- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Tajik Nolazaina Fa Maty Tao Amin'ny Toby Miaramila Rosiana Ao Tajikistàna

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Mediam-bahoaka
Tajik President Emomali Rakhmon and Russian President Vladimir Putin. Wikipedia image.

Filoha Tajik Emomali Rakhmon sy ny Filoha Rosiana Vladimir Poutine. Sary Wikipedia.

Ny hanampy ny firenena marefo indrindra any Azia Afovoany no tanjon'ny toby miaramilan'i Rosia any Tajikistan, mba hiaro tena amin'ny fidikidiran'ny Afghanistan izay mifanila aminy. Fa raha manamafy ny fisiany ao amin'ilay repoblika misy mponina 8 tapitrisa i Maosko, ao anatin'ny fihamafisan'ny ady any atsimo, toa ireo miaramila mitam-basy an'ny sampana faha 201 [1] mitoetra any no tena rahona lehibe ho an'ny filaminan'i Tajikistan.

Ny alin'ny 5 Novambra, notaterina fa nisy namono [2] tao amin'ny faritry ny tobin'ny miaramila Rosiana eo ambany fitantanan'i Ivan Sherbakov, lientnà zokiny an'ny sampana faha 201 ilay ramatoa teratany Tajik, Shoira Jabborova. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando niarahan'ny Rosiana sy Tajik, nilaza i Sherbakov fa tsy afaka mahatadidy na inona na inona izy satria tena mamo tampona izy tamin'io.

Ny 12 Novambra, nisy loharano mpamatsy vaovao avy tamin'ilay vondrona mpanao fanadihadiana nilaza [3] tamin'ny gazety teo an-toerana Asia Plus fa ny hasarotam-piaro no mety ho anton'ilay herisetra nahafaty nataon'i Sherbakov tamin'i Jabborova, ary fantatry ny sampana fiarovana ao amin'ny toby hoe ‘vadiny’ ihany koa i Jabborova na dia manana vady any Rosia aza i Sherbakov.

Tonga tamin'ny fotoana ratsy ilay zava-nitranga, tao anatin'ny fifandraisana feno fifandiran'ny fiarahamonina Tajik amin'i Rosia, iray volana latsaka taorian'ny nahafatesan'ny zazakely iray vao dimy volana [4], zanak'ireo Tajik mpiasa mpifindra monina. Nolazaina fa matin'ny hasarotana tamin'ny tratra i Umarali Nazarov, nalain'ireo manam-pahefana tao St-Petersburg teny amin'ireo ray aman-dreniny, izay noahiahiana ho tsy nanaraka ny lalànan'ny fifindràmonina.

Tohin'ny famonoan'ireo miaramila Rosiana tao anatin'ny toby, an'ireo Tajik mpitondra fiarakaretsaka, ny taona 2009 [5] sy 2014 io [6].

Vaovao lehibe ny fahafatesan'i Jabborova any Tadjikstan, miaraka amin'ireo fanehoankevitra malalaka ho an'ny rehetra ao amin'ilay tolotra amin'ny teny Rosiana an'ny masoivohom-baovao tsy miankina Asia Plus, natao ho sehatra ho an'ny adihevitra, adiady sy resaka feno fankahalàna indraindray eo amin'ireo mpampiasa azy.

Gulomkul, mpamaky ny masoivoham-baovao Asia Plus, nanoratra [7] hoe:

Мало убивать,насиловать,сажать,издеваться таджиков в России,теперь продолжается убийство дома, на своей земле!

Tsy ampy azy ireo ny hoe mamono, manolana, mampiditra am-ponja ary mananihany an'ireo Tajik any Rosia — ankehitriny, mbola mitohy ny famonoana aty an-tanindrazana, eto amin'ny taninay!

Mpaneho hevitra antsoina hoe Human, nangataka [2] ny hanaovan'ny fitsaràna eo an-toerana ny raharaha Sherbakov, fa tsy hoe avela hotsarain'ny fitsaràna miaramila Rosiana sahala amin'ireo miaramila namono ireo Tajik mpitondra taxi.

Блин а, почему народ молчит, это уже какое убийство по счету??? Почувствовали безнаказанность собаки. Если не будет открытого суда и эту свинью не посадят, то нечего говорить о нашей независимости. Мне стыдно за наше правительство!!!

