Ny fanafihana nataon'ny fiaramanidina mpiady Tiorka tamin'ny fiaramanidina Rosiana mpidaroka baomba tamin'ny 24 Novambra sy ny fahasimban'ny fifandraisana teo amin'i Rosia sy ny Torkia taorian'izany dia niteraka adihevitra goavana antserasera tao Azia Afovoany, izay avy amin'ny vondrona miteny Tiorka ny ankamaroan'ny olom-pirenena, saingy manjaka kosa ny ambaidainy ara-jeografia sy ara-kolontsainan'ny Rosiana.
Tsy manivaka amin'izany i Kyrgyzstan, mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Firenena Miteny Tiorka Miara-Miasa tarihin'i Ankara sady mpikambana ao amin'ny Fikambanam-Pifanarahana Ara-piarovana tarihin'i Moskoa (CSTO). Ny fangatsiahan'ny fifandraisana eo amin'ireo firenena roa samy mpiara-dia lehibe indrindra aminy ireo no mametraka ity firenena mihamahantra manana mponina enina tapitrisa ity manoloana ny safidy manadala saro-bahana hita amin'ny alalan'ny antso somary matsatso fampitonena avy amin'ny filohan'ny raharaham-bahiny ao amin'ny fitantanan'ny filoha Atambayev Almazbek.
Nampiseho ny fahadisoam-panantenany tamin'ireo valinteny toa zary bitsibitsika ataon'ny mpiara-dia amin'i Kremlin ny fampahalalam-baovao tantanin'ny fanjakana ao Rosia mandritra izany fotoana izany.
Teo anivon'ny fiarahamonina Kyrgyz, somary sahy kokoa ireo fihetseham-po hita.
Tamin'ny 25 Novambra, nikarakara famoriam-bahoaka milamina teo anoloan'ny Masoivoho Tiorka tao Bishkek ny vondron'olom-pirenena Kyrgyz vitsivitsy mpomba ny Rosiana. Niantso ny manampahefana Tiorka izy ireo mba hampiakatra fitsarana ireo nahavanon-doza tamin'ny fitifirana ary “hivavaka ho an'i Vladimir Putin sy ny vahoaka Rosiana alohan'ny hahatongavan'ny valibontan'ity fahadisoana ity.”
Nampahatsiahy ny filoha Tiorka Recep Tayyip Erdogan ihany koa izy ireo fa ara-tantara dia “nanafika an'i Rosia in-600 fa tsy nahatosika mihitsy i Torkia” – fampahatsiarovana izay tsy marina tanteraka raha jerena ny fifandonana ara-miaramila nisy teo amin'ny roa tonta.
Niteraka fanehoan-kevitra mafana tao amin'ny Facebook sy tao amin'ny zoro fifanakalozan-kevitra tamin'ny tranonkala Kyrgyz ny fivoahan'ny lahatsarin'ny fivoriana. Azo jerena eto ambany ny sasantsasany amin'ireo tsy nirehidrehitra indrindra :
Турки, туркмены и кыргызы – братья. Россия нам чужда
Mpirahalahy ny Tiorka, ny Turkmen, sy ny Kyrgyz. Hafa i Rosia.
Tokony hifanohana ny firenena miteny Tiorka. Iray isika. Mifampizara fivavahana, kolontsaina tantara ary fiteny iraisana. Azerbaijan, Kazakhstan, Kyrgyzstan, Torkia, Torkmenistan, Ozbekistan!!!
Taiza i Torkia rehefa nangataka ny Kyrgyz? Taiza i Torkia raha tao anatin'ny hantsan'ny fahabadoana avokoa ny Kyrgyz? Nipongatra avokoa ry Chingiz Aitmatov, [Turdakun] Usubalijev, [Turabay] Kulatov, ary ireo Kyrgyz fanta-bahoaka liam-pandrosoana rehetra noho ny fifanampiana ara-pirahalahiana teo amin'ny vahoaka Rosiana. Izany no sainiko izaho Kyrgyz tena izy. Tsy rahalahintsika ny Tiorka. Ny Rosiana no rahalahintsika izay tsy hivarotra antsika na oviana na oviana.
