- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitondra Ny Fifanarahana Nokleary Iraniana Hanakaiky Kokoa Ny Tena Zavamisy Ny Tatitry Ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana Momba Ny Atomika

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vaovao Mafana
The Iran Deal is announced by EU High Representative Federica Mogherini and Iran Foreign Minister Javad Zarif at the venue of the nuclear talks in Vienna, Austria on July 14, 2015. Photo by EU External Action Service (CC BY-NC 2.0)

Nambaran'i Federica Mogherini, solontena Ambonin'ny Fiombonambe Eoropeana sy Javad Zarif, Minisitry ny Raharaha Ivelany ao Iràna, tao amin'ny dinika momba ny nokleary tany Vienna, Aotrisy, ny 14 Jolay teo ny tolotry ny Iraniana. Sary avy amin'ny Sampandraharahan'ny Asa Ivelany ao amin'ny Fiombonambe Eoropeana (CC BY-NC 2.0)

Iray amin'ireo dingana maro nilaina talohan'ny nanesorana ny sazy famaizana an'i Iràna io. Namoaka tatitra tombana iray [1] ny Masoivoho Iraisampirenena momba ny Angovo Atomika (IAEA), nifototra tamin'ireo taona efatra nanaovana fikarohana sy tatitra izay mamintina fa tsy misy mihitsy porofo hoe nanandrana namokatra fitaovana fiadiana mampiasa nokleary i Iràna hatramin'ny 2009.

Araka ilay tatitra navoaka tamin'ny 2 Desambra, nanao hetsika goavana i Iràna mifandraika amin'ny famokarana fitaovam-piadiana nokleary, tao anatin'ilay fandaharanasa antsoina hoe  “AMAD”. Kanefa nitsahatra io fandaharanasa io ny taona 2003, niaraka taminà hetsika sasantsasany nifandray tamin'ny “fandalinana ara-tsiantifika sy ny ho fahazoana manatanteraka azy”, nitohy hatramin'ny 2009, taona tsy nisian'ny fitohizan'ilay fandaharanasa intsony taorian'io:

Tsy nanànan'ilay masoivoho marika azo itokiana intsony ny mbola fisian'ny hetsika tao Iràna mifandray amin'ny famokarana baomba nokleary taorian'ny 2009.

[…] Tsy nanànan'ilay masoivoho marika azo itokiana intsony ny fisian'ny fifandraisan'ny fandaharanasan'i Iràna amin'ny famadihana ny singa nokleary mety mifandray amin'ny fampiasàna izany ho amin'ny tontolo miaramila.

Ny IAEA, izay mitatitra mivantana ho an'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana sy ny Filankevi-pilaminana, dia fikambanana iraisampirenena mizaka tena napetraka hisahana ny fampiroboroboana ny fampiasàna ny angovo nokleary ho an'ny fandriampahalemana ary hanakana ny fampiasàna azy tsy ho amin'ny tanjona ara-miaramila.

Ity tatitra ity dia iray amin'ireo dingana marobe nankany amin'ny famarànana ilay fifanarahan'ny 14 Jolay momba ny nokleary teo amin'ny Iràna sy ireo mpikambana ao amin'ny P5+1 fantatra amin'ny hoe Drafi-piarahamiasa Iraisana, izay mikendry ny hanakànana an'i Iràna tsy hanamboatra fitaovam-piadiana nokleary, ho takalon'ny fanamaivanana ireo sazy tsy mifandraika amin'ny resaka nokleary ataon'i Etazonia, ny Fiombonambe Eoropeana ary ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana.

