- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Noho ny Fanakatonana Ny Fampiharana Fandefasan-kafatra, Miditra Tor (sy Twitter) Ny Bangladeshita

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Traffic at downtown Dhaka. Image by Indrajit Ghosh. Copyright Demotix (19/11/2015) [1]

Fitohanana ao afovoan-tanànan'i Dhaka. Sary avy amin'i Indrajit Ghosh. Copyright Demotix (19/11/2015)

Tamin'ny 18 Novambra, namoaka fandraràna ny fampiharana fandefasan-kafatra sosialy [2] mandra-pisian'ny didy vaovao ny governemanta Bangladeshita- nakaton'ireo mpamatsy tolotra aterineto ny WhatsApp, Facebook, Messenger [3], Line, Tango sy ny Google Hangouts. Nilatsaka avy hatrany taorian'ny Fitsarana Tampony nanamafy ny sazy fanamelohana ho faty [4] ho an'ireo mpitarika mpanohitra roa teo aloha noho ny anjara toerany tamin'ny Adim-panafahana 1971 [5] ny fanapahan-kevitra hanakatona ireo habaka ireo. Nolazaina fa noho ny “antony ara-piarovana [6]“, toa mametra ny fifandraisana ao anatin'ny tanjona hanakana izay fihetsiketsehana manohitra ny fanapahan-kevitra sy ny famonoana ho faty ireo roa lahy atsy ho atsy ny governemanta. Nandritra izany fotoana izany, niteraka fivoarana somary mahaliana amin'ny fampiasana ny media sosialy sy ny fitaovam-pifandraisana azo antoka ao Bangladesh ny fandraràna.

Tamin'ny andro nandraràna ny fandefasan-kafatra ara-tsosialy, nitarika fanakatonana ny aterineto manontolo tao Bangladesh nandritra ny 90 minitra teo ho eo ilay nofaritan'ny Minisi-panjakana misahana ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Tarana Halim [7] fa “tsy fahazoan-kevitra [7]“, manamarika ny fotoana voalohany nanakatonana ny aterineto tao amin'ny firenena. Toa hita fa nanjary nampisavoritaka aterineto ihany ny torolalana hanakana ny fampiharana fandefasan-kafatra ara-tsosialy rehetra.

Namaly ireo mpiserasera tezitra:

Mampiato ny fampiasana https ao Bangladesh ireo mpamatsy tolotra aterineto sasany mba hanakanana ny facebook. Mivandravandra ny vokany. Adala101

Manakana ny Instagram ihany koa ve ny governemantan'i Bangladesh? Miezaka tsy hihomehy aho. Bangladesh Nomerika tahaka izao….feno sivana

Mampidi-doza kokoa ny fanakanana ny media sosialy mandritra ny korontana. Tsy misy antony mazava ho an'i Bangladesh ny manakana azy ireo noho ny antom-piarovana

Nanome fampitandremana ny governemanta vao tamin'ny herinandro lasa teo fa vonona hampihena ny tahan'ny fanakatonana habaka sasany izy ireo, raha nanambara ny Praiminisitra Sheikh Hasina fa hakatona vonjimaika ny tolotra fiantsoana sy fandefasan-kafatra antserasera malaza WhatsApp sy Viber [14] “raha ilaina, mba hisamborana ireo milisy sy hanakanana ny hetsika fampihorohoroana ao amin'ny firenena “, araka ny tatitry ny Dhaka Tribune.

Ka inona no nitranga raha nosakanana ireo habaka ireo?

Bangladeshita maro no mampiasa Tor na fampiharana fandefasan-kafatra voaaro toy ny Signal. Niparitaka be tao amin'ny Twitter ny toro-lalam-pampianarana teny Bengali amin'ireo fitaovana ireo.