Ny fanahoan-kevitra iray tao amin'ny pejy Facebook-n'ny tranonkalam-baovao Zanoza.kg dia nanondro ny fihetsiketsehana ho propagandy rosiana, izay tena tsapa tokoa tao Kyrgyzstan raha niandoha ny fifandonana ara-miaramila notohanan'i Rosia tao Okraina:
Как же сильно действует Российская пропаганда. Они просто зомбируют людей. Люди видят в Путине Бога. Хорошо бы отключить все российские каналы.
Jereo anie ny hatanjaky ny fanintonana ataon'ny propagandy rosiana e! vahoaka “zombie” ireo. Vahoaka mijery an'i Putin ho toy ny Andriamanitra. Hevitra tsara tokoa raha pihana tsy mandeha ny fantsom-pahitalavitra rosiana rehetra.
Raha namaly i Elzat Ismailbekova :
Кыргызстан является членом ОДКБ, и в случае военной угрозы все националисты и американизированные псевдопатриоты будут ждать помощи именно от России. И она поможет, не потому что Путин бог и царь, а просто потому что безопасность в Центральной Азии это приоритетное направление российской нац безопасности. Мы “мягкое подбрюшье” России.
Безусловно митинговать у турецкого посольства глупо , но писать в комментах пошла на .. Россия мы сами с усами это идиотизм
Mpikambana ao amin'ny CSTO i Kyrgyzstan, ary raha misy ny fandrahonana ara-miaramila dia hanantena vonjy avy amin'i Rosia ireo nasionalista rehetra sy ireo lazaina fa tia tanindrazana efa manaraka fomba amerikana rehetra ireo. Ary dia hanampy [i Rosia], fa tsy hoe Andriamanitra na Mpanjaka i Putin, fa satria iray amin'ny laharam-pahamehana eo amin'ny fiarovam-pirenena Rosiana ny fiarovana an'i Azia Afovoany. Isika no “ambany foitra malefak'i” Rosia. Mazava ho azy, mahatsikaiky ny hetsi-panoherana eo anoloan'ny Masoivoho Tiorka, fa fahadalana ihany koa ny manoratra fanehoan-kevitra fa tokony hiala amintsika i Rosia.
Tamin'ny 26 Novambra: nisy fihetsiketseha-panoherana fanindroany notontosaina teo ivelan'ny masoivoho Tiorka ihany koa, notontosain'ny mpanao fihetsiketsehana tokana manirery.
Nolazain'ilay mpanao hetsi-panoherana ny ahiahiny manoloana ny fahazoan-dàlana tsy mila visa eo amin'i Kyrgyzstan sy i Torkia, nitaraina ny amin'ny mety hidiran'ny mpampihorohoro malalaka ao amin'ny firenena sy hanozongozona ny faritra iray manontolo, satria “mpanomana ny fampihorohoroana i Erdogan”.
Farany, tamin'ny 27 Novambra, nisy vondrona ny mpanao hetsi-panoherana hafa notarihin'i Igor Trofimov, mpitarika ny vondrona mpandresy lahatra pro-Rosiana iray, sy i Klara Ajibekova, adalan'ny teorian'ny tsikombakomba Filohan'ny Antoko Komonista ao Kyrgyzstan, nifamory teo anoloan'ny masoivoho Tiorka hiantso ny manampahefana Kyrgyz hanapaka ny fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Ankara.
Hoan'ireo lehibe ara-politikan'i Kyrgyzstan, vao maika nihalalina ny kizo ara-diplaomatika tamin'ny 28 Novambra, raha nanambara ireo famaizana ara-politika sy ara-toekarena an'i Torkia i Rosia. Mety hiatrika safidy manadala amin'ny hanao ve sa tsia ary ahoana ny handraisany anjara amin'izany famaizana izany i Kyrgyzstan amin'ny maha mpikambana vaovao azy ao amin'ny Vondrona Eoraziana tarihan'i Moskoa azy.
Ary mihatra manokana amin'ny filoha Atambayev, haingam-piteny tiorka sy rosiana sady naneho tsindraindray [mg] ny fikoizany na amin'i Erdogan na amin'i Putin tany talohaloha tany, ity krizin'ny mari-panondroana ity.