Maro ireo Filipiana nanakiana ny fampiantranoan’ ny governemanta ny Fiarahamiasa Ara-toekarena Azia-Pasifika (APEC) fanao isan-taona, Fivorian'ireo mpitarika Ara-toekarena tamin'ny 18-19 Novambra noho ny fikorontanana naterak'izany tao Metro Manila, foiben'ny tanàndehibe voalohany ao amin'ny firenena.
Tambajotra ahitana firenena 21 ao amin'ny faritra Pasifika ny APEC, ny hampandroso ny fandrindrana ara-toekarena sy ny varotra malalaka no tanjona. Filoham-pirenena roapolo no nanatrika ny fivorian'ny APEC tao Manila, anisan'izany ny Filohan'i Etazonia, Barack Obama.
Maro ireo mpiserasera nametra-panontaniana mikasika ny fametrahana lalana manokana (ho an'ny delegasionan'ny APEC ihany) tamin'ny lalambe, ny fividianana fiara raitra, ary ny fanomezana vola 10 lavitrisa pesos (manodidina ny 200 tapitrisa dolara Amerikana) mba hampiantranoana ny hetsika.
Nampiasa ny diezy #APECtado, kilalaon-teny amin'ny raharaha, sy ny diezy #APECfail, kilalaon-teny miresaka ny “tsy fahombiazana” ny mpiserasera mba amoahana ny hatezeran'izy ireo noho ny fitohanan'ny fiara, ny fanafoanana ny sidina an'habakabaka, ny faharatsian'ny fifandraisana aterineto, ary ny fahaverezan-karama tamin'ny andro tsy fiasana manokana noho ny zaikabe.
Niteraka sary namboarina “Maty Mandehandeha” ny lalan'ny APEC
Niparitaka be ny sary eto ambany satria nanamarika ny voka-dratsy nateraky ny zaikaben'ny APEC teo amin'ny fiainan'ny mponina ao Metro Manila:
This is what APEC truly means to most Filipinos (also a representation of almost everything in this country) pic.twitter.com/Qe2xRHyGdq
— Richard Bolisay (@richardbolisay) November 16, 2015
Ity no tena dikan'ny APEC ho an'ny ankamaroan'ny Filipiana ( fanehoana ny saika zava-drehetra ao amin'ity firenena ity ihany koa)
Ity sary ity kosa dia aingam-panahy momba ny fandefasana sary namboarina mampiseho “Maty Mandehandeha”, fandaharana malaza amin'ny fahitalavitra Amerikana momba ny fihanaky ny Matoatoa hita vatana :
Sioka avy amin'ny diezy #APECFail
Ireto ambany ireo sioka sasany maneho ny fahatezerana sy ny fahadisoam-panantenan'ny mponina niharan'ny voka-dratsin'ny hetsika APEC:
Bagal ng net these past few days. Akala ko ba hindi maaapektuhan ang net speed kahit ipinagkaloob ang 8kbps sa APEC delegates. #APECtado
— Carlota Malagueño (@CarLilaLala) November 19, 2015
Miadana be ny aterineto tao anatin'izay andro vitsy izay. Nihevitra aho fa tsy hisy fiantraikany amin'ny hafainganam-pandehan'ny aterineto ny 8kbps nomena ny delegasionan'ny APEC. #APECtado
Lumubog na yung araw, hindi pa dumadating yung jeep. Nakatulog na ako sa jeep, hndi parin nakalahati ang byahe. #APECtado — Danelle Farala (@chowder009) November 19, 2015
Milentika ny masoandro, mbola tsy tonga ihany ny jeep. Tafatory tao anaty Jeep aho [milaza ny jeepney, fiara fitateram-bahoaka ao amin'ny Filipina], mbola tsy tonga atsasa-dalana akory izahay .#APECtado
At the expense of the people. Road closure, Flights cancelled and no work no pay for workers. #APECHassle https://t.co/eso60mLLlN
— James Allan Sayson (@jamesayson) November 11, 2015
Fahavoazana ho an'ny olona. Fanakatonana lalana, Sidina nofoanana ary rehefa tsy miasa dia tsy misy karama ho an'ny mpiasa.
#APEC2015 supposedly about inclusive prosperity but closed roads, cancelled flights show how most Filipinos are in fact excluded #APECtado — arnold padilla (@arnoldpadilla) November 16, 2015
Lazaina fa fitomboan-karena iarahana ny #APEC2015 saingy mampiseho ny fomba fanilihana ny ankamaroan'ny Filipiana ny lalana nikatona, sy ny fanafoanana sidina.
Nitsikera ny fandaniana fahatany sy mihoampampana nataon'ny governemantan'ny Filoha Noynoy Aquino tamin'ny zaikabe APEC mba handraisana ireo manampahefana vahiny ao anatin'ny fifikiran'ny fahantrana, ny tsy fitoviana, ny hanoanana, sy ny fananan'asa iaretan'ny Filipiana maro ihany koa ny mpiserasera.
