- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maherin'ny 100 Ireo Gadra Fahiny Noho Ny Politika No Nahazo Toerana Ao Amin'ny Parlemanta Tamin'ilay Fifidianana Manan-tantara Tao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
The opposition National League for Democracy secured a landslide victory in the recent election in Myanmar. It is headed by Aung San Suu Kyi, a former political prisoner. Photo from the Facebook page of the NLD [1]

Nahavita niantoka fandresena nanerana ny firenena ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demaokrasia (NLD) avy amin'ny mpanohitra, tamin'ilay fifidianana vao haingana natao tao Myanmar. Aung San Suu Kyi, gadra fahiny noho ny politika, no nitarika izany. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny NLD

Ity lahatsoratra [2] navoakan'i Nyein Nyein ity dia avy amin'ny The Irrawaddy, tranonkalam-baovao iray tsy miankina ao  Myanmar, ary averina avoaka eto amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Na dia nofonjaina nandritry ny 20 taona aza, nisafidy ny hirotsaka hofidiana amin'ny anaran'ny Antoko mpanohitra Ligy Nasionaly ho an'ny Demaokrasia ao amin'ny Fanjakàna vitsy mponina,  toerana nahaterahany, ao Karenni i Aung Kyaw Soe, 47 taona.

Nahavita nahazo toerana iray ao amin'ny Antenimieran-doholona hisolo tena ny Kantaon'i Shadaw, anivon'ireo rehetra nifaninana taminy ka resiny i Aung Min, filoha mpitarika ny Ivontoerana ao  Myanmar ho an'ny Fandriampahalemana no sady tànan-kavànan'ny filoha amperinasa hodimbiasan-toerana ao Myanmar, Thein Sein, izay nirotsaka ho toy ny tsy miankina sy tsara tohana ara-bola indrindra.

Fandresena miezinezina ho an'ny NLD ny fifidianana tao Myanmar tamin'ny 8 Novambra, saingy  manan-tantara noho ny antony maro ilay vokatra. Na ara-teknika aza dia fifidianana faharoa izay ho solombavambahoaka tao Myanmar iny, marobe no nihevitra fa iny no fifidianana voalohany nalalaka sy tsy nitanila  tao amin'ny firenena, taorian'ireo ampolo taona nisian'ny fitondràna tsy refesi-mandidy sy korontana politika. Ary tamin'ireo 1.139 mpirotsaka nolazaina fa nandresy hatreto, 110—eo amin'ny 10 isanjato eo—no efa nandia taona maro tany am-ponja noho ny resaka politika.

Aung Kyaw Soe, fantatra ihany koa amin'ny hoe Phoe Khwar, izay handray ny toerany amin'ny faran'ny volana Janoary miaraka amin'ireo gadra fahiny noho ny resaka politika tao amin'ireo antoko NLD sy ny foko Mon, Zomi ary Arakan, dia milaza fa tsy mbola azo antoka ny fandreseny tany aloha. Nilaza ity loholona vaovao mpanao lalàna ity hoe:

Misy andraikitra goavana miandry, saingy notapahako ny hevitra handra anjara tao amin'ny fanjakana misy ahy satria mila fampandrosoana izy. Somary tsy nahazo vahana ihany aho tany am-panombohana satria tsara toerana daholo ireo mpifanandrina tamiko raha niohatra tamiko tamin'ny resaka fahefana sy vola.

Tsy tokony hisy gadra noho ny politika izany ao anaty fiarahamonina iray demaokratika, saingy mbola betsaka ireo gadra noho ny politika no tavela any am-ponja.

Maro tamin'ireo nandia fotoana maro tany am-ponja noho ny hetsika politika nataony no mihevitra hampiasa ny sehatra vaovaon'izy ireo ao Naypyidaw, renivohitra politikan'ny firenena, hitakiana ny fampitsaharana ny fampidirana am-ponja noho ny fanehoana hevitra.

Nosamborina noho ny naha-mpikambana azy tao amin'ny ABSDF – Mandatehezana Demaokratikan'ny Mpianatra Rehetra ao Birmania, fikambanana iray voaràra, ary nosaziana hifonja mandra-pahafatiny i Aung Kyaw Soe tamin'ny 1990 saingy navotsotra tamin'ny 2012. Talohan'ny nidirany tamin'ny politika, niasa ho anà vondrona tanora tao an-toerana izy, tao amin'ny fanjakan'i Karenni.