Araka ny tatitra iray avy amin'ny Associated Press [2], toy ny “tombana” no endrika nametrahan'ilay masoivoho ny famintinana nataony ary mety hamela an'i Washington sy ny filankevitr'ireo firenena 35 ao amin'ny IAEA hanapaka hevitra raha hofaranana ilay raharaha momba ny fandaharanasa nokelary Iraniana. Hivory ny filankevitry ny IAEA amin'ny 15 Desambra izao mba hanapaka hevitra hankato ilay fifanarahan'ny 14 Jolay na tsia. Raha toa eken'ny filankevitra, dia hifarana ny fanadihadiana ataon'ny IAEA, ka hahafeno ny iray amin'ireo fitakiana fanalahidy amin'ilay fifanarahana mialoha ny hanesorana ireo sazy.

Ho setrin'ilay tatitry ny IAEA, Abbas Araghchi, lehiben'ireo Iraniana mpanelanelana momba ny nokleary, dia nanakiana ny IAEA ho nanao tatitra diso hoe tany aloha i Iràna dia nanana tetikasa sy nanao ezaka hanamboatra fitaovam-piadiana iray, kanefa, narahaba ihany koa ny hetsika nankany amin'ny famarànana ilay raharaha.

Nolazain'ny tatitry ny #IAEA [4] fa nidadasika ary tsy nanana fironana ho any amin'ny fampiasana ara-tafika velively ny fandaharanasa nokleary Iraniana

Tsy marina io filazàna io & tsy ekenay ny hoe i Irana dia nanao fikarohana mifandraika amin'ny resaka baomba nokleary

Tsy mainsy manapaka hevitra momba ilay tatitra ireo governora mpitantana ny #IAEA, [4]  saingy mino izahay fa famarànana ny raharaha no ho vokatr'io tatitra io   [4]

Toy ny milamina sy tony i Araghchi, ary misy rarintsaina tao anatin'ny tafatafany miresaka ilay tatitry ny IAEA, tamin'ny nilazàny ny fomba fijeriny somary miabo momba ilay tombana

Mifanaraka amin'ilay dafitra ny famindranay & tsy maintsy tonga aminà andro iray hampiharana azy amin'ny faran'ny Desambra na fiandohan'ny Janoary. Vinavinainay ho ny fiandohan'ny Janoary

Raha ny lazain'ny Bloomberg News [9], nilaza tamin'ireo mpanangona vaovao ny mpitondra tenin'ny Departemantam-panjakana Amerikana, Mark Toner, hoe “nohamafisin'ny IAEA fa voahajan'i Iràna ny fanekena nataony hanome valiny tamin'ireo fitakian'ilay masoivoho,” ary nanazava izy fa hisy “fiantohana ny tsy hitrangan'ireny karazana hetsika tamin'ny lasa ireny intsony indray. Ho ananantska izay karazana mangarahara izay, izay dingan'ny fahazoam-baovao izay.”

Nanome fotoana fanararaotra ihany koa ho an'ireo karazana fanehoankevira samihafa ny famoahan'ny IAEA ilay tatitra. Teny anivon'ireo politisiana avy amin'ny elatra havanana Amerikana, nofaritany izy io ho toy ny fotoana iray “hiantsoana ny fita-bitron'i Iràna” momba ireo hetsika tsy mendrika fahiny momba ilay fandaharanasa nokleary:

Manaporofo ny fita-bitro momba ny fandaharanasa fanamboarna fitaovam-piadiana ilay tatitry ny @IAEAorg [10] momba ny #Iran [3] #PMD. [11]  Tsy maintsy mampitombo ny sazy ny Amerikana, tsy manome fanampiana

Ho an'ny hafa, toy ilay mpampita vaovao ho an'ny fandaharan'ny BBC amin'ny teny Persiana, Bahman Kalbasi, fanamafisana io hoe poakaty sy tsy misy ilàna azy ireo sazy, izay ny betsaka taminy dia napetraka taorian'ny 2010 rehefa natsahatra ny asa nataon'i Iràna mifandraika amin'ny resaka fitaovam-piadiana nokleary:

Ary tamin'ny 2010 no tonga ireo sazy isan'ny henjana/manaikitra indrindra avy amin'i Etazonia ho an'i Iràna