Tantara tamin'ny Novambra, 2015
Noho ny Fanakatonana Ny Fampiharana Fandefasan-kafatra, Miditra Tor (sy Twitter) Ny Bangladeshita
Tsy mazava raha nosakanan'ny governemanta ny vavahadin-tserasera Facebook, na voaràra tanteraka ny fampiasana azy.
Nahoana No Nanjary Tanànan'ny “Maty Mandehandeha” Nandritra Ny Zaikaben'ny APEC i Manila
Tonga tao Manila ireo mpitondra firenena avy amin'ny firenena 21 mba hanatrika ny zaikabe ara-toekarena APEC. Noho ny ny fepetram-piarovana, arabe maro no nakatona, nofoanana ny sidina an'habakabaka izay niteraka fiantraikany teo amin'ireo mponina an'arivony.
Afaka manana sy mamaky ‘Fanny Hill’ ankehitriny ny Singapaoreana, saingy mbola voarara ny Playboy
Nesorin'ny governemanta ny fandrarana boky aman-gazety 240 saingy mbola voarara kosa ny 17 satria vetaveta na mifanohitra amin'ny tombontsoam-pirenena.
Fiatoan'ireo Mpitsoa-ponenana Tao Amin'ny Fiantsonan'ny Fiarandalambin'ny Fanantenana Ao Vienne.
Jeritodika mikasika ny zava-nitranga tao amin'ny fiantsonan'ny fiaradalamby foibe ao Vienne ny volana Septambra teo, roa volana nisian'ny herisetra mahafaty nandosiran'ireo mpitsoa-ponenana maro mba ho any Beirota sy Parisy.
Migadra ilay Iraniana mpanao sariitatra nanoritsoritra ny alahelo tao Parisy
Tsy vao sambany tsy akory ny Iranian mpanao sariitatra Hadi Heidari no tratran'ny fisamborana.
Vary Nendasina Sy Atody, Endriky Ny Andro Fanolorana Fisaorana Ho An'ny Shinoa
"Dimy amby enimpolo taona lasa izay, lovia iray nisy vary voaendy sy atody no nanova ny tantaran'i Shina. Raha tsy nisy an'io lovia io dia mety ho lasa Korea Avaratra isika (na dia efa lasa mitovy ihany aza ny roa tonta)."
Tongasoa Eto Amin'ny Hetsika #StandwithRussia (Mijoro miaraka amin'i Rosia)
Momba ny fampitàna amin'i Tiorkia ny fahatsapan'izy ireo ny fanafihana natao an'ilay Su-24 tany ampiandohan'ity herinandro ity, nampiseho fahaizana mamorona ireo Rosiana mpampiasa aterineto.
Polisy vaovao Okrainiana voarara amin'ny fampiasana tambajotra sosialy rosiana
Fihoaram-pefy amin'ny polisy Okrainiana ankehitriny ny miserasera VKontakte sy Odnoklassniki, sehatra rosiana roa malaza indrindra ao Okraina.
Tononkalom-behivavy Iray Ho An'ny Mpitsoa-ponenana Syriana Namoy Ny Ainy Niampita Ny Mediteranea — Anisan'izany Ny Anadahiny
"Raha afaka mampisy tetezana fangorahana ho azy ireo, amin'ny alalan'ny tononkalo aho, dia hiteraka tantaram-pahombiazana mahery vaika izany."
Molenbeek, Zavamisy Mifaningotsingotra Ao Amin'ny Fiarahamonina Vasohan'ny Media
Ao afovoan'ny renivohitra Belza no misy an'i Molenbeek-Saint-Jean, fiarahamonina manana fidiram-bola ambany fandalovan'ireo voarohirohy ho nanatanteraka ny fanafihana tao Parisy sy ireo hetsika feno herisetra hafa.