Ahoana ny fampiasana Facebook ao Bangladesh miaraka amin'ny Vpn

Nipoitra ihany koa ny sasany miaro ny  tolotra fandefasan-kafatra voaaro, anisan'izany ny bdnews24 [18], izay nanolo-kevitra hampiasa mpitety voaaron'ny fanafenana anarana Tor ho an'ireo mpanjohy azy 110.000:

Mba hialana amin'ny fandraràn'ny governemanta ny fitaovana media sosialy tahaka ny Facebook, trohy ny Tor:

Toa hita fa mihaino azy ireo ihany koa ny olona. Tao amin'ny habaka fandrefesana Tor, [23] nitombo be ny isan'ny mpiserasera ao Bangladesh nanomboka tamin'ny fanakanana, nitombo 2000 hatramin'ny mpiserasera 12000 tao anatin'ny andro vitsivitsy monja:

Na dia ny antokon'ny fitondrana ao amin'ny governemanta aza toa mampiasa teknolojia hafa mba hihazonana ny fisiany antserasera. Na dia anisan'ireo mametraka ny fandraràna ao an-toerana aza, dia ahitana fanavaozam-baovao hatrany ny pejy ofisialin'ny [24] antokon'ny fitondrana, Ligin'i Awami:

Screen shot [24]

Pikantsary tao amin'ny pejy ofisialin'ny Ligin'ny Awami.

Tamin'ny Asabotsy, nandrisika ny mpiserasera ny minisitra Tarana Halim mba hiaritra kely tsy maharitra fa izany no mahasoa ny firenena, milaza fa hiantoka ny fiarovana maharitra ny fanapahan-kevitra. Niaro izany safidy izany [25]ihany koa izy, nilaza hoe:

The government has blocked Facebook and online messaging services WhatsApp and Viber until further notice on security grounds. The state authorities have been monitoring the people who are using those in alternative way.

Nosakanan'ny governemanta ny Facebook sy ny tolotra fandefasan-kafatra antserasera WhatsApp ary ny Viber mandra-pisian'ny didy vaovao momba ny antony ara-piarovana. Manaramaso ny olona mampiasa fomba hafa ny manam-pahefana ara-panjakana.

Somary tsy mampino, na dia ny Minisitry ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana, Zunaid Ahmed Palak [26]aza mba nanavao ny pejiny nandritra ny fanakatonana tamin'ny fandefasana ity hafatra [27] miresaka Bangladesh Nomerika ity.

Screenshot from the ICT Ministers page [27]

Pikantsary avy amin'ny pejin'ny Minisitry ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana

A discussion on “Tathya Apa” – a project on the empowerment of women through ICT to build Digital Bangladesh. Help Line 10922.

Fifanakalozan-kevitra momba ny “Tathya Apa” –  tetikasa momba ny fanomezan-kery ny vehivavy amin'ny alalan'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana mba hananganana Bangladesh Nomerika. Laharana Fiantsoana vonjy 10922.

Ka tsy mazava raha nosakanan'ny governemanta ny vavahadin-tserasera Facebook, na voaràra tanteraka ny fampiasana ny Facebook.

Amin'ity fitsapan-kevitra tamin'ny Twitter ity, nanome ny heviny ny mpiserasera:

Misy fiantraikany eo amin'ny fiainana ara-tsosialinao sy ara-pandraharahanao ve ny fandraràna ny Facebook sy ny fitaovana media sosialy hafa ao Bangladesh?

Notanterahina tamin'ny Asabotsy alina [ny famonoana ireo olona roa araka ny didy] , kanefa toa mbola mihatra hatrany ny fandraràna. Ho hitantsika eo hoe mandra-pahoviana ny faharetan'izany. Efa nilaza [29] ny governemanta fa tsy nisy zavatra tsy nampoizina nitranga noho ny fihenan'ny fampiasana ny media sosialy. Na izany aza, raha mitohy ny fandraràna, dia hanakona ny fampandrosoana ara-toekarena ao amin'ny firenena izany, hoy ny tsikera [30].

Raha mba misy tsirim-panantenana azontsika tsoahina amin'ity fampiasana tafahoatra ny fahefana ity, angamba ho maro ny olona hanomboka hampiasa teknolojia voaaro sy azo antoka mba hifandraisana – ireo izay sarotra kokoa ho an'ny governemanta ny manafongatra azy.