- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Aza Ny Gazety Anglisy “The Sun” No Anontaniana Raha Te-hahalala Izay Sainin'ny #Miozolmana1amin5 (#1in5Muslims)

Sokajy: Eoropa Andrefana, Angletera, Foko sy Fiaviana, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Screenshot: The UK's Independent Press Standards received 450 complaints about the front page of The Sun.

Pikantsary: Naharay fitarainana 450 momba ny pejy voalohany tao amin'ny The Sun ny Fenitra Fanaovana Gazety ho an'ny Tsy Miankina ao Angletera.

Mitaty ny vokatra mivaivain'ny tantara navoakany tamin'ny pejy voalohany ilay gazety britanika “The Sun”, miaraka amin'ny filazàna iray mahavelom-panontaniana hoe  “1 amin'ny Britanika Miozolmana 5 no Miombom-po amin'ireo jihadis” [1] ao anatin'ny vanimpotoana iray izay mampirongatra ny fankahalàna Silamo ao Angletera. Hatreto, naharaisana fitarainana 450 [2] ilay famoahana, taraina nalefa any amin'ny Fikambanana Fenitra Fanaovana Gazety ho an'ny Tsy Miankina ao Angletera, ary tenifototra iray malaza, #1in5Muslims, nanoratana fanadrohadroana ny fankahalàna Silamo ao amin'ny The Sun.

Amin'ireo vahoaka 64 tapitrisa ao Angletera, eo amin'ny 5% [3] eo no Miozolmàna. Tonga tamin'ny filazàny tsy manam-paharoa ny The Sun hoe tamin'ny alàlan'ny fakàna hevitra tamin'ny antso an-telefaona taminà Miozolmana 1.003 nataon'ny Survation, orinasa mpitsapa hevitra, izay tao anatin'izany ireo nanontaniana no nasaina nisafidy [4] taminà lisitra misy fanambaràna (izay tsy nahitàna ny teny hoe “jihadi”, na dia navoakan'ny The Sun tamin'ny lohateny vaventiny aza ilay teny).

71% ny fitambaran'ireo namaly hoe “tsy miombom-po amin'ireo tanora Miozolmana mandao an'i Angletera handeha hanatevina ny laharan'ny mpiady ao Syria”, ary 9% nilaza ho tsy manan-kolazaina. Mandritra izany, 15% no nilaza hoe “miombom-po kely ihany aho amin'ireo tanora Miozolmana mandao an'i Angetera handeha hanatevina ny laharan'ny mpiady any Syria” ary 5% nanamarika fa “tena miombom-po be amin'ireo tanora Miozolmana mandao an'i Angetera handeha hanatevina ny laharan'ny mpiady any Syria.”

Ny “The Sun”, gazety iray isan'ny tena miely patrana ao Angletera isanandro dia nanambatra ireo vondrona roa farany  mba hanome 20%, na 1 amin'ny 5.

Saingy olona maro, isan'ireny ireo mpiasa amin'ny media sy mpitarika Miozolmana, no nanindry [5] fa manjavozavo ihany ny nampiasàna ny fomba fiteny hoe “miombom-po”. Tsy mazava hoe “mpiady ao Syria” toa inona ilay tondroina — ireo miady ho an'ny ISIS, fantatra koa amin'ny hoe Daesh, ireo miady manohitra ny ISIS, sa ireo miady manohitra ny fitondràn'ny Filoha Bashar al-Assad.

Misy kiana hafa nosoratana ho an'ny fomba fiasan'ny [6] Survation, izay ahitàna ny fiantsoana an-telefaona ny olona manana “fanampin'anarana Miozolmana”, ary ny tsy fisian'ny vondrona mpanaramaso mba hijery ny fomba famalin'ny olona hafa finoana amin'io fanontaniana iray io ihany. Tany ampiandohana ny The Sun dia nanatona orinasa hafa mpanao fitsapàna hevitra, izay nandà tsy hanao izany noho “izy io tsy azony antoka hahasolo tena marina ireo vahoaka Britanika Miozolmana ao anatin'ny fe-potoana sy noho ny tetibola napetrak'ilay gazety hanatanterahana azy”, hoy ny The Guardian.

Hatsikana kely hanoherana ny fankahalàna Silamo

Mirongatra ny fankahalàna Silao ao Angletera. Raha ny tarehimarika farany, nisy fisondrotana 300 isanjato [7] ireo heloka natao noho ny fankahalàna Silamo tao anatin'ny herinandro taorian'ireo fanafihana tao Parisy. Tarehimarika nangonin'ny Tell Mama Helpline [8], fikambanana iray izay mandrefy ireo fanafihana miharo fankahalàna silamo, na am-bava izany na ara-batana, manerana ny firenena. Araka ilay tatitra, izay nomanina ho an'ny vondrona ao amin'ny governemanta miasa mandinika momba ny fankahalàna Miozolmàna:

Ankizivavy sy vehivavy Miozolmana teo anelanelan'ny 14 sy 45 taona, nitafy ny akanjo nentin-drazan'ny Silamo, ny ankamaroan'ireo niharan'ny heloka fankahalàna tao Angletera. Lehilahy fotsy hoditra no tena nanatanteraka azy ireny, eo amin'ny 15 hatramin'ny 35 taona […] teny amin'ireo toerana natao ho an'ny daholobe no niseho ny fanafihana, isan'izany ny any anaty fiara fitateram-bahoaka na fiarandalamby. Vehivavy nitafy hijab ny efatra ambitelopolo tamin'ireo niharan'ny herisetra, raha ankizy mbola kely taona kosa ireo valo hafa ao anatin'ireo.

Mandritra izany fotoana izany, naneso lay lohateny vaventy sy ny tantaran'ny The Sun ireo mpampiasa Twitter manerana ny tany, tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #1in5Muslims mba hanomezana filazàna mitovitovy amin'izay ihany, saingy somary mahatsikaiky kokoa, momba ny Miozolmana.

Manambady ny mpiray tampo tsy omby kibo aminy ny #1in5Muslims [9] . Miezaka mafy ny hanao toy izay ireo 4 ambiny

Mankany amin'ny Maoske ny #1in5Muslims [9] rehefa Ramadàny. Mba hifanerasera sy hahazo hanina maimaimpoana

Frantsay ny #1in5Muslims [9] …raha manisa zareo. Raha tsy izany dia Arabo

Mbola tsy ampy taona hiditra anjerimanontolo akory dia efa nahazo Loka Nobel ny #1in5Muslims [9]

Angamba mampiasa azy ity any ampiasàna ny #1in5Muslims. [9] Indrindra fa ao #Dubai

Mijangajanga, misotro toaka, mifoka bozaka, saingy tsy mandeha na aiza na aiza manakaiky ireo endy ovy nasiana hanitra ny #1in5Muslims [9] satria voaràra tsy ho an'ny silamo izany ry rahalahy

#1in5Muslims [9] no andrian'ny fon'ny zanakao vavy

#1in5Muslims [9] no manafina biby fitaiza an-tokatrano , izay mety ho tahàka ity

Toa ankasitrahan'ireo mpampiasa ireo valinteny tsy mihafahafa mampiasa hanihany:

Tiako fotsiny izao ny fomba nanombohan'ireo mpampiasa Twitter namaly ny faniratsiràna. Tsara lavitra noho ny fanararaotana sy ny fanimbazimbàna