- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

COP21 : Fanadihadiana Nataon'ny Eoropeana Amin'ny Fiteny Maro, “Ireo Paradisa Lalàintsika”

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Manolotra fanadihadiana iray [1] “nifandrimbonana” ny ARTE, fitambaran'ireo lahatsary manokan'ny tsirairay ao Eoropa mifikitra hiaro raki-tsarobidy kely iray : ny ‘paradisa’ kelin-dry zareo, toerana iray voajanahary manaraka azy mandritry ny androm-piainany, ary tian-dry zareo harovana, na hovonjena, amin'ny fiovaovan'ny toetrandro. Ny mampiavaka io fandihadiana io : natsangana avy aminà lahatsary nalefan'ireo mpisera amin'ny aterineto, avy any aminà firenena 49, mampiasa fiteny 45. Ho hitanao ety an-tserasera manomboka amin'ny 23 Janoary 2016 : hisy soratra mandady amin'ny teny Frantsay, Anglisy, Alemàna, Espaniola.