- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao Teatira Ara-politika Amin'ny Resaka Kolikoly Ve Ilay Governemanta Misokatra?

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Romania, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Ny Tetezana - The Bridge
Former Romanian prime minister, Victor Ponta. PHOTO: Partidul Social Democrat (CC BY 2.0) [1]

Praiminisitra Romàna teo aloha, Victor Ponta. SARY: Partidul Social Democrat (CC BY 2.0)

Avy tamin'i Anca Matioc [2]

Ny fahavaratra lasa teo, nanapa-kevitra aho fa tonga ny fotoana hodiana any Romania, ilay firenena nitsoahan'ny fianakaviako 25 taona lasa izay. Taorian'ny am-polo taona maro nisianà fitondrana kaominista teo ambany vahohon'ilay mpanao jadona Nicolae Ceausescu, mbola lavitra ny làlana tsy maintsy alehan'ilay firenena mba hihoarana ny lova navelany [3], ary naniry ho anisan'izany aho.

Nandany telo volana niarahana niasa tamin'ireo Funky Citizens [4] aho, Fikambanana Tsy Miankina Amin'ny Fanjakana eo an-toerana, izay miasa manohitra ny kolikoly ary ireo olana mikasika ny demôkrasia, mampiasa ny fandresena lahatra mifototra amin'ny fikarohana sy ireo fitaovana teknolojika. Tao, nanana fahafahana niaraka niasa tamin'ireo mpikambana amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny governemanta aho momba ireo olan'ny tamberin'andraikitra sy ireo raharaha miady amin'ny kolikoly. Fony niala tao aho, tao anatin'ny adihevitra ara-politika mahery tokoa ny firenena.

Avy eo roa volana taty aoriana, fony aho tonga tany amin'ny Tananan'i Mexico ho an'ny hetsika governemanta misokatra, tonga tamin'ny ambaratonga fototra i Romania sy ny fahasimbàny ara-politika, ara-bakiteny mihitsy.

Ny Fihaonana antampony [5] an'ny  Fiaraha-miasan'ny Governemanta Misokatra [6] (OGP) no hetsika natrehako, fandraisana andraikitra marolafy izay ahitàna firenena 69 mpandray anjara miisa , izay iarahan'ireo mpikambana amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny governemanta miasa mba hampivoatra ny fangaraharàna, hanamafy ny fitantanana, ary hiady amin'ny kolikoly.

Ka afaka vinavinainareo ny fahatairako raha nahita ny filaharana hanatrika ny fotoana fanokafana ilay Fihaonana antampony aho, ary namaky ny anarana tsy an'iza fa ny an'ilay Praiminisitra Romana Victor Ponta [7].

Ho an'ireo izay tsy mahalala, tsaraina noho ny #kolikoly ankehitriny ny Praiminisitry Romania, @Victor_Pontan. Eny, ilay olona mitsangana any amin'ny #OGP15

Ny 13 Jolay, taorian'ny niampangàna azy taminà resaka hosoka maro, fandosirana tsy handoa hetra ary fanadiovam-bola , voaheloka [12] tamin'ireny fiampangàna resaka kolikoly ireny i Victor Ponta roa volana taty aoriana. Ary ankehitriny, io izy io teo amin'ny sehatry ny Governemanta Misokatra, mipetraka eo amin'ny laharana voalohany miaraka amin'ireo manampahefana ambonin'ny governemanta manerana ny tany.

Niresaka [13] momba ny maha zava-dehibe ny fangaraharàna izy, ny fisokafana, ary ny teknolojia ho an'ny governemanta. Tsy niresaka mihitsy anefa izy, ny momba ny kolikoly manenika ny firenena. Tsy niresaka ny fanamelohana azy izy. Tsy niresaka ilay masoivoho izay nitondra ireo fiampangàna azy izy— tamin'ny taona lasa , nanenjika ben'ny tanàna niisa 24, minisitra teo aloha roa ary praiminisitra teo aloha, raha tsy hilaza ireo mpiasa-panjakana maherin'ny 1.000 hafa, ahitàna ireo mpitsara sy mpitsara antampony ny “National Anti-Corruption Directorate [14]” (DNA) (Sampana Nasiônaly Miady Amin'ny Kolikoly), tantanan'i Laura Codruta Kövesi. Maherin'ny 90% ny tahan'ny fiampangàn'izy ireo [15].

Avy eo, herinandro katroka taorian'ny fisehoany teny amin'ny sehatry ny OGP, nitory hoe “amin'ny lafiny rehetra, ny fangaharahana no safidy tsara hatrany ho an'ny Governemanta,” nametra-pialàna amin'ny maha-Praiminisitra azy i Victor Ponta [16].

