- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Asa fa tsy kabary, hoy ny tanoran'ny Commonwealth amin'ny mpitondrany

Sokajy: Eoropa Andrefana, Malta, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tanora
Attendees Of The Commonwealth Youth Forum 2015 (CHOGM). Photofrom CHOGM 2015 facebook Page

Mpanatrika ny Forum-n'ny Tanora Commonwealth 2015 (CHOGM). Sary tao amin'ny pejy Facebookn'ny CHOGM.

Nivory [1] tao Malta andro vitsivitsy monja mialoha ny Fihaonan'ny mpitarika ny governemanta ao amin'ny Commonwealth [2] (CHOGM), izay tontosaina ao Valletta manomboka ny 27 ka hatramin'ny 29 Novambra 2015 ny tanoran'ny firenena 53 mikambana ao amin'ny Commonwealth [3].

Ny forum, izay naterhin'ny tanora mihoatra ny 200 anelanelan'ny 18 ka hatramin'ny 29 taona, dia nanomboka tamin'ny Asabotsy [4] 22 Novambra 2015 ary nifarana tamin'ny 26 Novambra 2015.

Antenaina hitondra vahaolana hatolony ny mpitondran'ny firenena hiasana ny Forum-n'ny Tanoran'ny Commonwealth. Maro amin'ireo mpandray anjara no leon'ny fifanakalozan-kevitry ny mpanao politika sy ny mpitondra firenena, nefa tsy hampihatra azy mihitsy. Ny 60%-n'ny mponina ao amin'ny Commonwealth – tombanana ho 2,3 lavitrisa any ho any – no latsaky ny 30 taona [1].

#WhatNext No teny filamatra voalohan'ny Forum ary nampiasaina ny diezy #WhatNext [5]sy #CYF2015 [6] izaràna ny fizotran'ny forum.

Nofintinin'ny Sekretarian'ny Tanoran'ny Commonwealth tao amin'ny Twitter ny fotokevi-dehiben'ny forum-n'ny tanora:

Tsy hahazoan-jò na oviana na oviana ny fahanginana. Tsy nampidinina avy any ambony izany. Azo tamin'ny faneren'ny avy any ambony.

Na dia eo aza ny fifandonana sy ny fahasamihafana maro izay mitombo eo amin'ny samy firenena eto amin'izao tontolo izao amin'izao fotoana izao, dia nosafidian'ny tanoran'ny Commonwealth ny finamanana sy ny fiasana miaraka, araka ny nasongadin'i Mohammed Hoodh, tanora mpitarika avy ao Maldives:

Mpinamana Malta sy Maldives sady mpitarika tanora miasa miaraka amin'izao fotoana izao ho amin'ny tombontsoa iraisana no [inona koa ny manaraka]

Mpiasa sosialy Maltezy sady mpitarika tanora Bugeja Georvin miantso ho amin'ny fampiasambola amin'ny hevitry ny tanora:

Mampiasà vola amin'ny hevitrao! tsy maintsy manao hetsika fitsinjovana isika amin'izao fotoana izao. Isika no mpitarika ny anio.

Mmanti Umoh, izay miasa ao amin'ny fikambanana fitarihana rahampitso monina ao Nigeria Global Shapers UYO, no nanoratra:

Ho azo ny fandresena rehefa tsapan'ny tanora ny mety ho zavabitany ka laviny ny ‘fampiasana’ azy hahatratra ny fiibana.

Amin'ny fanohanana ny forum tanora, Rtoa Marie-Louise Coleiro, filohan'i Malta firenena mpampiatrano no naneho ny fitokisany ny tanora:

Matoky ny anjara toerana mavitrika sy mety [miabo] ary ny fandraisana anjaran'ny tanora amin'ny fampiroboroboana ny fampandrosoana, ny fandriampahalemana ary ny demôkrasia.