- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Feno 60 Taona Ilay Botàna Mpanjaka Fahefatra Malaza

Sokajy: Azia Atsimo, Bhutan, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tantara, Vaovao Tsara
 Jigme Singye Wangchuck, the fourth King of Bhutan. Image from public domain. [1]

Jigme Singye Wangchuck, ilay mpanjaka fahefatry ny Botàna. Sary avy amin'ny sehatra ho an'ny daholobe.

Mety hoe fanapahankevitra azy manokana ny nandehanany hisotro ronono sy tsy ho mpanjakan'i Botàna intsony tamin'ny 2006 [2] rehefa avy nanamarika ny fiantombohan'ny demaokrasia tao amin'ity firenena bitika kely ao Hymalaya ity izy, fa tena mbola velona ao am-pon'ireo olompirenena na mandrak'androany aza  i Jigme Singye Wangchuck, [3] (rain'i Jigme Khesar Namgyel Wangchuck [4], mpanjakan'ny Botàna amin'izao fotoana izao).

Na nisotro ronono na tsia, marobe ireo Botanezy no tia azy, amin'ny maha-mpifehy azy nifantoka tamin'izay soa ho an'ny vahoakany fa tsy izay fahefana na laza. Izy no tondroina ho ray nipoiran'ny fivoarana azo tsapain-tànana tao, fony ity firenena bitika ao anatin'ireo goavana ity (India sy Shina) nitoka-monina tanteraka sy tsy nivoatra, ary tamin'ny nanaovany asa goaana na dia mbola 16 taona aza izy tamin'ny 1972 no niakatra teo amin'ny fanjakàna.

Miharihary be ao anatin'ny fiomanan'ny Botàna hankalaza ny faha-60 taonany rehefa  11 Novambra ny betsaka amin'ity fanehoam-pankasitrahana sy fanajàna omena ny “fahefatra goavana” ity, araka izay ahafantarana azy. Miraradraraka ao amin'ny media sosialy ny fanomezana voninahitra avy amin'ny fo avy amin'ireo Botàne manerana ny tany, maneho ny fidadasiky ny fitiavana sy ny fanajàna mbola atolotra azy hatramin'izao. Sariny sy fisaorana azy tamin'izay zavabitany no miely any amin'ireo mombamomba ny tena sy ny median'olontsotra..

Karim ho an'ny faha-60 taonan'ny Mpanjaka Hajaina Fahefatr'i Botàna ao Tendrel Thang, Thimphu

2 Jona 1974, taorian'ny fanandratana ny Mpanjaka Hajaina Jigme Singye Wangchuck, nizoran'ny Botàna ny tsipika fisasahan'ny làlana mankamin'ny fanorenana am-pahamalinana

Passing Tshering, mpanabe, dia nanavao ny fanomezana voninahitra iray nataony tany aloha tany ho an'ny mpanjaka, tao amin'ny  bilaoginy. [9]

Tamin'ny faha 17 taonako, mpianatra tany amin'ny lisea aho, niezaka ny hamantatra izay antony tsy nitiavan'ny mpampianatra matematika ahy, ny antony maha-hentitra be ny tale, ny antony atahoran'ny vehivavy rehetra ahy, sy izay andehanako an-tsekoly…. saingy teo amin'ny faha-17 taonany, ny printsy tanora Jigme Singye Wangchuck, tsy hoe fotsiny namoy ny rainy, fa koa ny mpanjakany. Nipararetra i Botàna nandre ny vaovao saingy ny tovolahy Jigme tsy maintsy namàfa ny ranomasony nikoriana ny tavany ary namaly ny antson'ny fireneny.

Feno manerana izao tontolo izao ny fampisehoana ivelany ny fanajàna mpanjaka na mpanao jadona, noho ny toerana misy azy ireo fotsiny. Saingy raha ny ao Botàna, ny fideràna an'i Jigme Singye Wangchuck dia mifàka amin'ny zavamisy hoe nampifamatorin'ny vahoaka aminy ny fivoarana/fahombiazan'ny firenena. Marobe ireo misento ao ampanaovana jeritodika ny fotoana nitondràny, mahatsiahy ny fomba mahomby nitondràn'ny olona iray ilay firenena nitoka-monina ho eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary hiditra ao anatin'ny taonjato faha-21, olona izay nitondra tao am-pony ny tombontsoan'izy rehetra.

Tao amin'ny bilaoginy iamDrukpa [10], nanoratra i Jurmi Chhowing hoe :

Mafy orina satria mifikitra ami'ny ataony. Hendry satria miasa fa tsy be kabary. Tsotra tahàka ny maha-be fahasahiana azy. Mbola velona hatrany ilay  Fahefatra Goavana.
Fotoana sarobidy maha-tretrika ny fankalazàna fiainana iray tahàka izany. […]

Tsy mila dera ilay rangahy ity. Tsy  mila toraka voninkazo. Tsy miditra amin-javatra hafahafa (pataloha tery). Tsy sempotry ny fahamboniana…..Amin'izay rehetra antso mikasika fifandirana, mahitsy amin'ny fepetra raisiny izy.

Hafaliam-po, ry harenanay.

Jigme Singye Wangchuck. Image from Public Domain. [11]

Jigme Singye Wangchuck. Sary avy ao amin'ny sehatra ho an'ny daholobe.