Nahoana no mangina ny olona, efa firy izay ny famonoana? Mahatsapa ho tsimatimanota ireo alika ireo. Raha tsy misy fitsaràna misokatra ka tsy fonjaina io kisoa io, afaka manadino ny resaka fahaleovantenantsika ianareo. Menatra amin'ny governemantantsika mihitsy aho!

Taoriana kelin'ilay famonoana, niantso ny masoivohon'i Rosia tao amin'ny fireneny ny Minisitry ny Raharaha Ivelany ao Tajikistan ary nanome azy taratasy ofisialy milaza fanoherana.

Mitondra amin'ny fifanenjanana eo amin'ireo Tajiks sy ireo Rosiana vitsy an'isa sisa tavela any ilay zava-nitranga, izay tena manohana ny fisian'ny toby ao amin'ny firenena. Nilaza [2] izao ny iray:

Во-первых что она делала на территории базы в общежитии для вояк.Во-вторых его вина пока не доказана.И в-третьих,русофобы ну хватит уже галдеть одно и тоже.Что таджики не убивают и не насилуют в России?Научитесь вести себя нормально иначе так и останетесь гастербайтерами.У вас родственники друг друга кромсают и жгут,о чем вы говорите? 201-я тут была,есть и будет.Иначе сюда придет ваш Игил и уничтожит тут все.Чем раньше вы поймете,что без России вы никто,тем будет лучше для всех…

Voalohany, inona no nataony tany amin'ny trano fandrian'ireo miaramila? Faharoa, tsy mbola voaporofo ny naha-olo-meloka azy. Fahatelo, mitaky tahàka izany foana ireo tsy tia Rosiana. Tsy mamono sy manolana ve ireo Tajiks any Rosia? Mianara ny fomba fitondrantena raha tsy izany ianareo mijanona ho “gastarbeiter” [fomba filaza ny mpifindra monina] foana. Mifandratra sy mifandoro ireo havanareo, inona no lazainareo ? Teto, eto ary ho eto foana ny tafika sampana faha 201. Raha tsy izany ho tonga ny ISIS-nareo ary hanimba ny zavatra rehetra. Tsara ho an'ny rehetra rehefa tonga ny fotoana hahatsapanareo hoe tsy misy dikany ianareo raha tsy misy an'i Rosia…

I Dilshod kosa, mieritreritra [8]fa fotoanany izao hanaovan'i Tajikistan veloma ny Sampana Mitam-piadana faha 201:

Скоро уже эти не до человеки в наши дома будут заходить и убивать всех подряд. У себя они убивают наших младенцев и обвиняют их родных родителей, в своей 201 базе устроили притон тут где насилуют и убивают наших сёстр.
Ну зачем нам тут эти алко-вояки которые только могут убивать не винных женщин и детей у нас, а границу уже десять лет мы сами охраняем и справимся без вас вы лучше свою границу охраняйте от Китая и не лезьте к нам со своими советами. Мы как нибудь сами разберемся со своими проблемами без вас.

 

Atsy ho atsy hiditra ao an-tranontsika ireo tsy mba olona ireo ary hamono ny rehetra tsirairay. Vonoin'izy ireo ny zazakelintsika ary sazian'izy ireo eo amin'ny taniny ny ray aman-dreni[n'ireo zaza] , mamorona tranon-dopy ao amin'ny tobin'ny sampana faha 201 izy ireo, izay hanolanany sy hamonoany ireo anabavintsika. Koa inona àry no ilàntsika ireo mpiady mamo lava izay mamono vehivavy sy ankizy tsy manan-tsiny ireo? Niandry ny sisintaninay samirery izahay nandritra ny ampotaona maro *,  ary afaka manao io tsy misy anareo…Afaka miatrika sy mamaha ny olanay samirery izahay.

Toa tsy azo inoana hoe ho avy ato ho ato aloha izany. Nohalavaina ho 30 taona indray ny fisian'ny tafika Rosiana any Tajikistan, nosoniavin'ireo firenena roa tonta ny taona 2012. Mampiantrano ny Okno, Rafitra Fanarahamaso Ny Habakabaka [9] ary ny Fomba Fiambenana ny Habakabaka Okno [10] ihany koa i Tajikistan. Niambina ny sisntanin'ilay fanjakana ao Azia Afovoany ireo tafika Rosiana nialoha ny nandraisan'ny hery teo an-toerana izany ny taona 2005.