Tetikasa Mapping for Niger : Ny Tantarany sy ny Vinavinany

Ekipan'ny Open Street Map Niger
Tahaka ireo firenena manodidina azy, miady amin'ny fiantraika ratsin'ny Boko Haram ao amin'ny faritra koa i Nizera. Na izany aza, te hampiseho ny tanora ao aminy fa mitombo hery izy na dia eo aza ny toe-draharaha. Tahaka izany ohatra ny fikambanana Open Street Map ao Nizera. Ity ny fanadihadiana niarahana tamin'ny iray tamin'ireo mpikambana, Fatiman Alher, mpianatra jeografia ary nizara vao haingana ny traikefany tamin'ny fandraketana an-tsarintany an'i Nizera:
Ny Fikambanana OpenStreetMap Niger (OSM_NE)
Hatramin'ny nipoirany, manatontosa asa an-tsitrapo fampiroboroboana ny tetikasa OpenStreetMap eny anivon'ny fikambanana tsy miankina, fikambanana iraisampirenena, manampahefana eo an-toerana, toeram-pampianarana ambony sy mandrittra ny valandresaka ny fikambanana OpenStreetMap.
Karakarain'ny fikambanana ny hetsika (fifarimbonana) fandraketana an-tsarintany ( cartoparties), ny fiofanana misokatra (hoan'ny daholobe) sy ny mameno ny antontan-kevitra OpenStreetMap amin'ny alalan'ny tetikasa an-tsitrapo (sarintanin'i Niamey sy ny oniversiteny, ny tanànan'i Dosso, Zinder, Agadez sns) miaraka amin'ny famokarana rakitra an-davitra amin'ny alalan'ny sary avy amin'ny zanabolana sy fanangonana rakitahiry eny ifotony. Misy ihany koa ny mapathons (atrikasa fananganana antontan-kevitra faobe ao amin’ ireo faritra mahaliana) miaraka amin'ireo fikambanan'ny OSM ( OpenStreetMap) ao Afrika Andrefana sy ny fikambanana OSM manerantany.
Ny fetran'ny fampitaovana, ny vola ary ny olona, ny toe-draharaha politika matetika mihenjakenjana indrindra ao amin'ny sisintanin'i Mali, ary ny karazana tsy fahafantarana ankapobeny ny Open Data, no mahatonga ny hetsika tsirairay midika ho firosoana amin-kitsimpo sy fitiavana!
Hatramin'ny tapaky ny taona 2014 ny Tetikasa Tahala OSM mpiteny frantsay no nanohana ny fampandrosoana ny tetikasa OpenStreetMap ao Nizera. Miseho amin'ny fandraisana anjara ny mpikambana ao amin'ny fikambanana OSM_NE amin'ireo iraka fanatevenam-pahaizana ao amin'ny vakim-paritra karakarain'ny fikambanana Tetikasa Tahala OSM miteny frantsay izany. Nisy, noho izany, mpikambana ao amin'ny fiarahamonina OSM_NE nandray anjara misiona fanatevenam-pahaizana 5 : tao Burkina Faso sy Togo tamin'ny taona 2014 sy tao Burkina Faso, Côte d'Ivoire ary Togo tamin'ny 2015. Namondrona mpikambana avy amin'ny firenena mpiteny frantsay (Bénin, Burkina Faso, Mali, Nizerar, Senegaly sy Côte d'Ivoire) ary Frantsa nandritra ny herinandro telo ny hetsika nataon'ny OSM.

Atrikasam-piofanana momba ny fandraketana an-tsarintany
Misiona
Mikasika indrindra ireo fotoana famerenana ara-teknika sy ara-pandaminana ireo iraka fanatevenam-pahaizana ataon'ny tetikasa EOF amin'ireo mpikamban'ny OSM NE izany. Dia notontosaina tao amin'ny Toeram-pampianarana Nomerikan'ny Oniversiten'i Niamey (UAM) sy tao amin'ny Search For Commound Ground (CFCG) ny fiofanana.