Araka ny fanambaràn'ny AAPP – Fikambanana Manohana Gadra noho ny Politika, mbola misy 112 ireo gadran'ny politika ao Myanmar, miaraka amin'ireo olona maherin'ny 486 miandry fakàna am-bavany eny amin'ny fitsaràna noho ny hetsi-panoherana nataony tamin'ny fangiazana ny tany famokarana sy niarovany ny fandriampahalemana, ny fanavaozana ny fanabeazana, ary ny fitsarana.

Na miaraka amin'ny onjam-piovàna politika ao Myanmar aza, toa tahàka ny hoe tsy ho votsotra daholo ireo gadra noho ny politika mandra-pandrain'ny governemanta vaovao ny asany amin'ny 2017.

Tate Naing, mpitantsoratry ny AAPP, nilaza ho be fanantenana amin'ny hamotsoran'ny governemanta amin'izao fotoana ny maromaro amin'ireo sisa gadra noho ny politika mbola tavela, alohan'ny hanolorany ny fahefana. Hoy izy :

Saingy tsy ny rehetra no ho afahana, indrindra fa ireo izay mbola miatrika fitsaràna sy ireo miaramila tranainy.

Bo Bo Oo avy amin'ny Sanchang ao Yangon, 51 taona, iray hafa vao nahazo toerana ao amin'ny Antenimieran-doholona, niteny fa tsy maintsy atsofoka miandàlana ny fiovàna eo amin'ny fanaovana lalàna, aorian'ny fianianan'ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta.

“Betsaka ny fanitsiana mila atao, hatramin'ny tokony hanatsoahana ny lalàna sasany,” hoy izy, tamin'ny fanasongadinana fa marobe amin'ireo gadran'ny politika amin'izao fotoana izao no nohelohina araka ny andinin-dalàna faha-18 amin'ny Lalàna momba ny Fivoriana am-Pilaminana, izay navoaka tao anatin'izao fitondràna ankehitriny izao, ankoatra ireo andinin-dalàna hafa efa lany andro ao amin'ny Didy Famaizana ao Birmania sy ny Lalàna momba ny Fikambanana tsy ara-Dalàna, efa tamin'ny vanim-potoana fanjanahana.

Bo Bo Oo dia mpianatra iray mpikatroka mafàna fo avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Rangoon tamin'ny 1988, ary voaheloka hifonja 20 taona an-tranomaizina taorian'ny nifandraisany tamin'ny ABSDF tamin'ny 1989, na dia tsy mpikambana tao velively aza izy. Nalefa tany amin'ny fonjan'i Insein izy tamin'ny 1989 ary nafahana avy any amin'ny fonjan'i Myin Chan tamin'ny Septambra 2009.

Ary toa an'i Aung Kyaw Soe, nandresy ireo politisiana fantandaza izy tamin'ny fifidianana—toa an'i Thu Wai avy amin'ny Antoko Demaokratika ao Myanma, Soe Win avy amin'ny Mandatehezana Nasionaly Demaokratika ary i Win Myint Than avy amin'ny Antoko Mitambatra ho Firaisankina sy Fampandrosoana, antoko eo amin'ny fitondràna. Samy tsy nahazo toerana tao amin'ny Parlemanta Iraisana ireo antoko politika roa fahiny.

Avy amin'ny andian-tafika tsy mitsaha-mitombon'ireo mpanao lalàna ny sasany amin'ireo endrika tena fantadaza ao Myanmar, mpanao lalàna izay efa mpanohitra politika fahiny, ahitàna an-dramatoa filohan'ny NLD sy ilay mpanao lalàna amin'izao fotoana Aung San Suu Kyi; i Zin Mar Aungmpanorina ny Sekoly Fianarana ny Siansa Politika ao Rangoon; Pyone Cho,  mpitarika ny Andian-taranaky ny taona 88 ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Fiarahamonina Misokatra; Ma Thandar mpikatroka momba ny zo; ilay poeta Yi Mon (fantatra amin'ny hoe Tin Thit); ireo mpanao lalàna amin'izao fotoana izao, Phyo Zeya Thaw sy Sandar Min; ary ilay mpanoratra Nay Phone Latt, ankoatry ny maro hafa.

Ireo avy amin'ny NLD voafidy ho mpikambana ao amin'ny parlemanta izay niresaka tamin'ny The Irrawaddy dia nanasongadina ny politikan'ny antoko momba ny fampihavanana ny firenena ary niteny fa hiasa ho an'ny fandriana fahalemana sy ny rariny ho an'ireo mpifidy azy.