha heverina ho tenim-pankahalana ny fitsikerana ny manampahefana:
I have my own concern about that circular. It indeed tells people to watch their tongues when it comes to spreading hatred. But it also says that there are legal actions for spreading hatred. That could be dangerous.
Do we really want to go back to that period of time? What kind of democracy would that be if one expressed his opinions and then was sent behind bars?
Manana ny ahiahiko manokana aho momba ilay naoty. Miteny ny olona indrindra io [hitandrina amin'ny] lelany rehefa hampiely fankahalana. Saingy milaza ihany koa iofa misy ny hetsika ara-dalàna amin'ny fampielezana fankahalana. Mety hampidi-doza izany.
Te-hiverina amin'izany fotoana izany tokoa ve isika? Karazana demôkrasia manao ahoana moa izany raha misy iray maneho ny heviny ary dia alefa any am-ponja izy?
LBH Pers, Ivontoerana iray mpanolotsaina amin'ny lalàna, nampitandrina fa mety hikendry feom-panoherana ara-drariny ny naoty. Misy tsonga tamin'ny fanambarana nataon-dry zareo navoakan'ny Hukum Online:
The application of the law here could result in wrongful arrest, as those who will end up being arrested will not be the actual perpetrators, and this will ultimately prove to be a source of tension. It is better to separate defamation from hate speech, so that police officers don’t end up abusing their authority as they attempt to handle such an obscure provision.
Mety ho tonga any amin'ny fisamborana tsy mety ny fampiharana ny lalàna eto, raha toa mety tsy ho ilay nanao azy no hosamborina, ary izay no mety hiteraka fifandirana. Tsara kokoa ny manasarana ny fanalam-baraka amin'ny tenim-pankahalana, mba tsy hihoatra amin'ny fahefana ananany ny polisy raha mitàna io fampitandremana hafahafa io.
Yerry Nikholas Borang avy amin'ny vondrona fampitam-baovao marolafy Engage Media ihany koa dia manahy fa manome alalana malalaka kokoa hoan'ny polisy ny naoty :
…this hands the police a powerful weapon, allowing it to decide what can and cannot be categorized as hate speech, and is absolutely problematic and dangerous.
…manome fitaovam-piadiana matanjaka hoan'ny polisy io, mamela azy hanapa-kevitra amin'izay mety ho heverina ho tenim-pankahalana na tsia, ary mety hiteraka olana sy mampidi-doza.
Tian'ny minisitry ny lalàna sy ny zon'olombelona teo aloha, Amir Syamsuddin, ny polisy hanaisotra ilay naoty, fa mety hiteraka savorovoro io :
People may think that the circular wants to limit the freedom of expression. It also could be considered as social control and it could be considered as being against democracy.
Mety hieritreritra ny olona fa mety hametra ny fahalalaham-panehoan-kevitra io. Mety heverina hifehezana ny fiaraha-monina ihany koa io ka iheverana azy ho mifanohitra amin'ny demôkrasia.
Tamin'ny matoandahatsoratra iray ny gazety Jakarta Post nanaiky ny lanjan'ilay naoty amin'ny famahana ny olan'ny fiharatsian'ny adi-hevitra an-tserasera saingy nanolo-kevitra hijery indray mandeha ny famaritana mivelatra amin'ny ataony hoe tenim-pankahalana :
Given too many questionable cases of insult and defamation, dropping the categories from the new circular would lead to better focus on hate speech.
Noho ny fahamaroan'ny raharahan'ompa sy fanaratsiana maro mampanontany tena ihany, ny fanesorana ireo sokajy ireo ao amin'ny naoty vaovao no mety hitarika bebe kokoa amin'ny fifantohana amin'ny tenim-pankahalana.
Irfan Abubakar, talen'ny Foibem-Pandalinana ny Fivavahana sy ny Kolontsaina ao amin'ny Oniversitem-Panjakana Islamika Syarif Hidayatullah ao Jakarta, dia nampivohitra fa tsy mampiditra ho heloka bevava ny zon'ny olompirenena hitsikera ireo manampahefana fanta-bahoaka ilay naoty.
Nandrisika ny polisy izy hampiverina ny fitokisam-bahoaka ho amin'ny toerany:
The circular is important momentum for improved state protection of minority religious groups whose rights have too often been violated. But how far the circular is able to contribute to improved management of religious conflict depends on the commitment of police to actually implement the circular in the way its drafters intended.
At the same time, police now have the tough job of responding to scepticism and misunderstanding in the community because of the widespread equation of hate speech with all forms of public criticism. It must be stressed that the circular was not intended to silence freedom of expression or smother democratic reforms. Rather, it is a much-needed reminder to police to act on hate speech before it becomes hate crime.
Manana anjara toerana lehibe ilay naoty amin'ny fanatsarana ny vondrom-pivavahan'olona vitsy an'isa izay tsy voahaja matetika loatra ny zony. Saingy ny herin'ilay naoty ho fanatsarana ny fitantanana ny fifandirana ara-pivavahana dia miankina amin'ny fanolorantenan'ny polisy hametraka azy tokoa araka ny kinasan'ny mpamolavola.
Amin'izay fotoana izay ihany koa ny polisy dia ho mafy asa amin'ny fisalasalana sy ny tsi-fifankahazoan-kevitra eo amin'ny fiaraha-monina noho ny fitovian'ny fielezan'ny tenim-pankahalana amin'ny endrika ampahibemason'ny tsikera rehetra. Tsy maintsy soritana fa tsy natao hampanginana ny fahalalaham-panehoankevitra na hanalefaka ny fanitsiana demôkratika ilay naoty. Fa na izany aza dia fitadidiana amin'ny polisy io hihetsika amin'ny tenim-pankahalana io mialoha ny ivadihany ho vono olona noho ny fankahalana.
Ny amin'ny hoe manabe ny ao aminy hiatrika ny tenim-pankahalana ao amin'ny fiaraha-monina dia ankatoavin'ny maro ho fandraisana andraikitra tsara fitontona. Na ny fampiharana ny naoty dia mety hitarika tokoa amin'ny fihoaram-pahefana dia ahiahy tsy maintsy vahan'ny governemanta. Ny ahiahy ny amin'ny mety hamilian'ny polisy ny iraka lazain'ny naoty ho amin'ny tombontsoany manokana dia mitaratra ny tsy fahazoan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny loatra ny.fampiharana ny lalàna.
Tsy dia manampy loatra ny governemanta ny mamoaka lalàna maro sy politikam-panaovan-dalàna teo alohaloha teo ahitana lalàna efa mipetraka mety hanimba zon'ny tsirairay.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...