Open Street Map Niger – Fihaonambem-pirenen'ny Tanora momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro tamin'ny 19 Novambra 2015
Misy ireo fotoana ihaonana handraketana an-tsarintany karakarain'ny fikambanana OSM-NE isa-potoana. Amin'ny ankapobeny, mandrakitra an-tsarintany manomboka amin'ny 8 maraina ka hatramin'ny 12 ora atoandro avy lavitra ireo mpandray anjara ary manatontosa fanadihadiana eny ifotony sy manitsy ireo antonta-kevitra voangona amin'ny hariva.
Misy ihany koa ny mapathons ( (atrikasam-pananganana antontan-kevitra iarahan'ny daholobe any amin'ireo faritra mahaliana) karakaraina miaraka amin'ireo fikambanana OSM Afrika Andrefana sy ny fikambanana OSM manerantany, indrindra ho setrin'ny krizy maha-olona: Ebola, Boko Haram na koa ny horohorontany tao Nepal.
Noho ny mahafoibe itoeran'ny fikambanana OSM_NE ao Niamey, dia misy hetsika mitohy hatrany amin'ny fandraketana an-tsarintany hatramin'ny fiandohan'ny tetikasa OpenStreetMap ao Nizera, manararaotra ny fifindra-toerana sy ny fotoana malalaka ireo mpikambana handraketana an-tsarintany an-davitra na eny ifotony ny ao an-drenivohitra. Mifantoka amin'ny zotran'arabe, toerana misy fanorenana sy ny sehatra ilaina (fahasalamana, fanabeazana, tranom-panjakana, toeram-pivarotana, toeram-pahasalamana sns) ireo mpandrakitra an-tsarintany. Misy ihany koa anefa ireo faritra hafa kendrena.
Nandritra ny fialan-tsasatry ny sekoly hatramin'ny volana Jona ka hatramin'ny Septambra 2013, nifantoka tao amin'ny departemantan'i Madaoua, ny faritra Tahoua sy Zinder ny fikambanana OSM_NE . Isaky ny faran'ny herinandro mandritra ny iray volana, nivory mba handrakitra ireo faritra an-tsarintany an-davitra ny mpikambana.
Mila herinandro ny fandraketana an-tsarintany hampidirana ny fampahafantarana rehetra ao amin'ny tahiry. Afaka mijery ny asa voatontosan'ireo tanora telo tamin'ny alalan'ny fitaovana voafetra ianao ankehitriny amin'ny fijerena ny sarintany OpenStreetMap ny tanànan'i Dosso.
Fisokafana amin'ireo fikambanana OSM hafa ao Afrika Andrefana

Fiarahamonina OSM Afrika Andrefana
Amin'ny fifandraisana amin'ny fikambanana OSM ao Afrika Andrefana, amin'ny alalan'ny iraka ataon'ny Tetikasan'ny Mpiteny Frantsay sy ireo hetsika isan-karazany ao amin'ny vakim-paritra tahaka ny forum fanaon'ny Innov’Africe isan-taona, dia miara-miasa akaiky amin'ny fikambanana any Bénin, Burkina Faso, Côte d'Ivoire, Nizera, Mali, Senegaly ary Togo ny fikambanana OSM_NE.
Hita ao amin'ny fifandraisana ny ezaka iombonana amin'ny fandraketana an-tsarintany sy ny fifampizarana sy fifanakalozana mavitrika eo amin'ny lafin'ny fifandraisana, teknika ary fandaminana. Matanjaka indrindra izany fiarahamiasa izany nandritra ny fanatontosana ny fihaonamben'ny State Of The Map (na Toetry ny Sarintany) tahaka ny nitranga tamin'ny 2015 tao Burkina Faso na ny amin'izao fotoana izao ao Togo. Nokarakaraina nandritra ny hetsika nataon'ny Tetikasa Tahala OpenStreetMap mpiteny frantsay ireo SOTM roa ireo. Ny ezaka fandraisana anjaran'ny fikambanana amin'ny fandraketana an-tsarintany nandray anjara tamin'ny hetsika Map4Ebola no nahafahana niady tsara kokoa tamin'ny valan'aretina.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...