- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Talata-n'ny #Fanomezana Androany—Manomeza Ho An'ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka

GV_GivingTuesday2 [1]

Lahatsoratra iray nosoratan'ilay Libaney mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamoninay, Joey Ayoub, [2] ora maromaro taorian'ireo fanafihana tao Parisy no mampahatsiahy antsika ny antony anaovanay ato amin'ny Global Voices ny asa ataonay.

Ao amin'ny Haiko Tahaka Ny Araben'i Beirota Ny Araben'i Parisy, [3] manoratra mampihetsi-po i Joey momba “ny tsy fahombiazana ankapoben'ny fisainan'ny zanak'olombelona hijery ny tenany ho toy ny zavatra iray tsy mivaky.” Ampiany hoe :

“Zavatra iray sarotra ny hahatsapa fa hoe ho an'izay rehetra nambara, ho an'izay rehetra kabary tsara lahatry ny liam-pandrosoana nezahantsika naorina ho toy ny feo iray iraisan'ny zanak'olombelona, ny ankamaroantsika mpikambana ato anatin'ity karazana iray hafahafa ity no mbola voahilikilika tsy tafiditra ao anatin'ny olana mibahan-toerana eto amin’ ‘izao tontolo izao’ “.

Isanandro eto amin'ny Global Voices, miasa mamakivaky sisintany, ny hasin'ora ary ireo sàkan'ny fiteny ireo toniandahatsoratray sy mpanoratra ary mpandika miasa an-tsitrapo [4] ato aminay mba hitondra ho anao ireo tantara manan-danja nosoratan'olon-tsotra tsy dia anànan'ny media mahazatra fotoana loatra ny hitatitra azy, na tsy misy tombony ho azy ny handrakotra azy, tatitra ety anaty aterineto momba ny fahalalahana maneho hevitra sy fanohanana ny hafa amin'ny fanjohiana ny fifanakalozan-dresaka manerantany.

Mba hijanonana ho tsy miankina sy maharitra, dia miantehitra amin'ny fanohanan'ireo namana sy mpamaky malàla-tànana tahàka anareo izahay. Ny fanomezanareo dia manampy amin'ny fanefàna ny fandoavana ny saran'ny toerana ao anaty lohamilina, ny fandaniana ara-pitantanana, ireo fandaharanasa madinika tohananay ara-bola ary ny mpiasa mitantana ny  Global Voices.

Amin'ity #TalataFanomezana ity #GivingTuesday [5], miangavy anareo mba hihevitra ny hanohana ny Global Voices amin'ny fanaovana fanomezana [5]. Misaotra anareo!

GT_logo2013-final1-1024x85 [5]