- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahoana No Nanjary Tanànan'ny “Maty Mandehandeha” Nandritra Ny Zaikaben'ny APEC i Manila

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna
The hashtag #PHfightAPEC was used by activists during the APEC Summit in Manila. Photo from Bulatlat [1]

Nampiasain'ny mpikatroka nandritra ny Zaikaben'ny APEC tao Manila ny diezy #PHfightAPEC. Sary avy amin'i Bulatlat

Maro ireo Filipiana nanakiana ny fampiantranoan’ [2] ny governemanta ny Fiarahamiasa Ara-toekarena Azia-Pasifika (APEC) fanao isan-taona, Fivorian'ireo mpitarika Ara-toekarena tamin'ny 18-19 Novambra noho ny fikorontanana naterak'izany tao Metro Manila, foiben'ny tanàndehibe voalohany ao amin'ny firenena.

Tambajotra ahitana firenena 21 ao amin'ny faritra Pasifika ny APEC, ny hampandroso ny fandrindrana ara-toekarena sy ny varotra malalaka no tanjona. Filoham-pirenena roapolo no nanatrika ny fivorian'ny APEC tao Manila, anisan'izany ny Filohan'i Etazonia, Barack Obama.

Maro ireo mpiserasera nametra-panontaniana mikasika ny fametrahana lalana manokana (ho an'ny delegasionan'ny APEC ihany) tamin'ny lalambe, ny fividianana fiara raitra, ary ny fanomezana vola 10 lavitrisa pesos (manodidina ny 200 tapitrisa dolara Amerikana) mba hampiantranoana ny hetsika.

Nampiasa ny diezy  #APECtado [3], kilalaon-teny amin'ny raharaha, sy ny diezy  #APECfail [4], kilalaon-teny miresaka ny “tsy fahombiazana” ny mpiserasera mba amoahana ny hatezeran'izy ireo noho ny fitohanan'ny fiara, ny fanafoanana ny sidina an'habakabaka, ny faharatsian'ny fifandraisana aterineto, ary ny fahaverezan-karama tamin'ny andro tsy fiasana manokana noho ny zaikabe.

Niteraka sary namboarina “Maty Mandehandeha” ny lalan'ny APEC

Niparitaka be ny sary eto ambany satria nanamarika ny voka-dratsy nateraky ny zaikaben'ny APEC teo amin'ny fiainan'ny mponina ao Metro Manila:

Ity no tena dikan'ny APEC ho an'ny ankamaroan'ny Filipiana ( fanehoana ny saika zava-drehetra ao amin'ity firenena ity ihany koa)

Ity sary ity kosa dia aingam-panahy momba ny fandefasana sary namboarina mampiseho “Maty Mandehandeha”, fandaharana malaza  amin'ny fahitalavitra Amerikana momba ny fihanaky ny Matoatoa hita vatana :

Parts of Manila became like a scene in the hit TV series 'Walking Dead' because of the designation of a special lane for the exclusive use of APEC delegates. Punyeta is a curse word in Filipino. Meme from the Facebook page of Pixel Offensive [7]

Nanjary toy ny sehatra amin'ilay tantara mitohy malaza amin'ny fahitalavitra “The Walking Dead (Maty Mandehandeha” ny ampahan-dalana ao Manila noho ny fametrahana arabe manokana ampiasain'ireo delegasionan'ny APEC. Teny ozona ao Filipina ny “Punyeta”. Sary namboarina tao amin'ny pejy Facebookn'ny Pixel Offensive

 

"Sayang ang Lupa" means "Land is wasted". Meme from the Facebook page of Anakbayan Kamaynilaan [8]

“Sayang ang Lupa” midika hoe “Very amin'ny tsy misy dikany ny tany”. Meme [Sary amboarina] tao amin'ny pejy Facebook-n'i Anakbayan Kamaynilaan

Sioka avy amin'ny diezy #APECFail

Ireto ambany ireo sioka sasany maneho ny fahatezerana sy ny fahadisoam-panantenan'ny mponina niharan'ny voka-dratsin'ny hetsika APEC:

Miadana be ny aterineto tao anatin'izay andro vitsy izay. Nihevitra aho fa tsy hisy fiantraikany amin'ny hafainganam-pandehan'ny aterineto ny 8kbps nomena ny delegasionan'ny APEC. #APECtado [9]

Milentika ny masoandro, mbola tsy tonga ihany ny jeep. Tafatory tao anaty Jeep aho [milaza ny jeepney, fiara fitateram-bahoaka ao amin'ny Filipina], mbola tsy tonga atsasa-dalana akory izahay .#APECtado [9]

Fahavoazana ho an'ny olona. Fanakatonana lalana, Sidina nofoanana ary rehefa tsy miasa dia tsy misy karama ho an'ny mpiasa.