Crazy how Aquino shows off PH's best food for his masters in one evening while millions can't even taste those in their lifetime. #APECFail
— Hapis (@mikmikgarrido) November 18, 2015
Fahadalàna tahaka ny ahoana ny fampideran'i Aquino ireo sakafo tsara indrindra an'i Filipina ao anatin'ny takariva iray raha an-tapitrisany maro no tsy nanandrana izany teo amin'ny androm-piainany. #APECFail
Who benefits from it? Is it the majority of the masses or the few capitalists? Exclusive economic growth ebribadi. #APECfail — Chelna Deblois (@chelniwhyy) November 18, 2015
Iza no mahazo tombontsoa amin'izany? Ny ankamaroan'ny vahoaka sa ny kapitalista vitsivitsy? Firoboroboana ara-toekarena manavaka olona. #APECfail
Niaiky ny fanelingelenana nateraky ny APEC ny governemanta, saingy nilaza izy fa ilaina izany mba hanehoana ny “fitiavana mandray vahiny”:
Thank you for helping show the world, through our hosting of #APEC2015, what Filipino hospitality means. pic.twitter.com/JvM63DdOgM
— APEC 2015 (@apec2015ph) November 18, 2015
Misaotra tamin'ny fampisehoana tamin'izao tontolo izao, tamin'ny alalan'ny fampiantranoantsika ny #APEC2015, ny dikan'ny fandraisam-bahiny amin'ny Filipiana
Tsy faly tamin'ny diezy #APEChotties
Nandritra izany, tsy ny rehetra no faly tamin'ny fomba nandraisan'ny fampahalalam-baovao mahazatra anjara tamin'ny #APEChotties amin'ny fametraham-panontaniana mikasika izay sexy kokoa eo amin'ny Praiminisitra Kanadiana Justin Trudeau sy ny Filoha Meksikana Enrique Peña Nieto:
Remember Canada's trash and Mexico's missing 43 students. So who's your #APECbae? #APECfail
— Krissy Conti (@chronikrissys) November 17, 2015
Tsarovy ny fakon'i Kanada sy ireo mpianatra 43 nanjavona ao Meksika. Ka iza no #APECbae anao?
Dear Prime Minister @JustinTrudeau, You can throw your garbage in our backyard, anytime. Please reply with a wink. #APEChotties — Fei Fei Sunshine (@ihateposh) November 17, 2015
Atoa Praiminisitra Justin Trudeau, Afaka manary ny fakonao aty ambanivohitray amin'ny fotoana rehetra ianareo. Miangavy hamaly amin'ny alalan'ny pi-maso
Challenge to #APEChottie Justin Trudeau – STOP destructive Canadian mining firms in the Cordillera! Fake inclusive growth becomes #APECfail
— Emmi de Jesus (@emmidejesus) November 18, 2015
Fanamby ho an'ny #APEChottie Justin Trudeau – ATSAHARO ny orinasan'ny fitrandrahana Kanadiana manimba ao amin'ny Cordillera! Fampandrosoana iarahana hosoka lasa mivadika ho #APECfail
Fihetsiketsehana manohitra ny APEC
Mpikatroka sy fikambanan'ny mpiasa, vazimba teratany, tantsaha, vehivavy sy mpianatra an'arivony no nidina an-dalambe mba hihantsy ny fandraràn'ny governemanta ny famoriam-bahoaka manohitra ny fandaharan'asa “fanatontoloana ara-barotra malalaka” an'ny APEC, izay nolazain'izy ireo fa nampanankarena ny firenena lehibe tahaka ny Etazonia ary tsy mitondra tombontsoa ho an'ny firenena mahantra toa an'i Filipina.
Earlier, youth led burning of US flag in Liwasang Bonifacio to denounce US imperialist globalization #JunkAPEC pic.twitter.com/BfpcuqL5Ab
— mai uichanco (@thereforeiammai) November 18, 2015
Taloha, nitarika fandoroana sainam-pirenena Amerikana tao Liwasang Bonifacio ny tanora mba hiampanga ny fanatontoloana imperialista Amerikana.
Nandray anjara tamin'ny hetsika manohitra ny APEC ny tsy Filipiana sasany:
Palestinian freedom fighter Leila Khaled showing her solidarity for the people's call to #JunkAPEC pic.twitter.com/rhnX9QBa6U
— Jeoff (@jeofflarua) November 19, 2015
Nampiseho ny firaisankinany tamin'ny antson'ny vahoaka amin'ny #JunkAPEC ilay Palestiniana mpiady ho amin'ny fahalalahana Leila Khaled
Niezaka nanakana ireo mpikatroka tsy hanatontosa fandaharana mandritra ny fihetsiketsehana amin'ny alalan'ny fihirana ny hiran'ilay mpanakanto Amerikana Katy Perry ny polisy:
Dear @katyperry, PH gov't is using your songs to violate human rights. Please ask them to stop. Thanks https://t.co/CltB4F6Ry0
— Vencer Crisostomo (@venzie) November 20, 2015
Ry namana @katyperry, mampiasa ny hiranao mba hanitsakitsaka ny zon'olombelona ny governemantan'ny Filipina. Azafady, angataho izy ireo mba hampitsahatra izany. Misaotra
Niafara tamin'ny diabe goavana tonga tao akaikin'ny toeram-pivorian'ny APEC ao amin'ny Foiben'ny Fifanarahana Filipina tamin'ny 19 Novambra, andro faran'ny zaikabe ny fihetsiketsehana, ao anatin'ny barazin'ny polisy, fanaparitahana mahery setra, ary ezaka handrendrika ny fihetsiketsehana amin'ny alalan'ny mozika mafy be.