Mihaika ny Dinam-Piarahamonina Ao Venezoelà ny Kandidà Iray Nanova Taovam-Pananahana

Tamara Adrián, afovoany, nandritra ny iray amin'ireo fitetezana fampahafantarana ny firotsahany ho kandidà ho ao amin'ny Antenimieram-pirenena ao Venezoelà. Sary avy amin'ny kaontiny Facebook.
Fotoan-dehibe ho an'i Tamara Adrián, ny mahita ny anarany voasoratra ao amin'ny vatom-pifidianana amin'ny fifidianana parlemantera hotontosaina amin'ny 6 Desambra 2015 ao Venezoela — tsy amin'ny maha-trans voalohany nirotsaka ho kandidà azy eo amin'ny tantaran'ny firenena ihany, izay efa zavabita rahateo, fa ny fahitana ihany koa fa farafaharatsiny mba mifandraika amin'ny karazam-pananahana misy azy ny mari-panondroana azy ao amin'io antonta-taratasy io.
Tsy izany manko no mitranga amin'ny kara-panondrony, ny pasipaorony na amin'ny karatry ny banky, izay mbola hanondroana azy ho Tomás Adrián ihany. Mitranga izany na dia teo aza ny fanovana taovam-pananahana nataony tany Thailandy tamin'ny 2002 sy ny fangatahana nataony tany amin'ny Fitsarana Tampony roa taona taoriana mba hankatoavana ny mari-panondroana azy vaovao.
Mihoatra ny folo taona taty aoriana, mbola eo am-piandrasana ny valiny hatrany izy.
Tsy izy irery no manan-draharaha eny amin'ny fitsarana tahaka izany, ary tsy izy ihany koa no fanta-daza indrindra momba izany. Raharaha efa miely izany ao amin'ny fiarahamonina LGBT any Amerika Atsimo. Mariazim-pitoviana, fiovana anarana tsotra na mahalahy/vavy ao amin'ny karapanondro ary fiarovana araka ny lalàna ho an'olon-droa miaraka no sasantsasany fotsiny amin'ny lohahevitra mila kitihina iadian-kevitra ao amin'ny parlemanta.
Amin'ity toedraharaha ity dia mahatalanjona ny fipongaran'ireo kandidà trans [nanova taovam-pananahana] any amin'ny fifidianam-paritra. Nirotsaka tao amin'ny lisitry ny Voluntad Popular, antokon'ny fanoherana ao amin'ny distrikan'ny renivohitra izy.
“Tsy niditra antoko mihitsy aho teo aloha, fa efa nandray anay tsara ny Voluntad Popular,” hoy ny nolazainy tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny Skype.
Noresahan'i Adrián ny “trosan'ny” Antenimieram-Pirenena Venezoelana amin'ireo vitsy an'isa ara-pananahana isankarazany.
La situación de falta de reconocimiento en Venezuela se hace más patente cuando se le compara con la realidad de los países vecinos. Toda América Latina reconoce la identidad de las personas trans. En el caso de México, Colombia, Ecuador, Uruguay, Argentina y Chile, este reconocimiento es posible sin necesidad de operaciones genitales. Venezuela se ha quedado tan lejana en relación a la región. Sin embargo, fue el primer país de Latinoamérica en reconocer la identidad de personas trans en 1977”.
Miharihary kokoa ny tsy fisian'ny fankatoavana ao Venezoelà raha ampitahaina amin'ny zavamisy amin'ny firenena manodidina. Efa mankato ny mari-panondroana ny trans i Amerika Latina iray manontolo. Raha jerena ny ao Meksika, Kolombia, Ekoadaoro, Orogoay, Arzantina ary Shily, Efa azo atao, tsy mila fandidiana, izany fankatoavana izany. Raha jerena ny ao amin'ny faritra dia tratra aoriana i Venezoela. Saingy izy no firenena Amerikana Latinina voalohany nankato ny mari-panondroana ny vahoaka trans tamin'ny 1977.
Talohan'ny 1998, dia antonta-taratasim-piovana mari-panondroana 150 no efa nankatoavina, saingy tsy nisy intsony izany nanomboka hatreo, hoy i Adrián. “Nitranga izany noho ny lasitra nisy tamin'izany fotoana, rehefa tsy maintsy natao aloha ny fandidiana,” hoy ny fanazavany. Taorian'izany dia nisy ny fiovana ara-politika teo am-pelantanan'ny Hugo Chávez. Nisy ireo fikambanana ara-piarahamonina sy ara-politika tao amin'ny faribolan'ny governemanta niezaka ny hampiditra ny fangatahan'ny LGBT ao amin'ny adihevitra ara-politika, saingy tsy noraharahian'ny sangany mitondra ry zareo.
“Indrisy moa fa tsy azon'ny Chavisma ny endrika maoderina maro noho ny fahamaroan'ny soritra maro dia maro tahaka ny militarisma, fisoloantena evanjelika be loatra, tsy firaharahiana ny zon'olombelona ary ny fampiofanana Marxista-Leninista-Stalinista natao ny mpitarika azy. Ireo ambony ireo no nitsitaitaika niteraka ny tsy fisian'ny fanoloran-tena hikarakara ny fiarahamonina LGBT,” hoy i Adrián, izay niofana ho mpahay lalàna tao amin'ny Oniversite Katolika Andrés Bello ao Venezoelà sy tao amin'ny Oniversite Panthéon-Assas tao Paris.
Araka ny hevitr'i Adrián, tsy mitaratra ny fihetseham-pon'ny fiarahamonina venezoelana manoloana ny zon'ireo fiarahamonina ara-pananahana isankarazany ny toerana ijoroan'ny governemanta [ny hevitry ny governemanta]. Tiany ihany koa ny manazava fa tsy ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LGBT rehetra no miaraka amin'ny antokon'ny fitondrana PSUV (Antoko Sosialista Tafaray eto Venezoelà), fa miely mihoatra ny antoko iray ny fijery ara-politikan'izy ireo.
El 97 por ciento de las reacciones de la gente en las redes sociales ante el trabajo que estoy haciendo con Voluntad Popular son positivas. Solo hay reacciones negativas de parte de algunos fanáticos religiosos del Opus Dei, grupos evangélicos o chavistas. Ven mi candidatura como una amenaza a la propaganda que ellos han tenido todo el tiempo, que asegura que el reconocimiento de nuestros derechos solo es posible ‘en revolución’. Esa propaganda funcionaba hace siete años cuando en la región no había derechos, pero que ya se ha agotado”.
Hita ao amin'ny media sosialy fa miabo ny setriny avy amin'ny 97 isanjaton'ny olona amin'ny asa ataony miaraka amin'ny Voluntad Popular. Vitsy ihany ny setriny miiba avy amin'ireo mpankasitraka tafahoatra avy amin'ny mpivavaky ny Opus Dei, vondrona evanjelika ary ny Chavistas. Jerendry zareo ho fandrahonana amin'ny propagandiny ny firotsahako ho kandidà, izay mametraka fa ‘amin'ny alalan'ny revolisiona’ ihany no azo tanterahina ny fankatoavana ny zonay. Mety ho nahomby izany propagandy izany fito taona lasa izay raha tsy nananjò ny faritra, saingy tsy nanan-tsafidy intsony ry zareo.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...