- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olona Firy no Nahazo Ny Lokan'ny Fihaonana an-Tampon'ny Nobel-n'ny Fandriampahalemana sy ny Grammy Latina Tao Anatin'ny Herinandro Iray?

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Pôrtô Rikô (Etazonia), Mediam-bahoaka, Mozika, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina

Un honor haber recibido el premio de #NobelPeaceSummit de manos de Tawakkul Karman, premio Nobel de La Paz, junto a la alcaldesa Ada Colau y el profesor Arcadi Oliveres. It has been a great honor receiving the #NobelPeaceSummit by the hands of Nobel Peace Tawakkul Karma, along with Mayor Ada Colau and Professor Arcadi Oliveres. La camisa dice “education” es nuestro fusil [1]

Sary nalefan'i Rene Perez Joglar (@residente) tamin'ny 15

Nahazo ny Lokan'ny Fihaonana an-tampon'ny Nobel Fandriampahalemana nandritra ny lanonana ofisialy tamin'ity taona ity i René Pérez Joglar, fantatra kokoa amin'ny hoe Residente (@Residente [2]) avy amin'ny tarika malaza an-tanandehibe Calle 13, izay notontosaina tao Barcelona, Espaina tamin'ny 15 Novambra. [3] Sambany natolotra ho an'ny Amerikana Latina ity voninahitra ity.

Natolotra noho ny fankasitrahana ny fikatrohan'i Pérez Joglar, izay tanterahiny indrindra amin'ny alalan'ny hira ahitana tononkira miresaka olana maro ny loka, anisan'izany ny mari-panondroana Amerikana Latina, ny fanavakavaham-bolokoditra, ny fifindramonina ary ny rariny ara-toekarena.

Ny Lokan'ny Fihaonana an-tampon'ny Nobel Fandriampahalemana dia toera-pihaonana iray ifanakalozan-kevitra amin'ireo olana goavana miantraika amin'ny fiainan'ny olona an-tapitrisany manerantany: ny fahantrana, ny fitantanan-drano, ny tsy fisian'ny fahaiza-mitondra tena eo amin'ireo mpitarika ara-politika iraisampirenena ary ny olana maro hafa.

Hoy ny habaky ny Fihaonambe [4]:

Each year the Summits are attended by Nobel Prize Laureates and prominent global figures, who are active in the social, scientific, political and cultural areas.

Isan-taona ny Fihaonana an-tampony dia atrehin'ireo mendrika tamin'ny Loka Nobel sy ireo olo-malaza manerantany, izay mavitrika amin'ny sehatra ara-tsosialy, ara-tsiantifika, ara-politika ary ara-kolontsaina

Tamin'ny lahatenim-pakasitrahana nataony, nilaza [5]ny eritreriny amin'ny atao hoe fandriampahalemana sy ny fomba ahafahan'ny olona mikolokolo izany i Pérez Joglar:

Desde ese primer momento, ese primer insulto, desde que despertamos y maldecimos a esa primera persona se va desvaneciendo la paz. La paz es algo que muere todos los días y que a su vez resucita todos los días. Porque en el mundo hay más gente buena que mala.

Hatramin'ny fotoana voalohany, ny opa voalohany, hatramin'ny nifohazantsika vao maraina sy nanopantsika izany olona voalohany izany, dia mihena ny fandriampahalemana. Ny fandriampahalemana dia zavatra maty isan'andro ary amin'izay fotoana izay dia mitsanga-ko velona isan'andro ihany koa. Satria maro kokoa ny olona tsara fanahy manerantany noho ny olon-dratsy.

Nanandratra ny feony tamin'ny anton-javatra marobe [6] nandritra ny taona maro i Pérez Joglar izay Poerto Rikana, anisan'izany ny fanentanan'ny UNICEF ampitsahatra ny  fanondranana olona, sy ny famotsorana ilay gadra politika Poerto Rikana Oscar López Rivera [mg] [7]. Nanohana ireo mpianatra tao amin'ny Anjerimanontolon'i Poerto Rico tamin'ny fihetsiketsehan'izy ireo nandritra ny vanim-potoana nitondran'i [8]Luis Fortuño [8] sy nanohana ny fianakavian'ireo mpianatra Ayotzinapa 43 nanjavona tao Meksika [mg] [9]ihany koa izy.

Ankoatra ny herinandro iray toa zaton'ny tarika Calle 13, nahazo ny loka Grammy Latina ho an'ny Lahatsarin-kira Fohy Tsara Indrindra ihany koa ny rakikiran'izy ireo, “Ojos loko Sol” (“Maso Lokon'ny  Masoandro”). Efa olona maherin'ny 40 tapirisa sahady no nijery ny horonantsarin'ny hira, izay niaraha-nanoratra tamin'ilay olomanga Kiobàna, Silvio Rodriguez, tao amin'ny Youtube.