Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Sioka Dimy Voalohany: Mamazivazy Ny Sivana Amin'ny Aterineto Ny Iraniana

Iran's Minister of ICT, Mahmoud Vaezi on the right at the WSIS 2015 forum in Geneva, Switzerland. Image from remixed by Mahsa Alimardani.

Minisitry ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana ao Iran, Mahmoud Vaezi eo ankavanana nandritra ny fifanakalozan-kevitra WSIS 2015 tao Geneve, Soisa. Sary nakamban'i Mahsa Alimardani.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'ilay mpikaroka ao amin'ny Small Media (Media Madinika) Kyle Bowen, ary navoaka voalohany tao amin'ny Medium

Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy ny fikorontanana vao haingana tamin'ny fampiharana fandefasan-kafatra Telegram. Nanararaotra izany ireo mpiserasera Twitter ao amin'ny firenena mba haneho fitarainana ankapobeny bebe kokoa momba ny aterineto miadam-pandeha, lafo vidy sy voasivana loatra, fantatry ny Iraniana sasany amin'ny hoe ‘filternet’. Ireto fanehoan-kevitra dimy tsara indrindra tao anatin'ny volana lasa:

Fisaorana Manesoeso

Misaotra ireo nitantana ny firenena amin'ny fanomezana itony aterineto mitadredretra fandeha sy ny fanivanana zavatra itony. Tohizo, manao tsara ny asa ianareo!

Fanevatevana

Mpihatsaravelatsihy mpihinan-diky ireto mpanohana ny fitondrana manivaka amin'ny rafitra fanivànana idirana Twitter ireto.

Manoa lalàna hatrany ny mpandala ny nentim-paharazana Iraniana idirana amin'ny tambajotra sosialy “voaràra”. Jereo ny tatitra ‘Unmasking the Arzeshi (Manala sarontava ny Arzechi)’ raha te-hahafantatra bebe kokoa

403: Voaràra Ny Taovam-pananahana

Nahatratra dingana izay nahagaga ahy isika fa tsy mahita fanivanana pejy aho rehefa nijery ny atin'akanjoko.

“Argh!”

Nahoana izy ireo manao izany? Manapaka tanteraka ny aterineto izy ireo ary milaza fa na iza na iza mampiasa aterineto dia jiolahy – tapitra ny adihevitra! #telegramfiltering.

Nandritra ny roa volana farany, nitsikera mafy ny Telegram ny manampahefana Iraniana. Nanomboka tamin'ny volana oktobra, Tapatapaka tsindraindray ao Iran ny Telegram.

Mitsentsitra Sivana Ry zalahy ireo

Amin'ny fanavaozam-baovao tokana amin'ny Instagram, ho simba avokoa ny rafi-panivanana maranitra rehetra

Natao hanivanana izay votoaty “tsy mendrika” ao amin'ny sehatra tahaka ny Instagram ny tetikasa “Fanivànana Maranitra” ao Iran. Saingy araka ny filazan'ity mpiserasera ity, mety hahatonga ny ezaka fanivànana maranitra ao Iran ho lany andro sy tsy mahomby ny fanovana ara-teknika nataon'ny Instagram. Oops. Vola 66 dolara tapitrisa very fotsiny izany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.