Protest Piața Universității in Bucharest on November 5, 2015. PHOTO: Gutza (CC BY-SA 4.0) [17]

Fihetsiketsehana tao Piața Universității any Bucharest ny 5 Novambra 2015. SARY: Gutza (CC BY-SA 4.0)

Ilay zava-nitranga nanaparitaka io hetsika io? Fihetsiketsehana [18].

Nahafaty olona miisa 60 ary nahatonga olona maherin'ny 100 tany amin'ny hopitaly ilay afo nandravarava tao amin'ny trano fandihizana rehefa alina, Colectiv [19] ao Bucharest, niseho noho ny tsy fitandremana sy tsy fanarahana ny toromariky ny fiarovana. Ny Alatsinainy 3 Novambra, nirotsaka teny an-dalamben'ny renivohitry ny tanàna ireo mpanao fihetsiketsehana maherin'ny 20.000, niventy ny hoe “Coruptia Ucide” [20] (“Mamono ny Kolikoly”). Nitaky ny fametraham-pialàn'i Victor Ponta izy ireo, ary ny ben'ny tanànan'i Bucharest ihany koa, tao anatin'ireo mpiasa-panjakana voafidy.

Tamim-pahatairan'ireo vahoaka, nanao izany tokoa izy ny andro taorian'io. Nametra-pialàna [16] izy.

Na taorian'ny fametraham-pialàny aza, mbola nitohy hatrany ny fihetsiketsehana [21]. Mihoatra lavitra noho ny resaka Ponta ilay izy. Mikasika ny fomba fiantraikan'ny kolikoly miseho isan'andro any amin'ny tsirairay avy ilay izy. Ny fomba mety handonan'io na hamonoan'io ny fianakavianao na ireo namanao.

Nandritra ireo andro nanaraka ireo fihetsiketsehana, nitambatra namonjy ny làlambe ny vahoaka avy amin'ireo taona rehetra sy ireo fitoerana maro, nitaky fandraisana andraikitra bebe kokoa, governemanta madio kokoa ary kolikoly mihena kokoa. Nitaky  fiovàna marina eo amin'ny kilasy ara-politika manontolo izy ireo, fiovàna amin'ireo sampandraharaha sy ireo olona amin'ny ambaratongany avy.

Flowers and candles outside Pionierul, the former factory where Colectiv was located. PHOTO: Britchi Mirela (CC BY-SA 4.0) [22]

Voninkazo sy labozia eo ivelan'ny Pionierul, ilay toerana fahiny nisy ny Colectiv. SARY: Britchi Mirela (CC BY-SA 4.0)

Sambany izao, nahazo fanasàna hiresaka mivantana ny fitarainan-dry zareo amin'ny Filoha ireo mpikambana amin'ny fiarahamonim-pirenena [23]. Elena Calistru [24], Tale Mpanatanteraky ny Funky Citizens ary iray amin'ireo olona folo voafidy hanatrika ny fihaonana amin'ny Filoha, nieritreritra momba io fotoana ho voarakitry ny tantara io, nilaza fa “nampiseho elanelana goavana teo amin'ny governemanta sy ny fiarahamonina ilay loza… amin'ny fahakelezan'ny fanehoana ireo tombontsoan'ny vondrom-piarahamonina ao anatin'ny laharam-pahamehan'ny governemanta.”

Hita ao anatin'ny Fiaraha-miasan'ny Governemanta Misokatra ihany koa io fahabangana io. Raha mariky ny fandraisana andraikitra lehibe ny fidiran'ny fiarahamonim-pirenena, tsy ampy raha izany irery. Tsy tokony ampiasaina hanaovana fampielezankevitra izany. Tsy tokony hampiasaina hanafotsiana na “hanasàna imasom-bahoaka” ny governemanta io.

Tsy tokony ho tanjona am-pieboeboana ny fanafoanana tanteraka ny kolikoly: tokony ho fangatahana tsy afaka hiadiana hevitra io ho an'ny fandraisana anjara amin'ny OGP. Mihatra amin'ireo firenena mpikambana izany, ary hatramin'ny fifidianan'ireo lohandohan'ny Fiarahana hanindrahindra sy hitondra izany ho amin'ny sehatra hitam-bahoaka. Raha tsy izany, inona izany no ataontsika afa tsy ny mamorona seho  ara-politika?

Tsy mampivoatra ny Governemanta Misokatra mihitsy isika.

Anca Matioc dia Romàna Shiliàna Meksikana Gringita (miovaova ny filaharana), mijery manokana ny fitantanana sy ny fiadiana amin'ny kolikoly ary ireo hetsika sôsialy. Mibitsika amin'ny @AncaMatioc [25] izy. Navoaka voalohany tao amin'ny Medium [26] ito lahatsoratra ito.