Manakoako any amin'ireo Botànezy maro ireo tenin'i Jurmi. Mpanjaka tsy nisafidy nitarika vovonana no hitan-dry zareo, fa naleony nijanona ho hery miasa mangina ao ambadiky ny fivoaran'ny fireneny. Tsy mba nanao fialantsasatra mandany vola be velively tany ivelany izy; na naleony nandany ny fotoanany tamin'ny fanaovana dia an-tongotra sy fitaingenana bisikilety tany ambanivohitra, miezaka mahafantatra ireo olona eo anatin'ny fanjakàny. Tsy mba niaina na miaina anaty lapa izy hatramin'izao, fa anaty trano kely voahodidin'ireo ala-nà hazo kesika.

Tao amin'ny pejiny Facebook, [12] i Tshering Tashi mpanoratra, nanoratra ny “Angano sy Fahatsiarovana: Ireo Tantara Tsy Notantaraina Momba An'i Botàna” sy “Antso Mafonjan'i Botàna,” dia nitantara fintina fohy avy aminà tatitra iray an'ny Antenimieram-Pirenena tamin'ny1998

Efa nisy fanaovana tolotra hanorenana lapa sahaza ho an'ny Mpanjaka Hajaina tany aloha tany, nataon'ireo manampahefam-panjakana sy ny vahoaka. Kanefa, raha tsy ho resahana ny fanorenana lapa, tsy  nankatoavin'ny Mpanjaka Hajaina akory na dia ny hanavaozana ilay fiara antitra tao anatin'ny garazin'ny mpanjaka aza, na ny fanaovana fanadiovana tsy tapaka sy fiborosiana hangirana ny trano hazo ipetrahany aza. Ny mpitondra tenin'ny Antenimieram-Pirenena, Fivoriana faha-76 fanaon'ny Antenimieram-Pirenena (29 Jona –30 Jolay 1998)

Ny filôzôfia fampandrosoana nataon'i Jigme Singye Wanghchuck hisian'ny Fahasambarana Nasionaly Faobe, izay mifantoka amin'ny fiadanan'ny vahoaka, fa tsy ny fananana fitaovana materialy, no ivon'ny drafitra rehetra fampandrosoana nentiny ho an'i Botàna. Marika noraisiny io avy tamin'ny rainy, Jigme Dorji Wangchuck, [13] mpanjaka fahatelo tao Botàna, izay namoaka didim-panjakana tamin'ny 1968 hoe afaka manaisotra minisitra, ary na izy mpanjaka tenany koa aza, ireo fanapahankevitra raisin'ny Antenimieram-Pirenena. Ny Novambra taorian'izay, nialàny ny zo tsy azo ivalozana nanànany tamin'ireo volavolan-dalàn'ny Antenimieram-Pirenena sady nolazainy fa hametraka fialàna izy raha toa ka roa ampahatelon'ny mpanao lalàna no mandany fifidianana fitsipaham-pitokisana. Izy ihany koa no lehilahy iray mandray sidina amin'ny fampiasàna pasipaoro tsotra izay nilaza fa mpiasan'ny governemanta izy.

Sushila Gurung, mpampianatra iray ao Thimphu, nanoratra tao amin'ny bilaoginy momba ny “fahefatra goavana”: [14]

[sento foana]  Fony izao tontolo izao nihazakazaka ho amin'ny fampandrosoana ara-toekarena manosihosy ny fiadanana ara-tsosialy, ianao kosa nanao ho laharam-pahamehana ny Hasambarana ho toy ny loharano ipoiran'ny fampandrosoana rehetra… Toy ny voafetra ny teny rehefa Ilay olona tao ambadiky ny anjara sy lahatr'i Botàna tamin'izany sy ankehitriny no mameno ny fo. Mpanjaka iray izay niara-niady tamin'ireo miaramila tsotra fony vanim-potoanan'ny korontana politika mahazatra. Mba mpitarika iza tamin'ny taonjato faha-21 no notehafana/noderaina taminà fatram-pitiavana tsy misy fetra tahàka izany ho an'ny faritra sy ny vahoakany…

Ny lisitry ny zavabitany, mihoatra lavitra noho ny nahaterahan'ny demaokrasia, dia ahitàna ny fampidinana ny tahan'ny fahafatesan'ny ankizy, ny fanatsaràna ny fiahiana ara-pahasalamana sy ny fampianarana, fanorenana fotodrafitrasa, ny fiadanana faobe, ary ny fitarihany izy tenany ny tafika mba hihaza ireo Indiana mpihoko nitam-piadiana tany anaty akàta Botànezy.

Nampakatra tononkalo iray i Sonam Dorjee, izay miasa miaraka amin'ny Ministeran'ny Fampianarana, tononkalo noforoniny tao amin'ny pajint Facebook [15] izay mety mahafintina ny fahatsapan'ny Botanezy maro amin'io fotoana io :

Misaotra anao ry Mpanjaka
Tamin'ny nitarihanao anay tamin'ny fanahin'i Bodà Natiora,
Niaraka tamin'ny fahendrena feno fandinihana sy tena fangorahana marina
Tamin'ny fandavantenanao manokana nanoloana ny filàn'ny vahoaka…
Misaotra anao ry Mpanjaka,….
Tamin'ny fijoroana ho filamatra niaraka tamin'ireo hatsoram-po miavaka
Tamin'ny naha-mpitarika mahay mijery sy mitsinjo lavitra anao