Lazaina fa fitomboan-karena iarahana ny #APEC2015 saingy mampiseho ny fomba fanilihana ny ankamaroan'ny Filipiana ny lalana nikatona, sy ny fanafoanana sidina.

Nitsikera ny fandaniana fahatany sy mihoampampana nataon'ny governemantan'ny Filoha Noynoy Aquino tamin'ny zaikabe APEC mba handraisana ireo manampahefana vahiny ao anatin'ny fifikiran'ny fahantrana, ny tsy fitoviana, ny hanoanana, sy ny fananan'asa iaretan'ny Filipiana maro ihany koa ny mpiserasera.

Fahadalàna tahaka ny ahoana ny fampideran'i Aquino ireo sakafo tsara indrindra an'i Filipina ao anatin'ny takariva iray raha an-tapitrisany maro no tsy nanandrana izany teo amin'ny androm-piainany. #APECFail

Who benefits from it? Is it the majority of the masses or the few capitalists? Exclusive economic growth ebribadi. #APECfail [19] — Chelna Deblois (@chelniwhyy) November 18, 2015 [20]

Iza no mahazo tombontsoa amin'izany? Ny ankamaroan'ny vahoaka sa ny kapitalista vitsivitsy? Firoboroboana ara-toekarena manavaka olona. #APECfail

Niaiky ny fanelingelenana nateraky ny APEC ny governemanta, saingy nilaza izy fa ilaina izany mba hanehoana ny “fitiavana mandray vahiny”:

Misaotra tamin'ny fampisehoana tamin'izao tontolo izao, tamin'ny alalan'ny fampiantranoantsika ny  #APEC2015 [15], ny dikan'ny fandraisam-bahiny amin'ny Filipiana

Tsy faly tamin'ny diezy #APEChotties

Nandritra izany, tsy ny rehetra no faly tamin'ny fomba nandraisan'ny fampahalalam-baovao mahazatra anjara tamin'ny #APEChotties amin'ny fametraham-panontaniana mikasika izay sexy kokoa eo amin'ny Praiminisitra Kanadiana Justin Trudeau sy ny Filoha Meksikana Enrique Peña Nieto:

Tsarovy ny fakon'i Kanada sy ireo mpianatra 43 nanjavona ao Meksika. Ka iza no #APECbae [23]anao?

Atoa Praiminisitra Justin Trudeau, Afaka manary ny fakonao aty ambanivohitray amin'ny fotoana rehetra ianareo. Miangavy hamaly amin'ny alalan'ny pi-maso

Fanamby ho an'ny #APEChottie Justin Trudeau – ATSAHARO ny orinasan'ny fitrandrahana Kanadiana manimba ao amin'ny Cordillera! Fampandrosoana iarahana hosoka lasa mivadika ho #APECfail

Fihetsiketsehana manohitra ny APEC

Mpikatroka sy fikambanan'ny mpiasa, vazimba teratany, tantsaha, vehivavy sy mpianatra an'arivony no nidina an-dalambe [30]mba hihantsy ny fandraràn'ny governemanta ny famoriam-bahoaka manohitra ny fandaharan'asa “fanatontoloana ara-barotra malalaka” an'ny APEC, izay nolazain'izy ireo fa nampanankarena ny firenena lehibe tahaka ny Etazonia ary tsy mitondra tombontsoa ho an'ny firenena mahantra toa an'i Filipina.

Taloha, nitarika fandoroana sainam-pirenena Amerikana tao Liwasang Bonifacio ny tanora mba hiampanga ny fanatontoloana imperialista Amerikana.

Nandray anjara tamin'ny hetsika manohitra ny APEC ny tsy Filipiana sasany:

Nampiseho ny firaisankinany tamin'ny antson'ny vahoaka amin'ny #JunkAPEC [31] ilay Palestiniana mpiady ho amin'ny fahalalahana Leila Khaled

Niezaka nanakana ireo mpikatroka tsy hanatontosa fandaharana mandritra ny fihetsiketsehana amin'ny alalan'ny fihirana ny hiran'ilay mpanakanto Amerikana Katy Perry ny polisy:

Ry namana @katyperry [36], mampiasa ny hiranao mba hanitsakitsaka ny zon'olombelona ny governemantan'ny Filipina. Azafady, angataho izy ireo mba hampitsahatra izany. Misaotra

Niafara tamin'ny diabe goavana tonga tao akaikin'ny toeram-pivorian'ny APEC ao amin'ny Foiben'ny Fifanarahana Filipina tamin'ny 19 Novambra, andro faran'ny zaikabe ny fihetsiketsehana, ao anatin'ny barazin'ny polisy, fanaparitahana mahery setra, ary ezaka handrendrika ny fihetsiketsehana amin'ny alalan'ny mozika mafy be [39].