
Mpanatrika ny Forum-n'ny Tanora Commonwealth 2015 (CHOGM). Sary tao amin'ny pejy Facebookn'ny CHOGM.
Nivory tao Malta andro vitsivitsy monja mialoha ny Fihaonan'ny mpitarika ny governemanta ao amin'ny Commonwealth (CHOGM), izay tontosaina ao Valletta manomboka ny 27 ka hatramin'ny 29 Novambra 2015 ny tanoran'ny firenena 53 mikambana ao amin'ny Commonwealth.
Ny forum, izay naterhin'ny tanora mihoatra ny 200 anelanelan'ny 18 ka hatramin'ny 29 taona, dia nanomboka tamin'ny Asabotsy 22 Novambra 2015 ary nifarana tamin'ny 26 Novambra 2015.
Antenaina hitondra vahaolana hatolony ny mpitondran'ny firenena hiasana ny Forum-n'ny Tanoran'ny Commonwealth. Maro amin'ireo mpandray anjara no leon'ny fifanakalozan-kevitry ny mpanao politika sy ny mpitondra firenena, nefa tsy hampihatra azy mihitsy. Ny 60%-n'ny mponina ao amin'ny Commonwealth – tombanana ho 2,3 lavitrisa any ho any – no latsaky ny 30 taona.
#WhatNext No teny filamatra voalohan'ny Forum ary nampiasaina ny diezy #WhatNext sy #CYF2015 izaràna ny fizotran'ny forum.
Nofintinin'ny Sekretarian'ny Tanoran'ny Commonwealth tao amin'ny Twitter ny fotokevi-dehiben'ny forum-n'ny tanora:
“Silence never won rights. They are not handed down from above. They are won by pressures from below.”- @anglufarrugia #CYF2015 #WhatNext
— Commonwealth Youth (@ComSecYouth) November 23, 2015
Tsy hahazoan-jò na oviana na oviana ny fahanginana. Tsy nampidinina avy any ambony izany. Azo tamin'ny faneren'ny avy any ambony.
Na dia eo aza ny fifandonana sy ny fahasamihafana maro izay mitombo eo amin'ny samy firenena eto amin'izao tontolo izao amin'izao fotoana izao, dia nosafidian'ny tanoran'ny Commonwealth ny finamanana sy ny fiasana miaraka, araka ny nasongadin'i Mohammed Hoodh, tanora mpitarika avy ao Maldives:
#Malta & #Maldives friends and youth leaders is working together for the common good is #WhatNext #CYF2015 pic.twitter.com/JEun4txKQb
— MHI (@M_Hoodh) November 23, 2015
Mpinamana Malta sy Maldives sady mpitarika tanora miasa miaraka amin'izao fotoana izao ho amin'ny tombontsoa iraisana no [inona koa ny manaraka]
Mpiasa sosialy Maltezy sady mpitarika tanora Bugeja Georvin miantso ho amin'ny fampiasambola amin'ny hevitry ny tanora:
Invest in our ideas!We must take proactive actions now.We are the leaders of today. #CYF2015 #WhatNext @ComSecYouth pic.twitter.com/kf0ju3T61y
— Georvin Bugeja (@GeorvinBugeja) November 23, 2015
Mampiasà vola amin'ny hevitrao! tsy maintsy manao hetsika fitsinjovana isika amin'izao fotoana izao. Isika no mpitarika ny anio.
Mmanti Umoh, izay miasa ao amin'ny fikambanana fitarihana rahampitso monina ao Nigeria Global Shapers UYO, no nanoratra:
This battle will be won when young people realise their potentiality and refuse to be ‘used’ to achieve negativity. #CYF2015#WhatNext
— Mmanti Umoh (@MissChangeGene) November 21, 2015
Ho azo ny fandresena rehefa tsapan'ny tanora ny mety ho zavabitany ka laviny ny ‘fampiasana’ azy hahatratra ny fiibana.
Amin'ny fanohanana ny forum tanora, Rtoa Marie-Louise Coleiro, filohan'i Malta firenena mpampiatrano no naneho ny fitokisany ny tanora:
I believe in the positive and active role and contributions of #youths in promoting #development, #peace, and #democracy #CYF2015
— Marie-Louise Coleiro (@presidentMT) November 25, 2015
Matoky ny anjara toerana mavitrika sy mety [miabo] ary ny fandraisana anjaran'ny tanora amin'ny fampiroboroboana ny fampandrosoana, ny fandriampahalemana ary ny demôkrasia.